Bokin'i Ezekiela

Toko faha-30

1 Tonga tamiko ny tenin'ny Tompo, nanao hoe:

2 Ry zanak'olona, maminania ka ataovy hoe: Izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Midradradradrà hianareo! Endrey! izao andro izao! 3 Fa efa antomotra ny andro; antomotra ny andro ho an'ny Tompo! Andron-drahona! Io no fotoanan'ny firenena!

4 Hisy sabatra ho tonga hamely an'i Ejipta; ary hisy fitebitebena mafy any Etiopia, rahefa hiampatrampatra any Ejipta ny maratra ho faty, rahefa halaina ny hareny, sy horavana ny fanorenany.

5 Ny Etiopiana, ny Libiana, ny Lidiana, ny hafa firenena isan-karazany, Koba, sy ny zanaky ny tany vita fanekena, ho lavon-tsabatra miaraka aminy koa.

6 Izao no lazain'ny Tompo: Ho lavo ry zareo niankinan'i Ejipta, ary haetry ny fiavonavonan'ny heriny: Hatrany Migdola ka hatrany Siena, dia ho lavon-tsabatra ny olona, - teny marin'ny Tompo Iaveh.

7 Ho lao eo amin'ny tany lao izy; ary ho rava eo amin'ny tanàna rava ny tanànany.

8 Dia ho fantatry ny olona fa Iaveh aho, raha avy izay handoroako an'i Ejipta sy hahatorotoro an'izay rehetra manampy azy.

9 Amin'izany andro izany, hisy iraka avy amin'ny anarako handeha an-dakana hampitebiteby an'i Etiopia izay mitoetra tsy amin'ny ahiahy, ka hisy fanahiana lehibe any aminy, toy ny tamin'ny andron'i Ejipta, fa indro tonga izy io.

10 Izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Hampitsahatra ny tabataba ben'i Ejipta aho, amin'ny tànan'i Nabokodonozora, mpanjakan'i Babilona.

11 Izy mbamin'ny vahoakany miaraka aminy, firenena masiaka noho ny hafa rehetra, no ho enti-mandrava an'i Ejipta; hanatsoaka sabatra hamelezana an'i Ejipta izy, ka hameno faty ny tany.

12 Ny ony hovako ho tany maina; ny tany hatolotro eo an-tànan'ny olona masiaka; ary ny tany mbamin'izay rehetra ao aminy, horavako, amin'ny tànan'ny hafa firenena. Izaho Iaveh no niteny.

13 Izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Hofoanako ny sampim-betaveta, holevoniko ny andriamanitra tsy izy ao Nofa, tsy hisy mpanapaka intsony, avy amin'ny tany Ejipta, ary hanidinako tahotra ny tany Ejipta.

14 Patrosa ho ravako; Tsoana hodorako; No, hanatanterahako fitsarana;

15 hampidina ny hatezerako amin'i Sina, trano mimandan'i Ejipta; ary hofongorako ny vahoaka be any No.

16 Ejipta hodorako, Sina, hiolanolana mijaly; No, halana an-keriny; ary Nofa, hanihim-pahavalo antoandrobe.

17 Ny zatovon'i Avena sy Bobasta, ho lavon-tsabatra; ary ny tenan'izy ireo ho lasan-ko babo.

18 Ao Tafnesa ho maizina ny andro, raha avy izay hanapahako ao ny jiogan'i Ejipta, sy hitsaharan'ny fiavonavonan'ny heriny; ho voasaron-drahona izy, ary ho lasan-ko babo ny zanany vavy.

19 Hanao fitsarana an'i Ejipta aho, ka ho fantatry ny olona fa Iaveh aho.

20 Tamin'ny taona faharaika ambin'ny folo, volana voalohany, andro fahafiton'ny volana, tonga tamiko ny tenin'ny Tompo nanao hoe:

21 Ry zanak'olona, ny sandrin'i Faraona mpanjakan'i Ejipta, dia notapahako, ka indro tsy notsaboina, tsy nasiam-panafody na nopetahana bandy, hitsaboana azy mba hahatanjaka azy, hahatan-tsabatra.

22 Ka izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Indro aho ho avy amin'ny Faraona mpanjakan'i Ejipta; hotapahako ny sandriny roa, na ny mbola matanjaka na ilay efa tapaka, ary hataoko latsaka ny sabatra eny an-tànany.

23 Haeliko any amin'ny firenena ny Ejipsiana, ary hahahako any amin'ny tany.

24 Fa ny sandrin'ny mpanjakan'i Babilona, hohatanjahako, ary ny sabatro, hataoko eo an-tànany; hotapahako kosa ny sandrin'i Faraona ka hitoloko eo anoloany izy, toy ny fitolokon'ny maratra ho faty.

25 Ny sandrin'ny mpanjakan'i Babilona, hohatanjahako; ny sandrin'i Faraona kosa hianjera; ary ho fantatry ny olona fa Iaveh aho, rahefa ataoko eo an-tanan'ny mpanjakan'i Babilona ny sabatro; ka hoentiny mamely ny tany Ejipta.

26 Haeliko any amin'ny firenena ny Ejipsiana, ary hahahako any amin'ny tany izy; dia ho fantatry ny olona fa Iaveh aho.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0941