Bokin'i Ezekiela

Toko faha-31

1 Tamin'ny taona faharaika ambin'ny folo, volana fahatelo, andro voalohan'ny volana, tonga tamiko ny tenin'ny Tompo nanao hoe:

2 Ry zanak'olona, lazao amin'i Faraona mpanjakan'i Ejipta sy amin'ny vahoakany maro hoe: Tahaka an'iza moa hianao, amin'ny fahalehibeazanao? 3 Indro fa Asora dia hazo sedera any Libàna, tsara rantsana, be alokaloka, avo vatana, ary mitehika amin'ny rahona ny tendrony.

4 Ny ranobe nampitombo azy; ny rano lalina, nahalehibe azy, tamin'ny nampandehanany ny oniny, tamin'ny manodidina ny fitoerana nambolena azy, sy tamin'ny nandefasany ny sakeli-dranony, ho ao amin'ny hazo rehetra any an-tsaha.

5 Noho izany ny vatany nijoroaka, lasa avo noho ny hazo rehetra any an-tsaha; ny sampany nihalehibe; ny rantsany, nihalava, noho ny habetsahan'ny rano, tamin'ny fotoana nitomboany.

6 Ny voromanidina rehetra, nanao akany teo amin'ny sampany; ny biby rehetra any an-tsaha, niteraka teo ambanin'ny rantsany; ny firenena maro no nipetraka teo ambany alokalony.

7 Nahatsara tarehy azy ny fahalehibeazany, sy ny halavan'ny sampany, fa latsaka lalina tao amin'ny rano betsaka ny fakany.

8 Ny sedra ao amin'ny sahan'Andriamanitra, tsy nahamatroka azy; ny sipresa, tsy nahatoraka ny sampany; ary ny pilatana tsy tahaka ny rantsany; ary ny hazo tao amin'ny sahan'Andriamanitra, tsy nisy tsara tarehy toa azy.

9 Nataoko tsara tarehy izy amin'ny hamaroan'ny rantsany, ka hialona azy avokoa ny hazo rehetra ao Edena, dia izay rehetra ao amin'ny sahan'Andriamanitra.

10 Koa izao no lazain'ny Tompo Iaveh: satria izy nisandratra ho avo, sy nanandratra ny tendrony hatrany amin'ny rahona, ary niavonavona noho ny fisandratry ny fony,

11 dia natolotro izy ho eo an-tànan'ny andriamanitry ny firenena hataony amin'izay sitrapony; noroahako izy, noho ny haratsiany.

12 Notapahan'ny hafa firenena - firenena masiaka indrindra amin'ny firenena, - navelany teo izy; teny an-tendrombohitra aman-dohasaha rehetra teny no niampatramparan'ny sampany; ny rantsany tapaka nitsingidina teny amin'ny mason-driaka rehetra amin'ny tany; nihataka niala tamin'ny alokalony ny firenen'ny tany rehetra, ka dia nandao azy avokoa.

13 Ny tapatapany ahatongavan'ny voromanidina rehetra hipetraka, ary ny rantsany itsofohan'ny biby rehetra any an-tsaha:

14 mba tsy hisy hazo voavoly amin'ny rano, hisondrotra ho avo, sy hanandratra ny tendrony hatrany amin'ny rahona, ary mba tsy hisy amin'izay mifo-drano, hatoky tena noho ny fiavonavonany; fa izy rehetra, samy voatendry ho faty, ho any ambanin'ny tany, hiharo amin'ny zanak'olombelona, dia amin'izay midina any an-davaka.

15 Izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Tamin'ny andro nidinany ho any amin'ny seoly, nampanao fisaonana aho; ny rano lalina nosaronako, noho ny aminy; ny ony mandeha najanoko; ny ranobe, niato; Libàna, nampanjomboniko, noho ny aminy; ary ny hazo any an-tsaha, nilofika avokoa noho ny aminy.

16 Nataoko nihorohoro ny firenena, tamin'ny fiezinezin'ny fianjerany, tamin'ny namarinako azy ho any amin'ny seoly, miaraka amin'ireo midina any an-davaka. Nianina tany ambanin'ny tany ny hazon'i Edena rehetra, ny tsara tarehy sy kanto indrindra tany Libàna, dia izay rehetra bobo-drano.

17 Niara-nidina taminy koa ireo, ho any amin'ny seoly, nankany amin'ireo matin'ny sabatra, izay sandriny, sy nipetraka teo amin'ny alokalony, teo afovoan'ny firenena.

18 Koa iza no itovizanao voninahitra amam-pahalehibeazana, ireo hazon'i Edena? Havarina hianao miaraka amin'ny hazon'i Edena any ambanin'ny tany; hamparina eo amin'ireo tsy voafora, miaraka amin'ireo voatrobaky ny sabatra. Izany no hanjo an'i Faraona, mbamin'ny vahoakany maro, - teny marin'ny Tompo Iaveh.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1505