Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Bokin'i Ezekiela

Ezekiela toko 33, 7-9

       <7Koa hianao, ry zanak'olona, no efa notendreko ho mpitily, ho an'ny taranak'Israely, ary rahefa mandre teny aloaky ny vavako hianao dia hanaitra azy amin'ny anarako. 8Raha niteny aho nilaza tamin'ny ratsy fanahy hoe: Ho faty marina hianao, ry ilay ratsy fanahy, ka tsy miteny hianao, hananatra ny ratsy fanahy hiala amin'ny làlany, dia ho faty amin'ny helony ihany ilay io, noho izy ratsy fanahy, nefa hadiniko aminao ny rany. 9Fa raha mananatra ny ratsy fanahy kosa hianao, hialany amin'ny làlany, fa izy no tsy mety miala amin'ny làlany, dia ho faty ao amin'ny helony, fa hianao kosa hahavonjy ny fanahinao. >