Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Bokin'i Ezekiela

Ezekiela toko 37, 17-28
<17Ampifanatony izy roa, mba ho hazo iray ihany, ka ho iray ihany izy eny an-tànanao. 18Ary raha hiteny aminao ny zanaky ny firenenao, hanao hoe: Tsy ho voasanao aminay va, izay ambaran'izany araka ny hevitrao? 19lazao aminy hoe: Izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Indro fa alaiko ny hazon'i Josefa, eny an-tànan'i Efraima sy ny firenen'Israely izay tafakambana aminy, ka hakambako amin'ny hazon'i Jodà izy, dia hataoko hazo iray ihany, sy ho iray tokoa eo an-tànako izy ireo.
       20Ho eny an-tànanao, eo imasony, ireo hazo hosoratanao. 21Ary lazao aminy hoe: Izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Indro halaiko any amin'ny firenena nalehany, ny zanak'Israely; hangoniko avy any rehetra any izy, dia hoentiko miverina eo amin'ny taniny. 22Hataoko firenena iray ihany eo amin'ny tany, eo ambonin'ny tendrombohitr'Israely, izy; mpanjaka iray ihany no hanjaka amin'izy rehetra; tsy ho firenena roa intsony izy, na tafasaraka ho fanjakana roa. 23Tsy handoto tena intsony izy, na amin'ny sampiny vetaveta, na amin'ny fahavetavetany, na amin'ny hadisoany rehetra; hovonjeko ho afaka amin'ny fiodinany rehetra nanotany izy, ary hodioviko; izy ireo ho vahoakako, ary izaho ho Andriamaniny. 24Davida mpanompoko no ho mpanjakany; ary izy rehetra hiray mpiandry, hanaraka ny fitsipiko, hitandrina ny didiko, ary hanaraka izany. 25Honina eo amin'ny tany nomeko an'i Jakoba mpanompoko sy nonenan'ny razany, izy ireo; dia honina eo izy mbamin'ny zanany sy ny zanaky ny zanany mandrakizay, ary Davida mpanompoko no ho mpanapaka azy mandrakizay. 26Sady hanao fanekem-pihavanana amin'izy ireo aho, ka ho fanekena aminy mandrakizay izany; ary izaho hanorina azy, hampitombo azy, ary hanangana ny fitoerako masina eo aminy mandrakizay. 27Ny fonenako, ho eo ambonin'izy ireo; izaho ho Andriamaniny; ary izy ho vahoakako. 28Dia ho fantatry ny firenena fa Iaveh aho manamasina an'Israely, rahefa ho eo aminy mandrakizay ny fitoerako masina. >