Bokin'i Ezekiela

Toko faha-4

1 Ary hianao, ry zanak'olona, makà biriky anankiray, apetraho eo anoloanao, ka manorata sarin-tanàna anankiray eo, dia ny sarin'i Jerosalema.

2 Ataovy fahirano izy; manaova tilikambo hamelezana azy; manandràta tovon-tany hikatrohana aminy; manorena toby manodidina azy. 3 Ary hianao makà lapoaly vy; atoavy toy ny manda vy eo anelanelanao sy ny tanàna io, ka atodiho hanandrina azy ny tavanao; dia hatao fahirano izy; ka hataonao fahirano izy. Aoka ho famantarana ho an'ny taranak'Israely izany. 4 Ary ataovy ambany mandry ny ilanao havia; ka ataovy eo ny heloky ny taranak'Israely; ary ny andro handrianao toy izany, dia hitondranao ny helok'izy ireo.

5 Ary araka ny isan'ny andro no nanisako ny taonan'ny helok'izy ireo ho anao; ka dia sivifolo sy telon-jato andro no hitondranao ny heloky ny taranak'Israely. 6 Rahefa tapitra ireo andro ireo, dia ny ilanao havanana indray no hataonao ambany mandry, ka hitondra ny heloky ny taranak'i Jodà kosa hianao, efapolo andro; fa nisaiko ho taona iray ny andro iray ho anao. 7 Dia hitodika hanandrina an'i Jerosalema atao fahirano, ny tavanao aman-tsandrinao mihanjaka, ka haminany hamely azy hianao. 8 Ary indro, efa nopetahako tady hianao, mba tsy ho afa-mivadi-mandry, mandra-pahatapitrao ny andron'ny fahiranonao. 9 Makà fromenta, orja, kalamaka, voanemba, ampemba ary epaotra; ataovy am-bilany iray ireo, ka anaovy mofo ho anao, araka ny isan'ny andro handrinao amin'ny ilanao, sivifolo sy telon-jato andro no hihinananao azy. 10 Roapolo sikla no lanjan'ny haninkohaninao amin'ny indray andro, asio elanelany ny fihinanana azy. 11 Rano kely ihany no hosotroinao, dia ampahenin'ny hina, asio elanelany ny fisotro azy. 12 Toy ny mofo orja no ihinano azy; ary diky no anendaso azy, eo imason'izy ireo.

13 Dia hoy Iaveh tamiko: Toy izany no hihinanan'ny zanak'Israely ny mofony voaloto, any amin'ny firenena handroahako azy. 14 Ka hoy aho: Indrisy! Iaveh, Tompo ô, tsy mba voaloto na oviana na oviana ny fanahiko; tsy mba nihinana biby maty, na voaviravira aho, hatramin'ny fahatanorako ka mandrak'ankehitriny; ary tsy mbola niditra ny vavako akory izay hena maloto. 15 Dia hoy izy tamiko: Jereo fa ekeko hosoloina taim-biby ihany ny diky, ka dia eo ambonin'izany no hanendasanao ny mofonao. 16 Ary hoy izy tamiko: Ry zanak'olona, indro hotapahako ny tehana mofo any Jerosalema, ka an-danjany sady am-panahiana no hihinanan'izy ireo mofo; ary am-patrany sady amin-kovitra no hisotroany rano. 17 Satria, ny hanina amam-pisotro tsy ho ampy; ny tenany, samy hihareraka sy hihalevona avy izy ireo, noho ny haratsiany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0913