Bokin'i Ezekiela

Toko faha-42

1 Nentin-dralehilahy nivoaka nianavaratra aho, ho ao amin'ny kianja ivelany, dia nentiny ho ao amin'ny efitrano manatrika ny fitoerana foana sy ny rindrina eo amin'ny avaratra.

2 Zato hakiho ny lavany - varavarana avaratra, - dimampolo hakiho ny sakany; 3 tandrifin'ny roapolo hakiho amin'ny kianja anatiny, ary tandrifin'ny lampivato amin'ny kianja ivelany, nisy làlantsara nifanandrify mifanongoa telo. 4 Teo anoloan'ny efitrano, nisy làlana folo hakiho no habeny, nisy làlana miditra ho ao anatiny koa, iray hakiho, ary nitodika nianavaratra ny varavarany. 5 Etiety kokoa ny efitrano ambony, - fa nangalana ho làlan-tsarany, - ka etiety kokoa noho ny efitra ambany sy ny efitrano antenantenany amin'ny trano, 6 fa nifanongoa telo izy ireo sady tsy mba nisy andry toy ny amin'ny kianja; ka izany no nahaety ny efitrano ambony noho ny efitrano ambany sy ny antenantenany. 7 Ny tamboho ivelany, mifanila amin'ireo efitrano eo amin'ny lafin'ny kianja ivelany, dia dimampolo hakiho ny laniny manatrika ny efitrano. 8 Fa dimampolo hakiho ny lavan'ny efitrano eo amin'ny lafin'ny kianja ivelany, ary zato hakiho kosa ny eo amin'ny lafin'ny tempoly. 9 Teo ambanin'ireo efitrano ireo, nisy fidirana mitodika miantsinanana ho an'izay avy ao amin'ny kianja ivelany. 10 Teo amin'ny sakan'ny rindrin'ny kianja atsinanana, manatrika ny fitoerana foana sy ny tamboho, nisy efitrano koa,

11 ary teo anoloany nisy làlana toy ny hita ao amin'ireo efitrano teo amin'ny lafiny avaratra; sahala ny lavany sy ny sakany, torak'izany koa ny fidirana aman-toetoetrany; 12 mitovy amin'ny an'ireo ihany koa ny varavaran'ireto efitrano eto atsimo; misy varavarana koa eo amin'ny fiandohan'ny làlana manaraka ny tamboho mifanandrify eo andrefana halehan'izay miditra. 13 Dia hoy izy tamiko: Ireo efitrano eo avaratra, sy efitrano eo atsimo manatrika ny fitoerana foana ireo, no efitran'ny fitoerana masina, ihinanan'ny mpisorona manatona an'ny Tompo ny zava-masina indrindra; ao no ametrahany ny zavatra masina indrindra, ny fanatitra, ny sorona noho ny ota sy noho ny fahadisoana, satria masina io fitoerana io.

14 Rahefa tafiditra ao ny mpisorona, dia tsy hiala ao amin'ny fitoerana masina izy mba ho ao amin'ny kianja ivelany, raha tsy efa navelany ao ny fitafiana nentiny nanao ny fanompoana; fa masina izany fitafiana izany. Miova fitafiana aloha izy, vao manatona mankao amin'ny raharaha momba ny vahoaka. 15 Nony tapitra norefesiny ny tao anatin'ny trano, dia nentiny nivoaka aho ho ao amin'ny vavahady, izay mitodika miantsinanana ny anoloany, dia norefesiny ny manodidina io.

16 Norefesiny tamin'ny volotara fandrefesana ny lafiny atsinanana, ka indiman-jaton'ny volotara araka ny volotara fandrefesana ny manodidina azy. 17 Norefesiny ny lafiny avaratra, dia indiman-jaton'ny volotara araka ny volotara fandrefesana ny manodidina azy. 18 Norefesiny ny lafiny atsimo: indiman-jaton'ny volotara araka ny volotara fandrefesana. 19 Nitodika ny lafiny andrefana izy dia nandrefy indiman-jaton'ny volotara araka ny volotara fandrefesana. 20 Norefesiny ny lafiny efatra amin'ny manodidina; fa nisy tamboho manodidina ny tempoly, ka diman-jato ny lavany, diman-jato ny sakany, mba hampiavaka ny masina sy ny tsy masina.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2015