Bokin'i Ezekiela
Ezekiela toko 43
Tonga ao amin'ny tempoliny indray Iaveh - Ny momban'ny otely.
1Dia nentiny ho eo ambavahady aho, eo amin'ilay vavahady mitodika miantsinanana. 2Ary indro, tamy avy any atsinanana ny voninahitr'Andriamanitr'Israely. Ny feony, tahaka ny firohondrohon'ny rano be; ary ny tany namirapiratra azon'ny voninahiny. 3Ny tarehin-javatra hitako, dia tahaka ilay tarehin-javatra hitako no fijery azy, fony aho tonga handrava ny tanàna; sady nanahaka ny tarehin'ilay zavatra hitako teo amoron'ny ony Kobara ihany koa, no fijery azy, ka nitrosona nihohoka aho. 4Dia niditra nankao an-trano ny voninahitry ny Tompo, nihazo ny làlana teo amin'ny vavahady mitodika miantsinanana. 5Tamin'izay, naingain'ny Fanahy aho, nentiny ho eo amin'ny kianja anatiny; ary indro, feno ny voninahitry ny Tompo ny trano.
6Reko nisy niteny tamiko avy ao an-trano; ary nisy lehilahy nitsangana teo akaikiko. 7Hoy izy tamiko: Ry zanak'olona! Eto no fitoeran'ny seza fiandrianako, fitoerana hametrahako ny faladian-tongotro, honenako eo amin'ny zanak'Israely na izy na ny mpanjakany, tsy handoto intsony ny anarako masina, amin'ny fahavetavetany, na ny fatim-panjakany, na ny fitoerana avony, 8mametraka ny tokonany eo anilan'ny tokonako, sy ny tolanany eo anilan'ny tolanako, any ka rindrina sisa no nanelanelana ahy sy azy ireo, ka nandoto ny anarako masina izy tamin'ny fahavetavetana nataony, ary naringako noho ny fahatezerako. 9Fa amin'izao kosa, hesoriny lavitra ahy ny fahavetavetany sy ny fatim-panjakany, ka honina eo aminy mandrakizay aho.
10Hianao, ry zanak'olona, aoka hampahalala ny taranak'Israely an'ity trano ity, mba hahamenatra azy noho ny fahotany; ary aoka handrefy azy araka ny marika izy. 11Raha menatra izy noho izay rehetra efa nataony, dia ambarao azy ny endrik'ity trano ity, ny filaminany, ny fivoahana amam-pidirana aminy, ny andriny, ny fandaharana rehetra momba azy, ary ny fombany aman-dàlana rehetra; ataovy an-tsoratra eo imasony izany rehetra izany, mba hitandremany ny fombany amam-pitsipiny rehetra, sy hanatanterahany an'izany.
12Izao no lalàna amin'ny trano: Masina dia masina avokoa, ny tokotany rehetra momba azy manodidina eo an-tampon'ny tendrombohitra. Izany no lalàna amin'ny trano.
13Izao no refin'ny otely amin'ny hakiho, fa ny hakiho kosa dia hakiho sy vodivoam-pelatànana; ny lakan-drano iray hakiho ny hahavony, iray hakiho ny sakany; ny molony manodidina azy irain-jehy. Toy izany no fiantombenan'ny otely. 14Hatramin'ny lakan-drano eo amin'ny tany, ka hatreo amin'ny koronosy manodidina ambany, roa hakiho, ary iray hakiho ny sakany; hatramin'ny koronosy kely ka hatramin'ny koronosy lehibe, efatra hakiho, ary iray hakiho ny sakany. 15Efatra hakiho ny Harely; ary avy eo amin'ny Harely; ary avy eo amin'ny Ariely eo ambony no ijoroan'ny tandroka efatra. 16Roa ambin'ny folo hakiho, ny lavan'ny Ariely; roa ambin'ny folo hakiho koa ny sakany; efa-joro sokera tsara izy. 17Efatra ambin'ny folo hakiho ny koronosy amin'ny lafiny efatra; efatra ambin'ny folo hakiho ny halavany, ary efatra ambin'ny folo hakiho ny sakany; antsasaky ny hakiho, ny molony manodidina; misy lakan-drano iray hakiho manodidina azy; mitodika miantsinanana ny ambaratongany.
18Ary hoy izy tamiko: Ry zanak'olona, izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Izao no lalàna ny amin'ny otely amin'ny andro hanaovana azy, hanaterana sorona dorana sy hamafazana ra aminy: 19Tolory vantotr'ombalahy iray hatao sorona noho ny ota, ny levita mpisorona izay avy amin'ny taranak'i Sadaoka, sy manatona ahy, - teny marin'ny Tompo Tompo, - hanompo ahy. 20Hangalanao ny rany, dia atenteno ny tandrony efatra amin'ny otely, ny zorony efatra amin'ny koronosiny, ary ny molony manodidina, hanaovanao fanonerana amam-panavotana ny otely. 21Halainao ny ombalahy natolotra noho ny ota, ka hodorana amin'ny fitoerana efa voatokana ao amin'ny trano ivelan'ny fitoerana masina. 22Amin'ny andro faharoa, manatera vantotr'osilahy, tsy misy kilema, ho fanatitra noho ny ota; ary manaova fanonerana ho an'ny otely toy ny natao tamin'ny ombalahy. 23Rahefa vitanao ny fanonerana dia manatera vantotr'ombalahy iray tsy misy kilema, sy ondralahy iray avy amin'ny andriany, tsy misy kilema. 24Hianao moa, hanatitra ireo, eo anatrehan'ny Tompo; ny mpisorona kosa handraraka sira aminy, sy hanolotra azy ho sorona dorana amin'ny Tompo. 25Hafitoana no hanateranao osilahy isan'andro, ho sorona noho ny ota; manatera koa ombalahy iray sy ondralahy iray, avy amin'ny andiany, tsy misy kilema. 26Hafitoana no hanaovam-panavotana ho an'ny otely dia hanadiovana azy sy hanamasinana azy. 27Rahefa tapitra ny hafitoana, ny andro fahavalo sy ny manaraka dia hanoloran'ny mpisorona eo ambonin'ny otely ny sorona doranareo sy ny sorona fisaoranareo, ka hankasitrahako hianareo, - teny marin'ny Tompo Iaveh. >