Bokin'i Ezekiela

Toko faha-44

1 Dia nentiny niverina aho, tamin'ny làlana mankamin'ny alo-baravarana ivelany amin'ny fitoerana masina mitodika miantsinanana; nikatona io.

2 Ary hoy Iaveh tamiko: Hikatona ity alo-baravarana ity fa tsy hivoha na hidiran'olona akory, fa io no nidiran'ny Tompo Andriamanitr'Israely, ka hikatona izy. 3 Ary ny amin'ny mpanapaka, noho ny maha-mpanapaka azy, dia hipetraka eo izy, hihinan-kanina eo anatrehan'ny Tompo; eo amin'ny efitrano fidirana ho ao amin'ny alo-baravarana no hidirany, ary eo amin'io làlana io ihany koa no hivoahany. 4 Nony avy eo, nentiny mankamin'ny alo-baravarana avaratra aho, eo anoloan'ny trano; ka nahita ny voninahitry ny Tompo nameno ny trano, dia niankarapoka nihohoka aho.

5 Ary hoy Iaveh tamiko: Ry zanak'olona, mitandrema tsara, mijere amin'ny masonao, mihainoa amin'ny sofinao, izay rehetra holazaiko aminao ny amin'ny fandaharana rehetra momba ny tranon'ny Tompo sy momba ny lalàny rehetra. Tandremo tsara ny amin'izay tsy maintsy miditra ho ao an-tranon'ny Tompo, amin'ny fivoahana rehetra avy ao amin'ny fitoerana masina. 6 Lazao amin'ireo mpiodina amin'ny taranak'Israely hoe: Izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Aoka izay ny fahavetavetanareo rehetra, ry taranak'Israely, 7 dia ny nitondranareo ny taranaky ny hafa firenena, tsy mifora fo na mifora nofo akory, ho eo amin'ny fitoerako masina, mba handoto ny tranoko, tamin'ny nanateranao ny anjara haniko, na ny sabora na ny ra; ka dia nivadika ny fanekeko ireo, tamin'ny fahavetavetanareo rehetra. 8 Hianareo tsy nanefa ny fanompoana momba ireo zavatra masina; fa ireo hafa firenena no notendrenareo hanao ny fanompoana ahy ao amin'ny fitoerako masina, hahitanareo soa. 9 Izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Tsy misy hiditra ao amin'ny fitoerako masina amin'ireo taranaky ny hafa firenena tsy mifora fo na mifora nofo akory, rahefa mety ho taranaky ny hafa firenena eo amin'ny zanak'Israely. 10 Izao koa: Ireo levita nanalavitra ahy, tamin'ny andro nivilian'Israely, izay nivily nanalavitra ahy, mba hanarahany ny sampiny vetaveta, dia hitondra ny helony.

11 Izy ireo, ao amin'ny fitoerako masina, dia ho mpanompo miandry ny varavaran'ny trano, sy manao ny fanompoana ao amin'ny trano; izy ireo no hamono ho an'ny vahoaka ny zavatra hatao sorona dorana, na sorona hafa, ary hijanona eo anatrehan'ny vahoaka hanompo azy. 12 Noho izy ireo nanompo azy teo anoloan'ny sampiny vetaveta, sy nandatsaka ny taranak'Israely tamin'ny heloka, noho izany, dia efa nanangan-tànana hamely azy aho, - teny marin'ny Tompo Iaveh, - nianiana fa hitondra ny helony izy. 13 Tsy hanatona ahy hanao ny raharahan'ny fisoronana izy ireo na hanakaiky ny zavatro masina rehetra, eo amin'ny fitoerana masina indrindra, fa hivesatra ny fahafaham-barakany aman-tsazin'ny fahavetavetana nataony. 14 Hataoko miandraikitra ny fanompoana momba ny trano, rahefa mety ho raharaha fanao ao, sy izay rehetra tokony hatao ao. 15 Fa ireo levita mpisorona, taranak'i Sadaoka kosa, izay nitandrina ny fandaharana momba ny fitoerako masina tamin'ny nivilian'ny zanak'Israely nanalavitra ahy, dia izy ireo no hanatona ahy hanao ny fanompoana amiko, sy hitsangana eo anatrehako, hanatitra ny sabora sy ny ra, - teny marin'ny Tompo Iaveh.

16 Izy ireo no hiditra ao amin'ny fitoerako masina; izy ireo no hanatona ny latabatro hanao ny fanompoana amiko ary hitandrina ny fitsipiko izy. 17 Rahefa miditra ny alo-baravaran'ny kianja anatiny izy ireo, dia hiakanjo rongony fotsy; tsy hisy volon'ondry eny aminy, rahefa manao ny fanompoana eo amin'ny alo-baravaran'ny kianja anatiny sy ao anatiny izy.

18 Satroka rongony fotsy no ho eo an-dohany, kalisaonina rongony fotsy no ho eo am-balahany, ary tsy hihetra zava-mahatsemboka azy izy. 19 Rahefa mivoaka ho any amin'ny kianja ivelany kosa izy, ho eo amin'ny kianja ivelany manatona ny vahoaka, dia hesoriny ny fitafiana nentiny nanao ny fanompoana ka havelany ao amin'ny efitranon'ny fitoerana masina; ary fitafiana hafa no hanaovany, fa tsy hanamasina ny vahoaka amin'ny fitafiany izy. 20 Ny lohany tsy hoharatany, ary tsy havelany haniry ny volony ho lava fa hihety volon-doha izy. 21 Rahefa mety ho mpisorona tsy hisy hisotro divay, raha hiditra ao amin'ny kianja anatiny. 22 Tsy hanambady vehivavy efa maty vady na voasaotra; fa izay virijiny, iray razana amin'ny taranak'Israely ihany; hahazo manambady vehivavy mpitondra-tena novinadin'ny mpisorona efa maty. 23 Izy ireo no hampianatra ny vahoakako hahay hanavaka ny masina sy ny tsy masina; izy ireo no hampianatra azy hahay hanavaka ny maloto sy ny madio; 24 izy ireo no hipetraka hitsara, raha misy fifandirana; ka araka ny rariny navoakako no hitsarany. Hitandrina ny lalàna amam-pandaharako amin'ny fetiko rehetra sy hankamasina ny sabatako. 25 Tsy hisy hiditra am-paty handoto ny tenany izy ireo; hany azony handotoan-tena dia noho ny rainy, ny reniny, ny zanany lahy, ny zanany vavy, ny rahalahiny, ny anabaviny tsy manam-bady. 26 Ary rahefa vita fandiovan-tena izy dia hanisana andro fito; 27 ary amin'ny andro hidirany ao amin'ny fitoerana masina ao amin'ny kianja anatiny mba hanao ny fanompoana ao amin'ny fitoerana masina, dia hanatitra ny sorony noho ny ota izy; - teny marin'ny Tompo Iaveh. 28 Izao no lova ho azy ireo: Izaho no ho lovany; tsy homenareo zara-tany eo amin'Israely izy; fa izaho no ho anjarany.

29 Ny hiveloman'izy ireo dia ny fanatitra, ny sorona noho ny ota, ary ny sorona noho ny fahadisoana; ary izay rehetra hatao anatema amin'Israely, dia ho azy ireo avokoa. 30 Ny santatry ny voaloham-bokatra rehetra isan-karazany, mbamin'ny fanatitra rehetra isan-karazany haterinareo, dia ho an'ny mpisorona; omeo ny mpisorona koa ny santatry ny fitotoam-barinareo, mba hitoeran'ny tsodrano ao amin'ny tranonareo. 31 Ny biby maty na voaviravira rehetra, na vorona na biby, dia tsy hohanin'ny mpisorona.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0525