Bokin'i Ezekiela

Toko faha-47

1 Nentiny niverina ho eo amin'ny varavaran'ny trano indray aho. Ary indro nisy rano nivoaka avy ao ambanin'ny tokonan'ny trano, amin'ny lafiny atsinanana, fa nitodika niatsinanana ny anoloan'ny trano; ka nidina ny rano avy ao ambanin'ny lafitrano ankavanana tao atsimon'ny otely.

2 Nentiny nivoaka tamin'ny alo-baravarana avaratra aho, dia nasainy nanodidina eo ivelany aho mandra-pahatonga eo amin'ny alo-baravarana ivelany mitodika miatsinanana; ka indro ny rano nandeha tamin'ny lafiny ankavanana. 3 Nony tafavoaka niatsinanana ralehilahy nitondra kofehy teny an-tànany, dia nandrefy arivo hakiho izy, ary nentiny nita ny rano aho, ka havalahana ny rano. 4 Nandrefy arivo hakiho indray izy, dia nentiny nita ny rano aho, ka halohalika ny rano. Nandrefy arivo hakiho indray izy dia nasainy hita ny rano aho, ka havalahana ny rano. 5 Nandrefy arivo hakiho indray, ka efa ony maria tsy azoko nitàna intsony, fa nihalalina ny rano; efa rano itàna milomano, ony maria tsy azo itàna amin'izao. 6 Ary hoy izy tamiko: Ry zanak'olona, nahita va hianao? Dia nentiny niverina ho eo amoron'ny ony maria aho. 7 Nony nitodika aho dia nahita hazo be dia be teo amoron'ny ony maria eo an-daniny roa. 8 Hoy izy tamiko: Ity rano ity dia mandeha mankany amin'ny faritany atsinanana; hidina ho any amin'ny tany lemaka vao hiditra ho ao amin'ny ranomasina; hoentina mankany amin'ny ranomasina izy, dia ho tonga mahasalama ny rano.

9 Ny zava-manan'aina mihetsiketsika any amin'izay halehan'ny ony roa na aiza na aiza, ho velona avokoa, ka ho be dia be ny hazandrano; satria raha vao tonga any ity rano ity dia ho tonga mahasalama ny ranomasina, ary hahavelona avokoa izay halehan'ny ony maria.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1157