Bokin'i Ezekiela

Toko faha-48

1 Izao no anaran'ny foko: Hatramin'ny tendrony avaratra manaraka ny làlan'i Hethalona ho any Hamata, Hatzera-Enona, ny sisin-tanin'i Damasa mianavaratra, manaraka ny lavan'i Hamata, izao avy no ho an'ny isam-poko: hatramin'ny faritra atsinanana ka hatramin'ny faritra andrefana: anjara iray ho an'i Dana.

2 Manolotra ny sisin-tanin'i Dana hatramin'ny faritra atsinanana ka hatramin'ny faritra andrefana; anjara iray ho an'i Asera. 3 Manolotra ny sisin-tanin'i Asera, hatramin'ny faritra atsinanana ka hatramin'ny faritra andrefana: anjara iray ho an'ny Neftalì. 4 Manolotra ny sisin-tanin'i Neftalì, hatramin'ny faritra atsinanana ka hatramin'ny faritra andrefana: anjara iray, ho an'i Manase. 5 Manolotra ny sisin-tanin'i Manase, hatramin'ny faritra atsinanana ka hatramin'ny faritra andrefana: anjara iray ho an'i Efraima. 6 Manolotra ny sisin-tanin'i Efraima, hatramin'ny faritra atsinanana ka hatramin'ny faritra andrefana: anjara iray ho an-dRobena. 7 Manolotra ny sisin-tanin-dRobena, hatramin'ny faritra atsinanana ka hatramin'ny faritra andrefana: anjara iray ho an'i Jodà. 8 Manolotra ny sisin-tanin'i Jodà, hatramin'ny faritra atsinanana ka hatramin'ny faritra andrefana, no ho ilay anjara hatokanareo, dimy arivo sy roa alina ny sakany, ary mifanerana amin'ny anjara iray ny lavany, dia hatramin'ny faritra atsinanana ka hatramin'ny faritra andrefana: eo afovoany no hatao ny fitoerana masina.

9 Ny anjara hatokanareo ho an'ny Tompo dia ho dimy arivo sy roa alina hakiho ny lavany, iray alina hakiho ny sakany. 10 Izany anjara masina hatokanareo izany no ho an'ny mpisorona, dia ho dimy arivo sy roa alina hakiho, ao avaratra, iray alina hakiho ny sakany ao andrefana, iray alina hakiho ny sakany ao atsinanana, ary dimy arivo sy roa alina hakiho ny lavany ao atsimo; ho ao afovoany ny fitoerana masin'ny Tompo. 11 Ho an'ny mpisorona voahasina, taranak'i Sadaoka, izay nanefa ny fanompoana ahy, fa tsy mba nivily tamin'ny fotoana nivilian'ny zanak'Israely, tahaka ny nivilian'ny levita. 12 Ho anjarany voatokana amin'ny tany izany anjara masina indrindra eo amin'ny sisin-tanin'ny levita. 13 Ny levita no hanana ny manolotra ny tanin'ny mpisorona ka ho dimy arivo sy roa alina hakiho ny lavany, iray alina ny sakany; fa samy ho dimy arivo sy roa alina hakiho avokoa ny lavany, ary iray alina ny sakany.

14 Tsy misy azony hamidy na hatakalo izany; ny voaloham-bokatry ny tany koa tsy ho azo hamidy; fa masina ho an'ny Tompo izany. 15 Ny dimy arivo sakany, navela mifanolotra amin'ny dimy arivo sy roa alina, dia ho tany tsy masina, homba ny tanàna, dia ho an'ny tanàna honenana sy ho an'ny tany malalaka manodidina akaikin'ny tanàna, ka dia ho eo afovoany, ny tanàna.

16 Izao no ho habeny: diman-jato sy efatra arivo hakiho ny lafiny avaratra; diman-jato sy efatra arivo ny lafiny atsimo; diman-jato sy efatra arivo ny lafiny atsinanana; diman-jato sy efatra arivo ny lafiny andrefana. 17 Dia hisy tany manodidina ny tanàna, dia ho dimampolo sy roan-jato hakiho ny avaratra, dimampolo sy roan-jato ny atsimo, dimampolo sy roan-jato ny atsinanana, ary dimampolo sy roan-jato ny andrefana. 18 Manaraka ny lavan'ny anjara masina, hamelana iray alina hakiho ny atsinanana, ary iray alona koa ny andrefana, manaraka ny lavan'ny anjara masina; hatao sakafon'ny mpiasa ao an-tanàna ny vokany. 19 Ny mpiasa ao an-tanàna, alaina amin'ny fokon'Israely rehetra, no hiasa izany tany izany. 20 Koa dia dimy arivo sy roa alina hakiho amin'ny ilan'ny tany rehetra voatokana, ary dimy arivo sy roa alina amin'ny ilany iray hafa, ny hatokanareo ho tany momba ny tanàna, dia ampahefatry ny anjara masina izany. 21 Ho an'ny mpanapaka ny sisa: eo an-danin'ny anjara masina sy ny tany momba ny tanàna ary hatramin'ny dimy arivo sy roa alina amin'ny anjara voatokana, ka hatramin'ny sisin-tany atsinanana, ary any amin'ny andrefana, hatramin'ny dimy arivo sy roa alina, ka hatramin'ny sisin-tany andrefana, mifanandrify amin'ny tany efa voazara; izany no ho anjaran'ny mpanapaka; ary anjara masin'ny trano no ho eo afovoany.

22 Izany hoe: hatramin'ny tanin'ny levita sy ny tany momba ny tanàna, izay eo afovoan'ny anjaran'ny mpanapaka, dia an'ny mpanapaka avokoa, ny eo anelanelan'ny sisin-tanin'i Jodà sy ny sisin-tanin'i Benjamina. 23 Ny an'ny foko sisa kosa: hatramin'ny faritra atsinanana ka hatramin'ny faritra andrefana: anjara iray ho an'i Benjamina.

24 Manolotra ny sisin-tanin'i Benjamina, hatramin'ny faritra atsinanana ka hatramin'ny faritra andrefana: anjara iray ho an'i Simeona. 25 Manolotra ny sisin-tanin'i Simeona, hatramin'ny faritra atsinanana ka hatramin'ny faritra andrefana, anjara iray ho an'Isakara. 26 Manolotra ny sisin-tanin'Isakara, hatramin'ny faritra atsinanana ka hatramin'ny faritra andrefana, anjara iray ho an'i Zabolona. 27 Manolotra ny sisin-tanin'i Zabolona, hatramin'ny faritra atsinanana ka hatramin'ny faritra andrefana: anjara iray ho an'i Gada. 28 Ny sisin-tany, amin'ny lafin'ny Negeba manolotra ny sisin-tanin'i Gada, dia hatrany Thamara no mankany amin'ny ranon'i Meribà any Kadesa, sy ny lohasahan-driaka mivarina amin'ny ranomasina lehibe, no ho faritry ny tany. 29 Izany no tany hozarainareo amin'ny filokana hanananareo azy araka ny fokon'Israely; ary izany avy no ho anjarany, - teny marin'ny Tompo Iaveh.

30 Izao avy no fivoahana avy eo an-tanàna: amin'ny lafiny avaratra, diman-jato sy efatra arivo hakiho no ho refiny, -

31 haka anarana amin'ny fokon'Israely ny vavahady, - hisy vavahady telo: vavahadin-dRobena, iray; vavahadin'i Jodà, iray; vavahadin'i Levì iray. 32 Amin'ny lafiny atsinanana, diman-jato sy efatra arivo hakiho, hisy vavahady telo: vavahadin'i Josefa, iray; vavahadin'i Benjamina, iray; vavahadin'i Dana, iray. 33 Amin'ny lafiny atsimo, diman-jato sy efatra arivo hakiho ny refiny, hisy vavahady telo: vavahadin'i Simeona, iray; vavahadin'Isakara, iray; vavahadin'i Zabolona, iray. 34 Amin'ny lafiny andrefana diman-jato sy efatra arivo hakiho, hisy vavahady telo: vavahadin'i Daga, iray; vavahadin'i Asera, iray; vavahadin'i Neftalì, iray. 35 Valo arivo sy iray alina hakiho ny manodidina azy. Ary ny anaran'ny tanàna hatramin'izay dia hatao hoe: Iaveh no ao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0365