Bokin'i Ezekiela
Ezekiela toko 5
Ny loza hanjo an'i Jerosalema.
1Ary hianao, ry zanak'olona, makà lelan-java-maranitra, raiso izy ho harezan'ny mpanala volombava, dia ento mitety ny lohanao sy saokanao izy; rahefa izany, makà mizàna fandanjana, ka zarao izay voatapakao. 2Ny ampahatelony, dory amin'ny afo, eo afovoan'ny tanàna, rahefa tapitra ny andron'ny fahirano; ny ampahatelony, alao ka asio ny sabatra manodidina ny tanàna; ny ampahatelony aelezo ho amin'ny rivotra, fa hanatsoaka sabatra avy ao aoriany aho. 3Ary hakao vitsivitsy izy, fonosy amin'ny sisin-dambanao; 4ka io sisa io indray, analao, ka hatsipinao ao anaty afo, ka hodoranao amin'ny afo. Avy eo no hivoahan'ny afo ho amin'ny taranak'Israely rehetra.
5Izao no lazain'ny Tompo, Tompo: Iny ilay Jerosalema nataoko eo afovoan'ny firenena, ary faritany malalaka no manodidina azy. 6Noho ny haratsiany anefa, nanohitra ny didiko mihoatra noho ny firenena izy, sy ny lalàko mihoatra noho ny tany manodidina azy; satria nanary ny didiko izy, ary tsy nandeha araka ny lalàko. 7Koa izao no lazain'ny Tompo Tompo: Satria hianareo niodina mihoatra noho ny firenena manodidina anareo, tsy nandeha araka ny lalàko, tsy nanaraka ny didiko, ary tsy nanao araka ny fomba fanaon'ireo firenena manodidina anareo; 8noho izany, izao no lazain'ny Tompo Tompo: Indro kosa aho izao tamy hamely anao, izaho no hanatanteraka eo afovoanao ny teny voatapaka eo imason'ireo firenena; 9ary noho ny fahavetavetanao rehetra, dia zavatra tsy mbola nataoko, sady tsy hataoko intsony koa, no hataoko aminao; 10noho izany, dia hisy ray hihinana ny zanany eo aminao; ary hisy zanaka hihinana ny rainy. Hampihatra fitsarana aminao aho, ary haeliko any amin'ny vazan-tany rehetra, izay sisa eo aminao.
11Koa amin'izany, velona aho - teny marin'ny Tompo Tompo; - noho hianao nandoto ny fitoerako masina tamin'ny zava-mahamenatra amam-pahavetavetana rehetra nataonao; izaho koa hanorotoro, ka tsy hanana antra ny masoko, ary tsy hamindra fo aho. 12Ny ampahatelon'ny zanakao, ho fatin'ny pesta na ho levon'ny mosary eo aminao; ny ampahatelony, ho lavon'ny sabatra eny manodidina anao rehetra eny; ary ny ampahatelony haeliko any amin'ny vazan-tany rehetra; sady hanatsoahako sabatra avy ato aoriana. 13Dia hiala fo ny fahatezerako, ary haraniko mamely azy ireo ny fahavinirako, dia ho afa-po aho, ary izy kosa hahalala, rahefa nampanaraniko mamely azy ireo ny fahatezerako, fa tamin'ny fahasarota-piaroko no efa nitenenako izaho Iaveh. 14Hatolotro halàm-baraka sy hampahorina any amin'ny firenena manodidina anao hianao, eo imason'ny mpandalo rehetra. 15Rahefa avy izay hanatanterahako fitsarana aminao amim-pahatezerana amam-pahavinirana, sy amim-pamaizan'ny fahavinirako, hianao dia ho latsa sy henatra ary ho fananarana amam-pampitahorana ho an'ny firenena manodidina anao; 16- Izaho Iaveh no milaza - rahefa alefako amin'izy ireo ny zana-tsipìka mandozan'ny mosary, izay entim-mandringana, ka halefako aminareo handringana anareo; fa hampitomboiko koa ny mosary eo aminareo, ary hotapahako ny tehana mofo ho anareo. 17Ary handefa mosary sy biby mandoza eo aminareo aho, izay hanesotra aminao ny zanako; hihatra aminao ny pesta amam-pandatsahan-dra, ary hataoko mifantaka aminao ny sabatra; izaho Iaveh no miteny. >