Bokin'i Ezekiela

Toko faha-8

1 Tamin'ny taona fahenina, andro fahadimin'ny volana, volana fahenina, raha ilay nipetraka tao an-tranoko iny aho, ary nipetraka teo anatrehako ny loholon'i Jodà, dia nilatsaka tamiko ny tànan'ny Tompo Tompo.

2 Ary nahita aho, ka indro, nisy endrika nitarehin'afo; ka ny hatramin'izay niseho ho valahany no ho midina, dia afo; ary ny hatramin'ny valahany no ho miakatra, dia mitarehin-java-mazava hoatra ny metaly, no fijery azy. 3 Nisy tarehan-tànana natsotrany, dia noraisiny tamin'ny volon-dohako miolikolika aho, ka naingain'ny Fanahy ho eny anelanelan'ny tany aman-dranitra, sy nentiny, tamin'ny fahitana avy amin'Andriamanitra, ho any Jerosalema, teo anoloan'ny vavahady anatiny, ilay nitodika mianavaratra, misy ny sampin'ny fialonana, mamelona fialonana. 4 Ary indro teo ny voninahitr'Andriamanitr'Israely; ary ny fijery azy dia tahaka ilay nahitako azy, tany amin'ny lohasaha. 5 Hoy izy tamiko: Ry zanak'olona, atopazo mianavaratra ny masonao. Dia natopiko mianavaratra ny masoko, ka indro, teo avaratry ny vavahadin'ny otely, eo amin'ny fidirana, nisy ilay sampin'ny fialonana io.

6 Ary hoy izy tamiko: Ry zanak'olona, hitanao va ny ataon'izy ireo, dia izato fahavetavetana lehibe ataon'ny taranak'Israely eto, mba hanalavirako ny fitoerako masina? Mbola hahita fahavetavetana lehibe hafa koa hianao. 7 Dia nentiny ho eo am-bavahadin'ny kianja aho, ka nahatazana aho: ary indro nisy loaka anankiray teo amin'ny rindrina.

8 Ary hoy izy tamiko: Ry zanak'olona, gorobahy ny rindrina. Dia nogorobahako ny rindrina, ka indro nisy varavarana teo. 9 Ary hoy izy tamiko: Avia, jereo ireto fahavetavetana mahatsiravina ataony eto. 10 Dia niditra aho, ka nahita, ary indro, voasoratra teo amin'ny rindrina manodidina avokoa, ny sarin'ny biby mandady amam-biby maloto isan-karazany, mbamin'ny fahavetavetan'ny taranak'Israely rehetra. 11 Ary nisy fitopolo lahy, amin'ny loholon'ny taranak'Israely, ka anisan'ireo Jezoniasa, zanak'i Safana, ary nitsangana teo anoloan'izany sary izany ireo; samy nanana ny fanembohany teny an-tànany avy, ka nisondrotra avy eo ny hanitry ny emboka nijofo. 12 Dia hoy izy tamiko: Hitanao va, ry zanak'olona, ity ataon'ny loholon'ny taranak'Israely ao amin'ny maizina, samy anatin'ny efitranony feno sary avy? Fa hoy izy ireo: Tsy mahita antsika Iaveh; efa nandao ny tany Iaveh. 13 Ary hoy koa izy tamiko: Mbola ho hitanao ny fahavetavetana lehibe hafa, ataon'izy ireo. 14 Dia nentiny aho, ho eo anoloan'ny vavahady, mitodika mianavaratra, amin'ny tranon'ny Tompo, ka indreo, ny vehivavy nipetraka teo, mitomany an'i Tammoza.

15 Ary hoy izy tamiko: Efa hitanao va, ry zanak'olona? Mbola hahita fahavetavetana hafa lehibe noho izany hianao. 16 Tamin'izay, nentiny aho, ho ao amin'ny kianja anatiny amin'ny tranon'ny Tompo, ary indro fa teo amin'ny fidirana ho ao amin'ny tranon'ny Tompo ao anelanelan'ny alo-baravarana sy ny otely, nisy lehilahy sahabo ho dimy amby roapolo, niamboho ny tempolin'ny Tompo, nitodika niantsinanana teo anoloan'ny masoandro.

17 Ka hoy izy tamiko: Efa hitanao va, ry zanak'olona? Mbola tsy ampy ihany va ho an'ny taranak'i Jodà ny manao izao fahavetavetana ataony eto izao, no mbola fenoiny fampahoriana koa ny tany; ka hiverenany hatao lalandava izay hampahatezitra ahy? Indro izy ireo manainga ny rantsan-kazo ho eo amin'ny orony. 18 Ary izaho koa hamely an-katezerana; tsy hiantra ny masoko; tsy hamindra foa aho; hitaraina mafy eo an-tsofiko izy ireo, kanefa tsy hohenoiko akory.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0379