Bokin'i Ezekiela

Toko faha-9

1 Dia niantso mafy teo an-tsofiko izy nanao hoe: Manatòna hianareo, mpiambina ny tanàna; samia mitondra ny enti-mandrava eny an-tànany avy.

2 Ka indreo, avy tamin'ny làlan'ny vavahady ambony mitodika mianavaratra, nisy lehilahy enina, samy nitondra teo an-tànany ny zavatra enti-mamely; ary nisy lehilahy anankiray teo afovoan'izy ireo, nitafy rongony fotsy madinika, sy nitondra fombam-panoratan'ny mpanoratra, teo amin'ny fehinkibony. Niditra izy ireo, dia nitsangana teo anilan'ny otely varahana. 3 Ary ny voninahitry ny Andriamanitr'Israely, niakatra avy teo ambonin'ny Kerobima izay nitoerany, nankeo an-tokonam-baravaran'ny trano. Ary Iaveh niantso an'ilay lehilahy nitafy rongony fotsy madinika sy nitondra fombam-panoratana teo amin'ny fehinkibony,

4 ka hoy Iaveh taminy hoe: Mandehana mamaky ny tanàna, mamaky an'i Jerosalema, ka asio marika Thau ny handrin'ny olona misento sy mitaraina, noho ny fahavetavetana rehetra atao ao. 5 Dia hoy koa izy tamin'iretsy sasany, teo an-tsofiko: Mandehana manaraka azy, mamaky ny tanàna, hianareo, ka mameleza, aza miantra ny masonareo, aza mamindra fo hianareo. 6 Na antidahy na zazalahy, na zazavavy, na zaza, na vehivavy: vonoy mandra-paharingany avokoa; fa izay misy ny Thau ao aminy kosa, aza hatoninareo. Ary eo amin'ny fitoerako masina, manomboka. Dia manomboka tamin'ny antidahy teo anoloan'ny trano izy ireo. 7 Ary hoy izy taminy: Lotoy ny trano; fenoy faty ny kianja. Mivoaha hianareo! Dia nivoaka namely tao an-tanàna izy ireo. 8 Nony namely izy ireo, ka izaho irery no sisa teo, dia niankohoka aho, sady nitaraina hoe: Indrisy! Iaveh Tompo ô! dia haringanao avokoa va ny sisa amin'Israely, amin'izao ampidinanao ny hatezeranao amin'i Jerosalema izao? 9 Ary hoy izy tamiko: Lehibe dia lehibe indrindra ny heloky ny taranak'Israely sy Jodà. Feno ran'olona ny tany, feno tsy fahamarinana ny tanàna; fa hoy izy ireo: Afoin'ny Tompo ny tany; tsy mahita na inona na inona Iaveh. 10 Izaho koa, dia tsy hiantra ny masoko; ary tsy hamindra fo aho; hatsingeriko amin'ny lohany, izay nataony. 11 Dia indro tamy ilay lehilahy mitafy rongony fotsy madinika nitondra fombam-panoratana teo amin'ny fehinkibony, nilaza ny nataony, nanao hoe: Vitako izay nandidinao ahy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1035