Bokin'ny Fahendrena

Toko faha-11

1 Ny tànan'ny mpaminany masina anankiray no nanambinan'ny fahendrena ny asany.

2 Nomba làlana mamaky efitra tsy misy mponina izy ireo, ary nanangan-day tamin'ny tany tsy misy làlana.

3 Voatohitr'izy ireo ny fahavalony, ary novaliany faty ny rafilahiny.

4 Nangetaheta izy ka niantso anao, dia nomena rano avy amin'ny haram-bato mideza, sy fanalana hetaheta avy amin'ny vato.

5 Ny nahazo an'ireo fahavalony ho famaizana azy, nanjary fitahiana ho azy ireo tamin'ny fahoriany kosa.

6 Satria tamin'ilay voaloton'ny ra maloto iny ny ranon'ilay ony tsy mety ritra,

7 ho sazin'ilay didy nampamono ny zaza, dia rano an-kabetsahana kosa no nomenao ny olonao, nefa zavatra tsy azo nampoizina velively akory izany.

8 Ka nasehonao azy tamin'ny hetaheta nahazo azy ireo tamin'izany ny hamafin'ny famaizana amelezanao ny mpanohitra anao.

9 Taorian'izany fijaliana izany, na dia voasazy tamim-pamindram-po ihany aza izy dia nahalala ny hamafin'ny fampijaliana ahatra amin'ny tsy mpivavaka, tsaraina amin-katezerana.

10 Ny sasany nofaizinao, toy ny fananatry ny ray, ny sasany kosa nasianao, toy ny fanameloky ny mpanjaka sarotiny.

11 Niharam-pijaliana avokoa, na ny tao na ny tsy tao.

12 Alahelo roa sosona no nahazo azy ireo, ary nisento izy nahatsiaro ny zava-nitranga.

13 Satria nony reny fa ny fampijaliana midona aminy, nody soa ho an'ny mpandositra, dia fantany fa ao ny tànan'ny Tompo.

14 Fa ilay natonony fahizay sy nariany tamim-paniratsirana, dia nigagany, tamin'ny faran'ny zava-nitranga, nony voan'ny hetaheta hafa lavitra noho ny an'ny marina izy ireo.

15 Mba ho valin'ny hevitra adala, vokatry ny haratsian'izy ireo, izay nampirebireby azy sy nitarika azy hivavaka amim-biby mandady tsy manan-tsaina sy amin'ny biby ratsy foana, dia nandefasanao biby ketrina maro be izy ireo, ho famaizana azy;

16 mba hampahafantatra azy fa izay nanotan'ny olona no enti-mamay azy koa.

17 Tsy sarotra amin'ny tànanao mahefa ny zavatra rehetra, izay nahary izao tontolo izao tamin'ny zavatra tsy nisy endrika, ny maniraka orsa na liona maro be hamely azy ireo,

18 na biby vao noharìna, romotra sy tsy fantatra, miaina amim-pofona mirehitra, mandefa fofon'aina setroka maimbo, na mandefa tselatra mahatahotra, amin'ny masony,

19 afa-mamono mahafaty tsy amin'ny famelezana maharatra ihany, fa amin'ny fijerena azy fotsiny koa mampahatsiravina ambony ihany.

20 Ary na tsy izany aza, nety maty tamin'ny fofona fotsiny izy ireny, henjehin'ny fahamarinana, ka foanan'ny fofon'ain'ny herinao. Fa nalaminao an-danjany ny zavatra rehetra, ka miditra an'isany sy an-tsipiriany avokoa.

21 Fa tohanan'ny fahefana ambony indrindra mandrakariva ny didinao, ka zovy no hahatohitra ny herin'ny sandrinao?

22 Zava-madinika indrindra manindry mizàna, izao tontolo izao eo anoloanao, ando maraina indray mitete latsaka amin'ny tany.

23 Noho hianao mahefa ny zavatra rehetra anefa, no iantranao azy rehetra, sy tsy ijerenao ny fahotan'ny olombelona mba hibebahany.

24 Satria tianao avokoa ny zava-boahary, ary tsy misy halanao izay nataonao; fa raha misy iray halanao, tsy ho nataonao akory.

25 Ary zavatra inona moa no afa-ko misy raha tsy sitrakao, na haharetany raha tsy nampisinao?

26 Mamela azy rehetra anefa hianao, satria anao ny zavatra rehetra, ry Tompo tia ny fanahin'ny olona.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1019