Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Bokin'ny Fahendrena

Fahendrena toko 13
Ny niandohan'ny fanompoan-tsampy: Fivavahana amin'ny zavatra vita-Nanahary - Fivavahana amin'ny sary na sampy - Vokatra sy sazin'ny fanompoan-tsampy.

       1Tena toetra adala ny an'ny olona rehetra tsy nahalala an'Andriamanitra,
ka ny soa hita maso tsy nahaizany hahalala an'Ilay misy ho azy,
ary ny fandinihana ny asa nataony tsy nahaizany hahafantatra an'ilay mpanao azy.
       2Fa ny afo, ny rivotra, ny aera mihetsiketsika, ny fanilon'ny lanitra,
ny faribolan'ny kintana, ny rano mirimorimo,
no nataony ho Andriamanitra mitondra izao rehetra izao.
       3Raha renoky ny hatsaran-tarehin'ireo izy ka nanao ny zava-boahary ho Andriamanitra
dia aoka ho fantany fa mihoatra lavitra noho ireny ny Tompo,
fa ny Mpamorona ny hatsaran-tarehy no nanao an'ireny.
       4Ary raha ny hery sy ny vokatra avy aminy no igagany,
aoka ho fantany amin'izany ny halehiben'ny fahefan'izay nanao an'ireny.
       5Satria ny fahamboniana sy ny fahatsaran-tarehin'ny zava-boahary,
dia mampahafantatra Ilay Mpahary azy noho ny fifanahafan'izy roa tonta.
       6Nahazo tsiny kely anefa izy ireo,
satria naniasia ihany angamba izy,
tamin'ny fitadiavana an'Andriamanitra amam-paniriany hahita azy.
       7Mandinika ny asany izy ireo, ka izany no fototry ny fikarokarohany,
ary matoky foana ny fisehoan-javatra fa aoka izany ny hatsaran-tarehin'izay hitany.
       8Amin'izany anefa tsy afa-tsiny kosa izy ireo,
       9satria, raha nahazo fahalalana ampy izy,
mba hahalalany an'izao tontolo izao,
dia ahoana kosa no tsy nahalalany moramora kokoa ny Tompo?
       10Mahantra loatra anefa izy,
fa zava-tsy manan'aina no nanankinany ny fanantenany,
izy izay miantso ny asan-tanan'olombelona ho Andriamanitra;
dia ny volamena amam-bolafotsy voatefy amim-pahaizana,
ny sarim-biby na vato izay tsy ahoan-tsy ahoana,
asan-tanana fahataloha.
       11Indro misy mpahay taozavatra mikapa hazo maro atao zavatra;
endahany amim-pahakingana avokoa ny hodiny;
dia amboariny amim-pahaizana,
ary amoronany fanaka mahasoa momba ny fivelomana.
       12Nony vita ny ataony, alainy izay sisa eo,
ka andrahoany hanina, hialany hanoanana.
       13Ary ny ambiny farany, tsy azo atao na inona na inona intsony,
fa vailanina sy tonontononana be ihany,
dia raisiny, kapakapainy ho fanalana andro,
ary noho ny fahaizany miasa dia manisy endrika azy izy,
ka ataony sarin'olona
na omeny endri-biby tsinontsinona.
       14Hosorany loko mena mivaivay izy, lokoiny mena ny ivelany rehetra,
ary saronany loko ny panda rehetra.
       15Rahefa izany dia anomanany fonenana mendrimendrika izany,
apetrany manolotra ny rindrina sy homboany amin'ny vy.
       16Tandremany tsara fandrao miongana,
fa fantany fa tsy mahay mamonjy ny tenany ilay andriamaniny,
satria sary vongana foana mila tohana ihany io.
       17Kanefa mivavaka amin'io izy ny amin'ny momba ny fananany,
na ny fanambadiany, na ny zanany,
ary tsy mahamenatra azy akory izany hoe:
miteny amin'ny zavatra tsy manan'aina.
       18Mangataka fahasalamana amin'izay tsy manan-kery izy;
ary fiainana amin'izay maty,
ary vonjy amin'izay tsy mahefa na inona na inona;
mangataka ho tsara dia, amin'izay tsy afaka manetsika ny tongony.
       19Mba ho azo antoka ny filany tombony, ny raharaha iandraiketany, ny fahavanonan'ny asany;
mangataka tanjaka izy amin'izay osa tanana indrindra. >