Bokin'ny Fahendrena

Toko faha-17

1 Lehibe aman-tsaro-boasana ny fitsaranao; ka mivily ny hevitry ny fanahy tsy nahita fianarana.

2 Nony nitompoan'ny ratsy fanahy ny hevitra hoe: afa-mampahory ny firenena masina, dia voatanan'ny aizina sy voasaron'ny alina lava izy ireo. Ary tafahitsoka tao an-tranony izy ireo, ka niampatra teo, niery ny fitondranao tsy manam-piatoana.

3 Nony nihevitra izy fa ho afa-miery mbamin'ny fahotany miafina, dia tafahahaka tao ambanin'ny sarona mikitroky ny fanadinoana, azon-tahotra mahatsiravina ary nivadi-po tamin'ny matoatoa.

4 Ny fitoerana mangingina nihibohany, tsy naharo azy amin'ny tahotra: nisy feo mampihorin-koditra nikotrokotroka manodidina azy, ary nisy matoatoa niseho taminy tamin'endrika malahelo indrindra.

5 Tsy nisy afo afa-nanome hazavana ary ny lelafo manjopiaky ny kintana tsy afa-nanazava izany alina mahatsiravina izany.

6 Indraindray ihany no nisehoan' ny afo mivongana tamin'afo mirehitra ho azy, nampihorin-koditra; ka nivadi-po izy nahita izany zavatra tsy hita fototra izany, ka vao mainka noheveriny ho mahatsiravina kokoa aza ireo zavatra niseho ireo.

7 Tankina ny fahaiza-mahatsikaikin'ny mpanao fankatoavana, ary vaky terĂ½ ny maha-hosoka foana ny fahendrena nihamboin'izy ireo.

8 Nihambo ho mahay mandroaka ny tahotra aman-korohoro amin'ny fon'ny marary izy ireo; kanjo ny tenany indrindra ity no mararin'ny tahotra mahatsikaiky:

9 satria na tsy nisy zava-mahatahotra tokony hampitahotra azy akory aza, ny fiseran'ny biby, sy ny fisioky ny menarana fotsiny, dia nahatsiravina azy

10 ka efa ho fatin'ny tahotra izy; ary tsy tohany ny mijery izany rivotra tsy azon'iza na iza ialana.

11 Fa sarotahotra ny ratsy; ny tenany no nitsangan-ko vavolombelona hanamelo-tena; teren'ny fieritreretany dia ampitomboiny fihevitra mandrakariva ny loza.

12 Satria ny tahotra tsy inona akory, fa fanariana ny fahazoa-mamonjy tena, mety ho avy amin'ny fisainana.

13 Satria kely ny toky ao anatin'ny fo, dia mainka matahotra mafy ny olona tsy mahalala izay ihavian'ny fahoriany.

14 Izy ireo ary tamin'izany alina tsy anefana na inona na inona, alina nivoaka avy any amin'ny fanambanin'ny seoly tsy mahefa inona, dia samy azon-torimaso ihany,

15 dia mbetika mikofokofoka noho ny matoatoa mampitahotra, mbetika mivarahontsana azon'ny fahareraham-po, fa nirotsaka tampoka taminy sy tsy nampoiziny ny fivadiham-po.

16 Tahaka izany koa ny hafa rehetra na iza na iza dia samy lavo tsy nanan-kery avokoa samy voatana, toa voahiboka an-tranomaizina tsy misy hidiny.

17 Na mpiasa tany, na mpiandry ondry, na mpiasa revo tamin'ny lahasa mafy tany an-tsaha, samy tratry ny loza avokoa, latsaka an-katerena tsy azo nialana; fa samy voahazon'ny gadran'ny aizim-pito daholo.

18 Ny rivotra mifofofofo, ny hiran'ny vorona tsara feo teny amin'ny sampan-kazo mikitroka, ny firohondrohon'ny ranobe mandriana;

19 ny fikotrokotroky ny vato mikodia, ny firodorodon'ny biby tsy hita maso mifalihavanja, ny finaonaonan'ny biby masiaka, ny ako miverimberina tany amin'ny lavaky ny tendrombohitra, samy nahatoran'ny tahotra azy avokoa.

20 Fa izao rehetra izao nohazavain'ny fahazavana mamirapiratra, ka samy nanao ny asany tsy voasebantsembana avokoa.

21 Izy ireo kosa, voasaron'alina mavesatra, tandindon'ny aizim-pito tsy maintsy mandray azy; nefa navesatra taminy noho ny aizim-pito aza ny tenan'izy ireo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1016