Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Bokin'ny Fahendrena

Fahendrena toko 18, 6-9

       <6Nahalala izany alina izany mialoha, ny razanay,
mba hahafantarany izay fampanantenana ninoany,
ka hananany herim-po bebe kokoa.
       7Koa nandrasan'ny vahoakanao,
ny famonjena ny marina,
sy ny fandringanana ireo fahavalony.
       8Toraky ny namelezanao ny fahavalonay
no nanandratanao anay kosa tamin'ny niantsoanao anay ho aminao.
       9Eny tokoa fa ireo tia vavaka zanaky ny olona masina moa nanatitra ny sorony mangingina,
ka niara-nanao fanekena masina hoe:
hiara-misalahy ny masina amin'ny soa sy amin'ny loza hitranga -
nihira sahady ny hira masin'ny razanay. >