Bokin'ny Fahendrena

Toko faha-19

1 Fa fahatezerana tsy misy famindram-po kosa, no nanenjika ny ratsy fanahy, hatramin'ny farany; satria fantatr'Andriamanitra mialoha, izay ho fitondran-tenany,

2 fa rahefa halefany handeha ny marina, sady hododonany sy hangatahany mafy hiala faingana aza, dia hanenenany indray izany, ka ny hanenjika an'ireo no hataony.

3 Ary tokoa fa mbola tsy tapitra akory ny fisaonana, mbola nigogogogo teo amin'ny fasan'ireo maty izy, dia rafitra nanao hevi-pahadalana hafa indray, ka nenjehiny toy ny mpandositra, ireo efa nitalahoany handeha hiala lavitra.

4 Nisy hery tsy azo tohanana nitarika azy ho amin'izany fiafarana izany, ka rariny izany, sady nampanadino azy izay vao nanjo azy mba ho feno lanja ny sazy hefainy, izay mbola tsy ampy tamin'ny fijaliany taloha.

5 Ka ny vahoakanao moa, nita soa aman-tsara tamim-boninahitra, izy ireo kosa nahazo fahafatesana hafahafa.

6 Satria, niova toetra avokoa ny zava-boahary manontolo, nanaraka ny didy manokana nomena azy, mba ho voatahiry tsy ho azon'ny loza na inona na inona ny zanakao.

7 Koa nisy rahona hita nanaloka ny toby tamin'ny alony; niseho teo amin'izay nisy rano taloha, ny tany; nisy làlana malalaka tao amin'ny ranomasina Mena, ary niova ho tanimbolin-java-maitso, ny rano be nisamboaravoara.

8 Nandalo teo izy ireo, firenena iray manontolo, voaaron'ny tànanao, nanatri-maso zava-mahagaga, mahatalanjona, toy ny soavaly eny an-tanim-bilona,

9 toy ny zanak'ondry mifalihavanja, nankalaza anao izy ireo, ry Tompo, hianao Mpanafaka azy ireo.

10 Satria mbola tsaroan'izy ireo ny zavatra nitranga, tamin'izy nitoetra tany an-tany hafa: fa ho solon'ny biby hafa, dia moka no foy navoaky ny tany; ary sahona no foy navoaky ny ony, solon'ny hazandrano.

11 Taty aoriana kosa, fampisiam-borona mahatalanjona indray no hitany, raha ilay nentin-kalianana dia nangata-kanina matsiro iny izy ireo;

12 fa nisy papelika niakatra avy any anilan'ny ranomasina any mba hanafa-diana azy.

13 Ary ny sazy nihatra tamin'ny mpanota, nefa tsy diso fambara mialoha dia ny helatra mafy ery. Niaritra fijaliana tandrifin'ny helony, izy ireny.

14 Fa fankahalana maharikoriko loatra, no nasehony tamin'ny vahiny. Nisy olon-kafa tsy nety nandray olona izay tsy nifankahalala taminy akory; fa izy ireo kosa nampanjary mpanompo ny vahiny izay efa nanisy soa azy.

15 Mainka indray aza, dia azo heverina ho metimety kokoa ny an'irery voalohany satria nataony ho fahavalo no fihevitra an'ireo vahiny noraisiny;

16 fa ireto kosa nandray ny vahoakanao, nanaovany andro fifaliana, ka nasandrany hiray fileovana aminy, fa taty aoriana kosa nataony tototry ny fijaliana mangidy izy ireo.

17 Ka dia namely azy ireo kosa ny fahajambana, toa an-dry zareo nitangorona tamin'ny varavaran'ny marina, nony voasaron'aizina mikitroka izy ireny, ka nikaroka ny fidirana amin'ny varavarana.

18 Fa niova toetra ny zavatra voahary tahaka ny feo amin'ny psalteriona miova ba, nefa maharitra tsy miova faneno. Izany mety ho hita mazava tamin'ny zava-niseho fahizany.

19 Ny biby an-tanety nanjary anaty rano; ary ireo milomano lasa an-tanety.

20 Ny afo tonga nanan-kery tao anatin'ny rano mihoatra noho ny heriny andavanandro, ary ny rano namalona ny toetrany mahafaty afo.

21 Etsy an-daniny kosa, tsy tratry ny lelafo ny nofon' ny biby malemilemy tafaely manodidina azy, ary tsy nampiempoiny ilay hanina avy an-danitra, izay sahala amin'ny fanala mivongana sy mora miempo toa azy.

22 Nankalaza ny vahoakanao, tamin'ny zavatra rehetra, hianao ry Tompo; nomenao voninahitra izy, fa tsy mba notsiratsirainao; ary novonjenao tamin'ny toerana amam-potoana rehetra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1194