Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Bokin'ny Fahendrena

Fahendrena toko 2, 12.17-20.

       <12Koa ifanakano ny marina, satria manahirana antsika izy,
manohitra ny fomba fanaontsika,
maniny antsika amin'ny fandikantsika ny lalàna,
ary manome henatra antsika ho tsy mifanara-toetra amin'izay nampianarana antsika.
       17Aoka hozahantsika raha marina ny filazany,
ary hodinihintsika izay hahazo azy, eo am-pialana amin'ity fiainana ity.
       18Satria raha zanak'Andriamanitra ny marina, dia arovan'Andriamanitra izy,
ary ho afahany amin'ny tànan'ny fahavalony.
       19Ka sedrao amin'ny latsa amam-pijaliana izy hoe:
Hahitana izay fandeferany,
hitsapana izay faharetany!
       20Helohy ho faty amin'ny fahafatesana mahafa-baraka izy,
satria araka ny filazany dia hoahin'Andriamanitra izy. >