Bokin'ny Fahendrena
Fahendrena toko 2, 1a,12-22,
Foto-kevitry ny ratsy fanahy, momba ny anjaran'ny olombelona - Valin'izany foto-keviny izany.
1Tamin'ny faniasiavan'ny sainy no nifampilazan'izy ireo hoe:
Sady fohy no be fahoriana ny andro iainantsika;
ary rahefa tonga ny fara andron'ny olombelona, tsy misy fanafodiny,
sady tsy misy fantatra izay olona mahafaka amin'ny fonenan'ny maty.
12Koa ifanakano ny marina, satria manahirana antsika izy,
manohitra ny fomba fanaontsika,
maniny antsika amin'ny fandikantsika ny lalàna,
ary manome henatra antsika ho tsy mifanara-toetra amin'izay nampianarana antsika.
13Mihambo ho manana ny fahalalana an'Andriamanitra izy,
ary hataony hoe zanak'Andriamanitra ny anarany.
14Faniniana ny hevitsika izy ho antsika
ary tsy zakantsika na ny mahita azy fotsiny aza;
15satria tsy mba tahaka ny an'ny olon-kafa ny toe-piainany
ary ny lalany hafahafa.
16Araka ny heviny isika dia faikan-java-maloto foana,
ny fomba fiainantsika fadìny toy ny loto:
ny anjaran'ny marina, toriny ho tsara miafara;
ary mirehaka ho manana an'Andriamanitra ho rainy izy.
17Aoka hozahantsika raha marina ny filazany,
ary hodinihintsika izay hahazo azy, eo am-pialana amin'ity fiainana ity.
18Satria raha zanak'Andriamanitra ny marina, dia arovan'Andriamanitra izy,
ary ho afahany amin'ny tànan'ny fahavalony.
19Ka sedrao amin'ny latsa amam-pijaliana izy hoe:
Hahitana izay fandeferany,
hitsapana izay faharetany!
20Helohy ho faty amin'ny fahafatesana mahafa-baraka izy,
satria araka ny filazany dia hoahin'Andriamanitra izy.
21Izany no hevitr'izy ireo; diso hevitra anefa izy;
fa jamban'ny haratsiany.
22Tsy mahalala ny hevi-miafin'Andriamanitra izy,
tsy manantena valisoa noho ny fahamasinana;
ary tsy mino fa hisy valisoa ho an'ny fanahy madio. >