Bokin'ny Fahendrena

Toko faha-4

1 Aleo ny momba, manan-katsaram-panahy: fa maharitra mandrakizay ny fahatsiarovana azy, satria fantatr'Andriamanitra sy ny olombelona izy.

2 Raha eo imaso izy, alain'ny olona tahaka; rahefa tsy eo intsony malahelo azy ny olona; voasatro-boninahitra any amin'ny mandrakizay izy, fa nahazo fandresena tamin'ny ady tsy mahaloto.

3 Fa ny taranaka maron'ny ratsy fanahy kosa tsy vanon-ko inona; zazasary no fototra ihaviany, ka tsy ho latsaka lalina ny fakany; ary tsy ho fanorenana mahatoky no hiorenany.

4 Na ho maro sampana maitso vetivety aza izy, noho izy tsy miorina mafy amin'ny tany, dia ho voahozongozon'ny rivotra izy ary ho voaongotry ny ranonoram-baratra mahery.

5 Ny sampany, ho folaka an-dantony; ny voany tsy vanon-ko inona, fa maisatra tsy fihinana, ary tsy azo atao na inona na inona.

6 Satria ny zaza teraka avy amin'ny torimaso maloto dia vavolombelon'ny helo-drainy aman-dreniny raha avy izay hamotorana an'ireo.

7 Ny marina kosa na maty alohan'ny fotoana aza, mahita fitsaharana.

8 Ny fahanterana manan-kaja, tsy dia izay avy amin'ny andro lava iainana, na izay lanjaina araka ny hamaroan'ny taona.

9 Fa ny fahamalinana no solon'ny volo fotsy ho an'ny olombelona; ary ny toe-piainana tsy misy tsiny no taonan'ny fahanterana.

10 Noho izy nahafaly an'Andriamanitra dia tiany, ary raha niara-belona tamin'ny mpanota izy dia voafindra.

11 Nesorina izy, fandrao simban'ny hasomparana ny sainy, na ovan'ny hafetsen-dratsy ny fanahiny.

12 Fa mahatakona ny soa, ny fanangolena avy amin'ny haratsiam-panahy, ary manimba ny saina tsotra ny fandrebireben'ny fitongilanan-dratsy.

13 Anatin'ny andro vitsy no nahatongavany amin'ny fahalavorariana, ka làlan-davitra no afany.

14 Fa nankasitrahan'ny Tompo ny fanahiny, ka izany no nanafainganany ny nanesorany azy teto amin'ny fahamarinana.

15 Mahita izany ny vahoaka ka tsy mahalala izay antony, fa tsy mandatsaka an-tsainy izy ny hoe ny fahasoavana amam-pamindram-pon'Andriamanitra momba ny olom-pinidiny ary miahy ny olo-masiny izy.

16 Ny marina maty anefa manameloka ny ratsy fanahy mbola velona; ary ny fahatongavan'ny tanora faingana amin'ny fahalavorariana manameloka ny olona tsy marina tratra antitra.

17 Hahita ny fiafaran'ny hendry izy ireo, fa tsy ho fantany ny hevitr'Andriamanitra ny aminy, na ny antony nampandrian'ny Tompo fahizay azy.

18 Hahita izy ireo, ka hihomehy, fa mba hihomehezan'ny Tompo kosa izy,

19 ary rahefa izany dia hanjary faty tsy misy hajany izy dia ho anisan'ny maty ho afa-baraka mandrakizay. Ny Tompo hanorotoro azy, ary hataony tsy manan-kalahatra izy, dia havariny; hozongozoniny amin'ny fanorenany, ho ringana avokoa hatramin'ny farany, ho azom-pahoriana izy, ary ho faty ny fahatsiarovana azy.

20 Ho tonga izy amim-pivadiham-po noho ny fieritreretany ny fahotany, ary hitsangana eo anatrehany ny helony hiampanga azy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.048