Bokin'ny Fahendrena
Toko faha-4
7 Ny marina kosa na maty alohan'ny fotoana aza, mahita fitsaharana.8 Ny fahanterana manan-kaja, tsy dia izay avy amin'ny andro lava iainana, na izay lanjaina araka ny hamaroan'ny taona.
9 Fa ny fahamalinana no solon'ny volo fotsy ho an'ny olombelona; ary ny toe-piainana tsy misy tsiny no taonan'ny fahanterana.
10 Noho izy nahafaly an'Andriamanitra dia tiany, ary raha niara-belona tamin'ny mpanota izy dia voafindra.
11 Nesorina izy, fandrao simban'ny hasomparana ny sainy, na ovan'ny hafetsen-dratsy ny fanahiny.
12 Fa mahatakona ny soa, ny fanangolena avy amin'ny haratsiam-panahy, ary manimba ny saina tsotra ny fandrebireben'ny fitongilanan-dratsy.
13 Anatin'ny andro vitsy no nahatongavany amin'ny fahalavorariana, ka làlan-davitra no afany.
14 Fa nankasitrahan'ny Tompo ny fanahiny, ka izany no nanafainganany ny nanesorany azy teto amin'ny fahamarinana.
15 Mahita izany ny vahoaka ka tsy mahalala izay antony, fa tsy mandatsaka an-tsainy izy ny hoe ny fahasoavana amam-pamindram-pon'Andriamanitra momba ny olom-pinidiny ary miahy ny olo-masiny izy.