Bokin'ny Fahendrena

Toko faha-8

1 Ny fahendrena mahatratra amim-pahefana ny fara-vazan-tany hatramin'ny ilany iray ka hatramin'ny ilany iray hafa, ary mandamina ny zavatra rehetra amin-kalemem-panahy.

2 Hatramin'ny fahatanorako aho no efa tia sy nikatsaka azy, nitady hanana azy ho vady, ary raiki-pitia ny hatsaran-tarehiny.

3 Maneho ny voninahitry ny fihaviany izy, amin'ny fiarahany monina amin'Andriamanitra, ary tia azy ny Tompon'ny zavatra rehetra.

4 Satria izy no nampiditra ny olona amin'ny fahalalan'Andriamanitra, sy mifidy eo amin'ny asany.

5 Raha soa faniry amin'ity fiainana ity ny harena, inona no harem-be mihoatra noho ny fahendrena izay mahavita ny zavatra rehetra?

6 Raha ny fahiratan-tsaina no mitarika amin'ny lahasa, iza no mpamorona ny zava-misy rehetra, mihoatra noho ny fahendrena?

7 Tia fahamarinana va ny olona? Ny asan'ny fahendrena no mahavokatra ny hatsaram-panahy, mampianatra ny fahononana, ny fahamalinana izy, ary ny fahamarinana sy ny faherezana, dia izay zava-mahasoa indrindra ny olombelona amin'ity fiainana ity.

8 Maniry fahalalana lasa lavitra va ny olona? Mahalala ny lasa sy mahavinany ny ho avy ny fahendrena, mahatakatra ny oha-teny saro-pantarina sy mahavaofy ny teny mifono, mahafantatra mialoha ny marika amam-pamantarana, mahalala ny zavatra tonga amin'ny fotoany sy amin'ny tonon'androny.

9 Izany no nahatapa-kevitra ahy haka azy ho namana amin'ny fiainako; fa fantatro fa izy dia ho mpanolo-tsaina ahy amin'ny soa rehetra; ary ho fanalana alahelo ahy amin'ny ahiahy amam-pahoriako.

10 Izy no hahazoako voninahitra eo amin'ny fivoriana, sy haja eo amin'ny anti-panahy, na mbola tanora aza aho.

11 Ho fantatry ny olona ny fahiratan-tsaiko amin'ny fitsaran-javatra, ka hitolagaga eo anatrehako ny lehibe.

12 Mangina aho, hiandry ahy hiteny izy ireo; miteny aho, ho any amiko ihany ny mason'izy rehetra; ary lava teny aho, hitampim-bava izy ireo.

13 Izy no hahazoako tsy fetezana ho faty, ary hamelako fahatsiarovana mandrakizay ho an'ny taranaka.

14 Hitondra vahoaka aho, ary hanaiky ahy ny firenen-kafa.

15 Hatahotra ahy ny mpanjaka atahorana, raha vao mandre ny lazako izy ireo; ho malemy fanahy aho, eo amin'ny vahoakako, ary ho mahery fo amin'ny ady.

16 Hiala sasatra eo anilany aho, raha mody ao an-tranoko; fa ny fiarahana aminy tsy mba misy ngidiny, ny mifankahazo aminy tsy mahavokatra fahasorisorenana, fa fifaliana amam-piravoravoana ihany.

17 Nandinidinika izany hevitra izany aho samy irery, ary nieritreritra tao am-poko, fa hoe: tsy fetezana ho faty no vokatry ny firaisana amin'ny fahendrena;

18 fahafinaretana mendrika no avy amin'ny fifankatiavana aminy; harena tsy manam-paharitana no avy amin'ny asan'ny tànany; fahiratan-tsaina no azo amin'ny fifankahazoana tsy tapaka aminy; ary voninahitra no azo amin'ny fiaraha-miresaka aminy: ka dia nandeha nankatsy, nankary, nitady ny hahazoako azy ho namana aho.

19 Fahizany aho mbola zaza tsara toe-tena, sady tsara koa ny fanahy noraisiko ho anjarako;

20 na izao ahay: efa tsara rahateo aho, ka dia tonga tao anaty vatana tsy misy loto.

21 Fantatro anefa fa tsy afaka hahazo fahendrena aho, raha tsy omen'Andriamanitra, - ary efa fahiratan-tsaina sahady ny mahalala izay ihavian'io fanomezana io, - ka dia niteny tamin'ny Tompo aho, sy niantso azy, ary amin'ny foko tokoa, no nilazako taminy hoe:

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1035