Bokin'ny Fahendrena

Toko faha-9

1 Ry Andriamanitry ny razana, Tompon'ny famindram-po ô, izay nanao izao rehetra izao, tamin'ny teninao,

2 ary nanangana ny olombelona noho ny fahendrenao, mba hanjaka amin'ny zava-boahary rehetra nataonao,

3 sy hifehy an'izao tontolo izao araka ny fahamasinana sy ny fahamarinana, ary hampiasa ny fahefana araka ny fahitsiam-po,

4 omeo ahy ny fahendrena izay mitoetra eo anilan'ny seza fiandriananao, ary aza ariana tsy ho anisan'ny zanakao aho.

5 Fa izaho dia mpanomponao ary zanaky ny ankizivavinao, olona osa, fohy andro iainana, ary tsy mahafantapantatra loatra ny fitsarana aman-dalàna.

6 Na ny lavorary indrindra amin'ny zanak'olombelona aza, raha tsy manana ny fahendrena avy aminao dia isaina ho tsinontsinona.

7 Hianao nifidy ahy hanjaka amin'ny vahoakanao, sy hitsara ny zanakao lahy aman-janakao vavy.

8 Sady nandidy ahy hanorina tempoly eo amin'ny tendrombohitrao masina sy otely ao an-tanàna fonenanao, araka ny mariky ny tabernakla masina hatramin'ny voalohany.

9 Eo aminao ny fahendrena izay mahalala ny asanao, izay efa teo, raha nanao izao rehetra izao hianao, ka mahalala izay voasitraka eo imasonao sy izay marina araka ny didinao.

10 Iraho avy any an-danitrao masina izy, iraho avy any amin'ny seza fiandrianan'ny voninahitrao izy, mba homba ahy amin'ny asako, sy hahalalako izay sitrakao.

11 Fa mahalala sy mahafantatra ny zavatra rehetra izy, ka dia hitari-dàlana ahy amim-pahamalinana amin'ny asa ataoko, ary hiaro ahy noho ny voninahiny.

12 Dia hankasitrahanao ny asako; hitondra ny vahoakanao, araka ny rariny aho; ary ho mendrika ny seza fiandrianan'ny raiko.

13 Fa iza moa no olombelona, afaka hahalala izay hevitr'Andriamanitra? na zovy no hahatakatra izay sitra-pon'ny Tompo?

14 Miroahanahana ny hevitry ny olombelona, ary anjoanjo ihany ny eritreritray.

15 Satria vesaran'ny vatana mety lo ny fanahy, ary vizanin'ny fonenany tany ny saina maro hevitra.

16 Zara raha mahavinavina ny eto an-tany izahay; ary tsy maintsy misasatra vao mahita manoloana ny tenanay; koa zovy ary no hahatakatra izay any an-danitra?

17 Zovy no nahalala izay sitra-ponao, raha tsy nomenao ny fahendrena, sy nanirahanao ny Fanahy Masina avy any ambony?

18 Izany no nahahitsy làlana an'izay eto an-tany, ka nahalalan'ny olombelona izay sitrakao, ary namonjena azy ireo tamin'ny fahendrena.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0485