Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Apokalipsa, Na Fanambaràna nosoratan'i Md. Joany

Fanambaràna toko 7
Ny hanafahana amin'ny loza ny mpanompon'Andriamanitra voaisy fitomboka - Ny hasambarany rahefa tonga any an-danitra.

       1Taorian'izany, nahita Anjely efatra aho, nitsangana tamin'ny vazan-tany efatra, nihazona ny rivotra efatra amin'ny tany mba tsy hisy rivotra hitsoka, na amin'ny tany, na amin'ny ranomasina, na amin'ny hazo iray akory.
       2Dia nahita anjely iray hafa koa aho, niakatra avy amin'ny fiposahan'ny masoandro, nitana ny fitombok'Andriamanitra velona, ary niantso mafy an'ireo anjely efatra nasaina hanimba ny tany aman-dranomasina, 3nanao hoe: Aza manimba ny tany na ny ranomasina na ny hazo, mandra-panisinay fitomboka eo amin'ny handrin'ny mpanompon'Andriamanitsika. 4Ary reko ny isan'izay voaisy fitomboka tamin'ny fokon'Israely rehetra, ka efatra arivo sy efatra alina sy iray hetsy izy: 5dia roa arivo sy iray alina voaisy fitomboka avy amin'ny fokon'i Robena; roa arivo sy iray alina avy amin'ny fokon'i Gada; 6roa arivo sy iray alina avy amin'ny fokon'i Asera; roa arivo sy iray alina avy amin'ny fokon'i Neftalì; roa arivo sy iray alina avy amin'ny fokon'i Manase; 7roa arivo sy iray alina avy amin'ny fokon'i Simeona; roa arivo sy iray alina avy amin'ny fokon'i Levì; roa arivo sy iray alina avy amin'ny fokon'Isakara; 8roa arivo sy iray alina avy amin'ny fokon'i Zabolona; roa arivo sy iray alina avy amin'ny fokon'i Josefa, ary roa arivo sy iray alina avy amin'ny fokon'i Benjamina no voaisy fitomboka.
       9Nanaraka izany, dia nahita vahoaka be tsy azon'olona isaina aho, avy amin'ny firenena rehetra, sy ny fokom-pirenena ary ny fanjakana mbamin'ny samihafa fiteny rehetra, nitsangana teo anoloan'ny seza fiandrianana sy ny Zanak'ondry, miakanjo fotsy sy mitana sampan-drofia. 10Niantso tamin'ny feo mahery izy ireo nanao hoe: An'Andriamanitra izay mipetraka eo amin'ny seza fiandrianana, sy ny Zanak'ondry ny famonjena! 11Dia nitsangana nanodidina ny seza fiandrianana sy ireo Anti-dahy ary ny Zava-manana aina efatra ny anjely rehetra, ka niankohoka teo anoloan'ny seza fiandrianana, nitsaoka an'Andriamanitra, 12nanao hoe: Amena! An'Andriamanitsika mandrakizay mandrakizay ny dera amam-boninahitra, ny fahendrena amam-pankasitrahana, ny haja amam-pahefana, ary ny hery!
       13Tamin'izay, ny iray tamin'ireo Anti-dahy nanao tamiko hoe: Iza moa ireo miakanjo fotsy, ary avy aiza no nihaviany? 14Dia hoy ny navaliko azy: Hianao no mahalala, Tompoko. Ary hoy izy tamiko: Ireo no avy tamin'ny fampijaliana lehibe, nanasa sy namotsy ny akanjony tamin'ny ran'ny Zanak'ondry. 15Koa indreo izy eo anoloan'ny seza fiandrianan'Andriamanitra, namompo azy andro aman'alina ao an-tempoliny, ary hamponenin'ilay mipetraka eo amin'ny seza fiandrianana ao an-tranony. 16Tsy ho noana na hangetaheta intsony ireo, ary tsy hampaninona azy na hainandro na zava-mandoro hafa. 17Fa ny Zanak'ondry, izay mipetraka eo afovoan'ny seza fiandrianana, no ho Mpiandry azy, sy hitondra azy ho amin'ny loharanon'aina, ary Andriamanitra no hamaoka ny ranomaso rehetra amin'ny masony. >