Apokalipsa, Na Fanambaràna nosoratan'i Md. Joany
Fanambaràna toko 12, 1-10
Ny famantarana lehibe fito - Ny voalohany: Ilay Vehivavy sy ny Dragona - Azera amin'ny tany ny Dragona, dia manenjika an-dRavehivavy.
1Nony inona, nisy famantarana lehibe niseho teny an-danitra, dia Vehivavy anankiray nitafy masoandro, ny volana no teo an-tongony, kintana roa ambin'ny folo no satro-boninahitra teny an-dohany. 2Bevohoka izy, sady nihetsi-jaza, ka nitaraina noho ny fanaintainam-piterahana.
3Ary nisy famantarana hafa koa niseho teny an-danitra, dia Dragona mena lehibe anankiray nitranga tampoka, fito ny lohany, folo ny tandrony, ary satro-boninahitra fito no teny an-dohany. 4Nofinaokany tamin'ny rambony ny ampahatelon'ny kitan'ny lanitra ka nazerany tamin'ny tany. Dia nijoro teo anoloan-dRavehivavy hiteraka izy mba handrapaka ny Zanany, raha vao teraka. 5Tera-dahy Ravehivavy, ary io Zanany io no hifehy ny firenena rehetra amin'ny tsora-by, ka nakarina ho any amin'Andriamanitra eo anilan'ny seza fiandrianany. 6Fa Ravehivavy kosa nandositra nankany an'efitra, fa any no nanamboaran'Andriamanitra toerana ho azy, mba hamelomana azy mandritra ny enim-polo amby roan-jato sy arivo andro.
7Ary nisy ady tany an-danitra: Misely sy ny anjeliny moa niady tamin'ny Dragona; ny Dragona sy ny anjeliny koa namely, 8fa tsy nahomby, sady tsy nahazo nitoetra tany an-danitra intsony; 9ka nazera ity Dragona lehibe, dia ilay menarana antitra atao hoe demony sy Satana, izay mamitaka izao tontolo izao; ny tenany moa nazera tamin'ny tany, ny anjeliny koa nazera niaraka aminy. 10Dia nandre feo mahery tany an-danitra aho, nanao hoe: Ankehitriny dia an'Andriamanitra ny famonjena sy ny hery ary ny fanjakana; an'ny Kristiny koa ny fahefana; fa efa voazera ilay mpiampanga ny rahalahintsika, dia ilay miampanga azy andro aman'alina eo anatrehan'Andriamanitsika. >