Apokalipsa, Na Fanambaràna nosoratan'i Md. Joany

Toko faha-10

1 Dia nahita anjely mahery anankiray hafa koa aho, nidina avy any an-danitra ka rahona no nitafiany, avana no teo ambony lohany, tahaka ny masoandro ny tarehiny, ary sahala amin'ny andry afo ny tongony.

2 Nitana boky kely nivelatra teny an-tànany izy; ny tongony an-kavanana moa natsatony tamin'ny ranomasina, ary ny an-kavia kosa tamin'ny tany; 3 niantso tamin'ny feo mahery toy ny fieron'ny liona izy, ka vao niantso izy dia nandefa ny feony ny kotrokorana fito. 4 Nony nandre ny feon-kotrokorana fito aho, dia ndeha hanoratra, kanjo nandre feo avy any an-danitra nanao tamiko hoe: Asio tombo-kase ny voalazan'ny kotrokorana fito, fa aza soratana. 5 Tamin'izay ilay anjely hitako nitsangana teo ambony ranomasina sy teo ambonin'ny tany dia nanandratra ny tànany an-kavanana tany an-danitra,

6 ka nianiana tamin'ilay velona mandrakizay mandrakizay, dia ilay nahary ny lanitra mbamin'izay ao aminy, sy ny tany mbamin'izay ao aminy ary ny ranomasina mbamin'izay ao aminy, fa tsy hisy andro intsony; 7 fa amin'ny andro hampandrenesan'ny anjely fahafito ny feony, amin'ny fitsofana ny trompetra, dia ho tanteraka ny misterin'Andriamanitra, araka ny nampilazainy ny mpaminany mpanompony. 8 Ary niteny tamiko indray ilay feo reko avy any an-danitra, nanao hoe: Mandehana alao ny boky kely mivelatra eny an-tànan'ilay anjely mitsangana eo ambonin'ny ranomasina sy ny tany.

9 Dia nankany amin'ilay anjely aho sy nilaza taminy hanome ahy ny boky, ka hoy ny navaliny ahy: Raiso ka atelemo izy; hangidy izy ao an-kibonao, nefa ho mamy toy ny tantely eo am-bavanao. 10 Noraisiko ny boky teny an-tànan'ilay anjely, dia nateliko avokoa, ka mamy toy ny tantely izy tao am-bavako, fa nony nateliko kosa, dia tsaroako nangidy tao an-kiboko. 11 Tamin'izay dia nisy nilaza tamiko hoe: Olona maro sy firenena maro sy fiteny samihafa ary mpanjaka maro koa no tsy maintsy mbola haminanianao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0371