Apokalipsa, Na Fanambaràna nosoratan'i Md. Joany

Toko faha-15

1 Rahefa izany, dia nahita famantarana hafa sady lehibe no mahagaga tany an-danitra aho, dia anjely fito nitondra loza fito farany, fa amin'ireo no hanaperana ny fahatezeran'Andriamanitra.

2 Ary nahita toa ranomasina fitaratra miharo afo aho; ka izay nandresy ny Biby sy ny sariny ary ny isan'ny anarany no nitsangana teo amoron'io ranomasina fitaratra io, mitana ny harp'Andriamanitra.

3 Ny hiran'i Moizy mpanompon'Andriamanitra sy ny hiran'ny Zanak'ondry no nohirain'izy ireo, ka hoy izy: Lehibe sy mahagaga ny asanao, ry Tompo, Andriamanitra tsitoha! Marina sy mahitsy ny lalànao, ry Mpanjakan'ny taona mandrakizay! 4 Iza no tsy hatahotra sy hankalaza ny anaranao, Tompo ô? Fa hianao irery no masina, ka ho avy hiankohoka eo anatrehanao ny firenena rehetra, satria niseho miharihary ny fitsaranao! 5 Taorian'izany, indro hitako novohana ny tempoly nisy tranolain'ny fanambarana tany an-danitra,

6 ka nivoaka avy tao amin'ny tempoly ny anjely fito nitondra ny loza fito; niakanjo rongonim-bazaha fotsy mamirapiratra izy ireo, ary nihetra fehin-kibo volamena nanodidina ny tratrany. 7 Dia natolotry ny iray amin'ny Zava-manana aina efatra ny anjely fito ireto kapoaka volamena fito feno ny fahatezeran'Andriamanitra, izay velona mandrakizay mandrakizay, 8 ka feno setroka avy amin'ny voninahitr'Andriamanitra sy ny heriny ny tempoly; ary tsy nisy afa-niditra tao amin'ny tempoly mandra-pahatapitry ny loza fito nentin'ny anjely fito.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0498