Apokalipsa, Na Fanambaràna nosoratan'i Md. Joany

Toko faha-2

1 Manorata ho an'ny anjelin'ny Eglizin'i Efezy: Izao no lazain'ilay mitana ny kintana fito eo an-tànany an-kavanana, sy mandeha eo afovoan'ny fanaovan-jiro volamena fito:

2 Fantatro ny asanao sy ny fikelezanao aina ary ny fandeferanao, mbamin'ny tsy fahazakanao ny ratsy fanahy; fantatro fa nozahanao toetra ireo manao azy ho apostoly nefa tsy izy, ka hitanao fa mpandainga ireny;

3 ary manana fandeferana hianao, ka niaritra noho ny anarako, ary tsy ketraka. 4 Saingy izao no aniniako anao: nihemotra tamin'ny fitiavana voalohany hianao. 5 Koa tsarovinao izay nihemoranao, dia mibebaha, ka miverena amin'ny asanao voalohany; fa raha tsy izany, dia ho avy aminao aho, ka hanesotra ny fanaovan-jironao amin'ny fitoerany raha tsy mibebaka hianao. 6 Misy anananao sitraka ihany anefa, dia izao: mankahala ny asan'ny Nikolaïta izay halako koa hianao. 7 Izay manan-tsofina aoka hihaino ny lazain'ny Fanahy amin'ny Eglizy: Izay mandresy, havelako hihinanany ny hazon ny fiainana izay ao amin'ny paradizin'Andriamanitra.

8 Manorata koa ho an'ny anjelin'ny Eglizin'i Smirna: Izao no lazain'ilay Voalohany sy Farany, izay efa maty ka velona indray:

9 Fantatro ny fahoriana amam-pahantranao, nefa manan-karena hianao; ary fantatro ny fitenenan-dratsin'ireo manao azy ho Jody, nefa tsy izy, fa sinagogan'i Satana.

10 Aza matahotra na inona na inona amin'izay efa hiaretanao. Indro, efa handatsaka ny sasany aminareo an-tranomaizina ny demony, mba hovoazaha toetra hianareo, sy hiari-pahoriana hafoloana. Mahareta ambara-pahafaty, dia homeko anao ny satro-boninahitry ny fiainana. 11 Izay manan-tsofina aoka hihaino ny lazain'ny Fanahy amin'ny Eglizy: Izay mandresy dia tsy hosimban'ny fahafatesana faharoa.

12 Manorata koa ho an'ny anjelin'ny Eglizin'i Pergama: Izao no lazain'ilay manana ny sabatra marani-dany roa:

13 Fantatro ny itoeranao, dia eo amin'ny misy ny seza fiandrianan'i Satana; nefa mitana mafy ny anarako hianao, ka tsy nandà ny finoana ahy na dia tamin'ny andron'i Antipasy martiriko aza, izay lehilahy mahatoky ahy sy novonoina teo aminareo, dia teo amin'izay onenan'i Satana.

14 Manan-teny kely aminao anefa aho, fa ao aminao dia misy mitana ny fampianaran'i Balaama, izay nanome fo an'i Balàka hanisy fanafintohinana eo anoloan'ny zanak'Israely, mba hitarika azy hihinan-kena naterina tamin'ny sampy sy hijangajangana. 15 Toy izany koa, ao aminao dia misy olona manaraka fampianarana manahaka ny an'ny Nikolaïta. 16 Koa mibebaha, fa raha tsy izany dia ho avy aminao faingana aho, ka hamely an'ireo amin'ny sabatry ny vavako. 17 Izay manan-tsofina aoka hihaino ny lazain'ny Fanahy amin'ny Eglizy. Izay mandresy dia homeko màna miafina, sady homeko vato fotsy misy anaram-baovao voasoratra tsy misy mahalala afa-tsy izay mandray azy ihany.

18 Manorata koa ho an'ny anjelin'ny Eglizin'i Tiatira: Izao no lazain'ny Zanak'Andriamanitra, izay toy ny lelafo ny masony, ary ny tongony tahaka ny varahina manganohano:

19 Fantatro avokoa ny asanao, ny finoanao, ny fitiavanao, ny fiantranao, ny fandeferanao, ary ny asanao farany dia be noho ny voalohany.

20 Manan-teny kely aminao anefa aho, satria i Jezabela ilay vehivavy manao azy ho mpaminany, avelanao hampianatra sy hanangoly ny mpanompoko hijangajanga sy hihinan-kena natolotra tamin'ny sampy. 21 Efa nomeko andro hibebahana izy, nefa tsy mety mibebaka amin'ny fijangajangany. 22 Ka indro hampandamahiko eo am-pandriana izy, ary hozoim-pahoriana lehibe izay mijangajanga aminy, raha tsy mibebaka amin'ny asa nampianarin-dravehivavy azy. 23 Hasiako amin'ny fahafatesana ny zanany, dia ho fantatry ny Eglizy rehetra fa izaho no mandinika ny voa sy ny fo, ary homeko araka ny asanareo avy hianareo rehetra. 24 Ary indreo hianareo mpino sisa any Tiatira, izay tsy manana izany fampianarana izany, sy izay rehetra tsy nahalala ireny antsoin'ny sasany hoe sain-dalin'i Satana ireny, dia izao kosa no lazaiko aminareo: Tsy hovesarako entana hafa hianareo, 25 fa tano mafy aloha izay anananareo, mandra-pihaviko. 26 Ary izay handresy ka haharitra amin'ny asako hatramin'ny farany, dia homeko fahefana amin'ny firenena;

27 hifehy azy amin'ny tehim-by izy, ary hanorotoro azy, toy ny vilany tany, 28 araka izay efa noraisiko tamin'ny Raiko, ary homeko azy ny kintana fitarika andro. 29 Izay manan-tsofina aoka hihaino ny lazain'ny Fanahy amin'ny Eglizy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0896