Apokalipsa, Na Fanambaràna nosoratan'i Md. Joany

Toko faha-21

1 Ary nahita lanitra vaovao sy tany vaovao aho; fa efa lasa ny lanitra voalohany, sy ny tany voalohany, ary tsy nisy intsony koa ny ranomasina.

2 Dia indro hitako nidina avy any an-danitra ny tanàna masina avy any amin'Andriamanitra, dia Jerosalema vaovao, voahaingo toy ny vehivavy ampakarina, voaomana hihaona amin'ny vadiny. 3 Ary inay nisy feo mahery reko avy ao amin'ny seza fiandrianana nanao hoe: Indro ny tranolain'Andriamanitra tonga eny amin'ny olona, ary izy hiara-monina amin'izy ireo. Izy ireo moa ho vahoakany, ary izy Andriamanitra mitoetra eny aminy kosa, ho Andriamanitr'izy ireo. 4 Hofafan'Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin'ny mason'izy ireo, ary ny fahafatesana dia tsy hisy intsony; ny alahelo amam-pitarainana sy fahoriana koa tsy hisy intsony, fa efa lasa ny toetra taloha. 5 Dia hoy ilay nipetraka teo ambony seza fiandrianana: Indro havaoziko ny zavatra rehetra. Ary hoy koa izy: Soraty fa marina sy mahatoky ireo teny ireo.

6 Nanaraka izany, dia hoy izy tamiko: Vita izany. Izaho no Alfà sy Omegà, fiandohana sy fiafarana. Hampitsotroiko maimaim-poana amin'ny loharanon'aina izay mangetaheta. 7 Ary izay mandresy no hanana ireo zavatra ireo, ka izaho ho Andriamaniny, izy ho zanako. 8 Fa ny kanosa kosa, sy ny tsy mino, ny tsy valahara, ny mpamono olona, ny mpijangajanga, ny mpimasy, ny mpanompo sampy, mbamin'ny mpandainga rehetra, dia any amin'ny farihy afo aman-tsolifara mirehitra no ho anjarany; izany no fahafatesana faharoa. 9 Tamin'izay, ny iray tamin'ny anjely fito nitondra ny kapoaka fito feno ny loza fito farany, dia tonga nilaza tamiko hoe: Avia fa hasehoko anao ny Vehivavy ampakarina ho Vadin'ny Zanak'ondry.

10 Dia nentiny am-panahy tany amin'ity tendrombohitra sady lehibe no avo aho, ka nasehony ahy ny tanàna masina, dia Jerosalema nidina avy any an-danitra, avy amin'Andriamanitra. 11 Namirapiratry ny voninahitr'Andriamanitra izy, ary voazavan'ny kintana toy ny vato sarobidy, dia ny vato jaspa izay azo itarafana toy ny kristaly. 12 Sady avo no lehibe ny mandany, ary roa ambin'ny folo ny vavahadiny; nisy anjely roa ambin'ny folo tamin'ireo vavahady ireo, ary nisy anarana voasoratra koa, dia ny anaran'ny foko roa ambin'ny folon'ny zanak'Israely. 13 Vavahady telo no eo atsinanana, vavahady telo no eo avaratra, vavahady telo no eo atsimo, vavahady telo no eo andrefana. 14 Misy vato fanorenana roa ambin'ny folo ny mandan'ny tanàna; ary misy anarana roa ambin'ny folo amin'ireo, dia ny anaran'ny Apostoly roa ambin'ny folon'ny Zanak'ondry. 15 Nitondra volotara volamena fandrefesana ilay niteny tamiko, mba handrefesany ny tanàna sy ny vavahadiny ary ny mandany.

16 Efa-joro ny tanàna, ary nitovy ny halavany sy ny sakany. Dia nandrefy ny tanàna tamin'ny volotarany izy, ka roa arivo sy iray alina stady, ary nitovy ny halavany sy ny sakany ary ny hahavony. 17 Norefesiny koa ny mandany ka efatra amby efa-polo amby zato hakiho araka ny refin'ny olona sy ny an'ny anjely koa. 18 Vato jaspa no nanaovana ny mandan'ny tanàna; ary tena volamena madio toy ny fitaratra kristaly ny tanàna. 19 Voaravaka vatosoa isan-karazany ny vato fanorenana ny mandan'ny tanàna. Jaspa ny fanorenana voalohany, safira ny faharoa, kalsedoana ny fahatelo, emeraoda ny fahefatra, 20 sardoniksa ny fahadimy, sardoana ny fahenina, krisaolita ny fahafito, berila ny fahavalo, taopazy ny fahasivy, krisaopazy ny fahafolo, hiasenty ny faharaika ambin'ny folo, ary ametista ny faharoa ambin'ny folo. 21 Ny vavahady roa ambin'ny folo dia voahangy roa ambin'ny folo, fa voahangy iray ihany ny vavahady iray, ary ny lalamben'ny tanàna dia tena volamena madio, manganohano hoatra ny fitaratra. 22 Tsy nahita tempoly tao aho, fa ny Tompo Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy ny Zanak'ondry no tempoliny.

23 Tsy mila masoandro ny tanàna, na volana hanazava azy, fa ny voninahitr'Andriamanitra no mamirapiratra ao aminy, ary ny Zanak'ondry no fanilony. 24 Ny firenena rehetra handeha amin'ny fahazavany, ary ny mpanjakan'ny tany hitondra ny fiamboniany ao aminy. 25 Tsy hihidy ny vavahadiny isan'andro, fa ny alina tsy mba hisy ao aminy. 26 Ny laza aman-java-tsoan'ny firenena rehetra ho tapitra ao avokoa; 27 ary tsy hiditra ao mihitsy izay tsy masina na izay manao vetaveta, na izay mandainga, fa izay voasoratra anarana ao amin'ny bokin'ny fiainan'ny Zanak'ondry ihany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1145