Apokalipsa, Na Fanambaràna nosoratan'i Md. Joany

Toko faha-3

1 Manorata koa ho an'ny anjelin'ny Eglizin'i Sarda: Izao no lazain'ilay manana ny Fanahy fiton'Andriamanitra sy ny kintana fito: Fantatro ny asanao; malaza hoe velona hianao, nefa maty.

2 Miambena, ary hamafiso ny sisa efa ho faty. Hitako fa tsy lavorary eo anatrehan'Andriamanitra ny asanao. 3 Koa tsarovy ny fampianarana noraisinao sy nohenoinao, dia tano izany, ka mibebaha. Fa raha tsy miambina hianao, dia ho avy ao aminao toy ny mpangalatra aho, ka tsy ho fantatrao izay ora hihaviako ao aminao. 4 Misy olona vitsy tsy nandoto ny fitafiany anefa aty aminao aty Sarda, ka ireo dia hiara-mandeha amiko mitafy lamba fotsy, satria mendrika. 5 Izay handresy dia hampitafina lamba fotsy toy izany koa; ary tsy hamono ny anarany ao amin'ny bokin'ny fiainana aho, fa hankalaza ny anarany eo anatrehan'ny Raiko, sy eo anatrehan'ny anjeliny.

6 Izay manan-tsofina aoka hihaino ny lazain'ny Fanahy amin'ny Eglizy. 7 Manorata koa ho an'ny anjelin'ny Eglizin'i Filadelfia: Izao no lazain'ilay masina, ilay marina, ilay manana ny fanalahidin'i Davida, ilay mamoha, tsy misy mahahidy, ary manidy, tsy misy mahavoha:

8 Fantatro ny asanao. Fa manan-kery kely ihany hianao, ka nitandrina ny teniko sy tsy nandà ny anarako; koa indro, varavarana mivoha tsy misy mahahidy no nataoko teo anoloanao.

9 Indro, atolotro anao ny sasany amin'ny sinagogan'i Satana, izay mihambo ho Jody, nefa tsy izy, fa mandainga; indro, hataoko tonga hiankohoka eo an-tongotrao izy ireo, dia ho fantany fa tia anao aho. 10 Ary noho hianao nitandrina ny teniko ny amin'ny fandeferana, izaho kosa hitandrina anao amin'ny andron'ny fakam-panahy, izay ho tonga amin'izao tontolo izao ho fitsapan-toetra ny mponina eto an-tany. 11 Indro, avy faingana aho; tano mafy izay anananao, mba tsy hisy haka ny satro-boninahitrao. 12 Izay handresy dia hataoko andry eo amin'ny tempolin'Andriamanitra, sady tsy hiala ao intsony; ary hosoratako eo aminy ny anaran'Andriamanitro, sy ny anaran'ny tanànan'Andriamanitro, dia Jerosalema vaovao, izay midina avy any an-danitra, avy amin'Andriamanitro, sy ny anarako vaovao.

13 Izay manan-tsofina aoka hihaino ny lazain'ny Fanahy amin'ny Eglizy. 14 Manorata koa ho an'ny anjelin'ny Eglizin'i Laodisea: Izao no lazain'ny Amena, ilay Vavolombelona mahatoky sy marina, Fototry ny zava-boarin'Andriamanitra.

15 Fantatro ny asanao: tsy mangatsiaka na mafana hianao: nefa aleo mangatsiaka na mafana hianao;

16 fa noho hianao matimaty, na hoe tsy mangatsiaka tsy mafana, dia efa haloan'ny vavako hianao. 17 Hianao mihambo hoe: mpanan-karena aho, nahazo fananam-be, tsy manan-java-mahory aho; kanjo tsy fantatrao, fa hianao dia olona ory, fadiranovana, mahantra, jamba, ary mitanjaka aza. 18 Koa manoro hevitra anao aho mba hividy amiko volamena voadio tamin'ny afo, dia hanan-karena hianao; sy fitafiana fotsy hitafianao, mba tsy hisehoan'ny henatrao noho ny fitanjahanao; ary ody maso hahosotrao ny masonao, dia hahiratra hianao. 19 Izay rehetra tiako no anariko sy faiziko; mazotoa àry, ka mibebaha. 20 Indro, mitsangana eo am-baravarana aho, sady mandondòna; ka raha misy mihaino ny feoko, sy mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy aho, ka hiara-misakafo aminy, ary izy hiaraka amiko. 21 Izay handresy dia hasaiko miara-mipetraka amiko eo amin'ny seza fiandrianako; toa ahy nandresy koa, ka miara-mipetraka amin'ny Raiko, eo amin'ny seza fiandrianany.

22 Izay manan-tsofina aoka hihaino ny lazain'ny Fanahy amin'ny Eglizy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0948