Apokalipsa, Na Fanambaràna nosoratan'i Md. Joany

Toko faha-6

1 Ary hitako fa nosokafan'ny Zanak'ondry ny iray tamin'ny tombo-kase fito; ka reko niteny toy ny kotro-baratra ny iray amin'ny Zava-manana aina efatra, nanao hoe: Avia hijery.

2 Dia nijery aho, ka indro nisy soavaly fotsy; ary ilay nitaingina azy dia nanana tsipìka, sy nomena satro-boninahitra, ary lasa toy ny mpandresy ndeha handresy. 3 Nony nosokafany ny tombo-kase faharoa, dia reko ny Zava-manana aina faharoa nanao hoe: Avia hijery.

4 Dia nisy soavaly hafa mena kosa nivoaka, ary ilay nitaingina azy dia navela hanesotra ny fihavanana amin'ny tany, mba hifamonoan'ny olona, ka nomena sabatra lehibe izy. 5 Nony nosokafany ny tombo-kase fahatelo, dia reko ny Zava-manana aina fahatelo nanao hoe: Avia hijery. Dia nijery aho, ka indro nisy soavaly mainty, ary ilay nitaingina azy dia nitana mizàna teny an-tànany.

6 Sady nisy toy ny feo koa reko avy tao afovoan 'ny Zava-manana aina efatra, nanao hoe: Denie iray ny varim-bazaha eran'ny fatam-bary; denie iray ny vary orja intelon'ny fatam-bary; ary aza manimba ny divay sy ny diloilo. 7 Nony nosokafany ny tombo-kase fahefatra, dia reko ny feon'ny Zava-manana aina fahefatra, nanao hoe: Avia hijery.

8 Dia nijery aho, ka indro nisy soavaly hatsatra, ary ilay nitaingina azy dia atao hoe i Fahafatesana, sady nanaraka azy ny Fonenan'ny maty. Nomena fahefana amin'ny ampahefatry ny tany izy ireo, hamono amin'ny mosary amam-tsabatra, sy amin'ny fahafatesana mbamin'ny biby masiaka ety an-tany. 9 Nony nosokafany ny tombo-kase fahadimy, dia hitako teo ambany otely ny fanahin'ireo novonoina noho ny tenin'Andriamanitra sy ny fanambaran'i Jesoa izay nananany.

10 Ary niantso tamim-peo mahery izy ireo, nanao hoe: Ry Tompo masina sy marina ô! rahoviana re hianao vao hitsara sy hanadina ny ranay amin'ny mponina eny ambonin'ny tany? 11 Dia nomena akanjo fotsy iray avy izy ireo, sy nasaina hiandry kely aloha mandra-pahafenon'ny isan'ny mpanompo namany sy ny rahalahiny, izay hovonoina toa azy koa. 12 Nony nosokafany ny tombo-kase fahenina, dia hitako, fa indro nisy horohoron-tany mafy, ary ny masoandro tonga mainty toy ny akanjo malailay volom-biby; ny volana manontolo nanjary toy ny rà;

13 ary ny kintan'ny lanitra niraraka tamin'ny tany, toy ny voan'aviavy manta mihintsana fa voahozongozon'ny rivotra mafy. 14 Ny lanitra niampirina toy ny horonan-taratasy, ary ny nosy amam-tendrombohitra rehetra nesorina tamin'ny toerany. 15 Ny mpanjakan'ny tany, ny lehibe sy ny mpifehy arivo, ny mpanan-karena sy ny olo-mahery, ary ny andevo sy ny olom-potsy dia nisitrika tany amin'ny zohy sy vaton'ny tendrombohitra, 16 ary nilaza tamin'ny tendrombohitra sy ny vatolampy hoe: Mianjerà aminay, ka afeno amin'ny tavan'ilay mipetraka eo amin'ny seza fiandrianana sy amin'ny fahatezeran'ny Zanak'ondry izahay; 17 fa tonga ny androm-pahatezerany lehibe, ka iza no mahajanona?

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0971