Apokalipsa, Na Fanambaràna nosoratan'i Md. Joany

Toko faha-8

1 Nony nosokafan'ny Zanak'ondry ny tombo-kase fahafito, dia nisy fahanginana sahabo ho an-tsasak'adiny tany an-danitra.

2 Nony afaka izay, dia nahita ireo Anjely fito mitsangana eo anatrehan'Andriamanitra aho, ary nomena trompetra fito izy ireo.

3 Dia indro koa nisy Anjely anankiray hafa, nitsangana teo anoloan'ny otely, nitana fanembohana volamena, ary nomena emboka manitra betsaka mba hanolotra ny vavaky ny olo-masina rehetra eo ambony otely volamena, izy eo anoloan'ny seza fiandrianan'Andriamanitra; 4 ary ny fofon'ny emboka manitra, avy amin'ny vavaky ny olo-masina, dia niakatra ho eo anatrehan'Andriamanitra avy amin'ny tànan'ny Anjely. 5 Ary nalain'ilay Anjely ny fanembohana, nofenoiny afo avy teo ambony otely, dia nazerany tamin'ny tany, ka nisy feo aman-kotroka sy tsela-baratra, sady nihorohoro ny tany. 6 Ary niomana hitsoka ny trompetra ny Anjely fito izay nitondra ny trompetra fito.

7 Dia nitsoka ny trompetra ny anjely voalohany, ka nisy havandra sy afo miharo rà nalatsaka tamin'ny tany, ary may ny ampahatelon'ny tany, may ny ampahatelon'ny hazo, may koa ny ahi-maitso rehetra.

8 Nitsoka ny trompetra indray ny anjely faharoa, dia nisy toa tendrombohitra mirehitra nazera tany anaty ranomasina, ka nanjary rà ny ampahatelon'ny ranomasina,

9 maty ny ampahatelon'ny zava-manana aina tao amin'ny ranomasina, ary levona ny ampahatelon'ny sambo. 10 Nitsoka ny trompetra koa ny anjely fahatelo, dia nisy kintana lehibe anankiray, mirehitra toy ny fanilo, nilatsaka avy any an-danitra, nianjera tamin'ny ampahatelon'ny ony, sy tamin'ny loharano.

11 Imangidy no anaran'io kintana io, ka tonga mangidy ny ampahatelon'ny rano, ary maro ny olona matin'ny rano, noho izy tonga mangidy. 12 Nitsoka ny trompetra indray ny anjely fahefatra, dia voa ny ampahatelon'ny masoandro sy ny ampahatelon'ny volana ary ny ampahatelon'ny kintana, ka tonga maizina ny ampahatelon'ireo, tsy nazava intsony ny ampahatelon'ny andro, ary toraka izany koa ny alina.

13 Nanaraka izany dia nijery aho, ary nandre feom-boromahery anankiray nanidina teny afovoan'ny lanitra, niantso tamin'ny feo mahery hoe: Loza, loza, loza ho an'izay monina eny ambonin'ny tany, noho ny feon'ny trompetra telo sisa izay efa hotsofin'ny anjely.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0367