Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Fanisana

Fanisana toko 10
Ny trompetra volafotsy - Ny nialana tany Sinaia.

       1Niteny tamin'i Moizy Iaveh ka nanao hoe: 2Manaova trompetra volafotsy roa; ka ataovy amin'ny volafotsy tefy manta izy. Hataonao fiantsoana ny fiangonana sy fampiaingana ny olona hifindra toby izy. 3Nony tsofina ireo dia hivory ao aminao ny fiangonana rehetra ao anoloan'ny trano lay fihaonana. 4Raha trompetra iray ihany no tsofina, dia ny filohany, ny mpifehy arivo amin'Israely no hivory ao aminao. 5Raha tsofinao mikarantsana, dia ireo mitoby eo amin'ny lafiny atsinanana no hiainga. 6Raha tsofinao mikarantsana fanindroany, dia ireo mitoby amin'ny lafiny atsimo no hiainga. Hotsofina mikarantsana amin'ny fiaingany. 7Ary hotsofinao fa tsy hatao mikarantsana amin'ny fiantsoana ny fiangonana. 8Ireo mpisorona zanak'i Aarona, no hitsoka ny trompetra; lalàna ho anareo sy ny taranakareo hatrany hatrany izany. 9Any amin'ny taninareo raha handeha hiantafika amin'ny fahavalo mananika anareo hianareo, dia hitsoka ny trompetra atao mikarantsana, ka ho tonga ao amin'ny Tompo Andriamanitrareo ny fahatsiarovana anareo, ka ho voavonjy amin'ny fahavalonareo. 10Amin'ny andro fifalianareo sy amin'ny fetinareo, ary amin'ny voaloham-bolanareo, hitsoka ny trompetra hianareo, eo am-panolorana ny sorona doranareo, sy ny sorom-pihavananareo, dia ho fampahatsiarovana ho anareo izany, eo anatrehan'ny Tompo Andriamanitrareo. Izaho no Iaveh Andriamanitrareo.
       11Tamin'ny taona faharoa andro faharoapolon'ny volana faharoa, dia nisondrotra niala teo ambonin'ny Fonenan'ny vavolombelona ny rahona. 12Ka nanohy ny diany ny zanak'Israely, dia niala tao amin'ny efitra Sinaia, ary tany amin'ny efitra Faràna no nijanona ny rahona. 13Izany no niaingany voalohany araka ny didin'ny Tompo tamin'ny alàlan'i Moizy.
       14Ny niainga voalohany, dia ny fanevan'ny tobin'ny zanak'i Joda araka ny antokony avy; ary ny antokon'i Joda, dia nofehezin'i Nahasona zanak'i Aminadaba. 15Ny antokon'ny fokon'ny zanak'Isakara, dia nofehezin'i Natanaela zanak'i Soara; 16ary ny antokon'ny fokon'ny zanak'i Zabolona, dia nofehezin'i Eliaba, zanak'i Helona. 17Dia nahorona ny Fonenana ka niainga nitondra ny Fonenana ny zanak'i Gersona sy ny zanak'i Merary.
       18Dia niainga ny fanevan'ny tobin-dRobena araka ny antokony avy, ary ny antokony dia nofehezin'i Elisora, zanak'i Sedeora; 19ny antokon'ny fokon'ny zanak'i Simeona, dia nofehezin'i Salamiela, zanak'i Sorisadaìa, 20ary ny antokon'ny fokon'ny zanak'i Gada, nofehezin'i Eliazafa, zanak'i Doela. 21Niainga ny Kaatita mitondra ny zavatra masina, ka mandra-pahatongany, dia atsangana ny Fonenana.
       22Dia niainga ny fanevan'ny tobin'ny zanak'i Efraima, araka ny antokony avy; ary ny antokony dia nofehezin'i Amioda; 23ny antokon'ny fokon'ny zanak'i Manase dia nofehezin'i Gamaliela zanak'i Fadasora, 24ary ny antokon'ny fokon'i Benjamina dia nofehezin'i Abidana, zanak'i Jedeona.
       25Dia niainga ny fanevan'ny tobin'ny zanak'i Dana, araka ny antokony avy; izy no vody làlan'ny toby rehetra. Ny antokon'i Dana dia nofehezin'i Ahiezera zanak'i Amisadaia; 26ny antokon'ny fokon'ny zanak'i Azera dia nofehezin'i Fegiela zanak'i Okdrana; 27ary ny antokon'i Neftalì dia nofehezin'i Ahirà, zanak'i Enàna. 28Izany no filaharan'ny zanak'Israely teny an-dàlana araka ny antokony avy. Dia niainga handeha izy ireo.
       29Ary hoy Moizy tamin'i Hobaba zana-dRagoela, Madianita, rafozan'i Moizy: Ny dianay izao, dia ho any amin'ny tany nolazain'ny Tompo hoe: Homeko anareo izy. Koa andeha hiaraka aminay, fa hasianay soa hianao, satria Iaveh efa nampanantena ny hanisy soa an'Israely. 30Fa izao no navalin'i Hobaba azy: Tsy handeha aho, fa hody amin'ny taniko sy ny havako. 31Dia hoy Moizy: Masìna hianao, aza dia ilaozanao izahay, fa fantatrao izay toerana tokony hitobianay any an'efitra; ka dia hianao no ho masonay. 32Raha miaraka aminay hianao, dia hataonay miombona izay soa hataon'ny Tompo aminay.
       33Nony niala tany an-tendrombohitry ny Tompo izy ireo dia nandeha làlan-kateloana, ary nandritra izany dia nandehanany hateloana izany, dia nandroso teo alohany ny fiaran'ny faneken'ny Tompo nitady fitoerana hialan-tsasatra ho azy ireo. 34Ary rahefa niala tamin'ny toby izy ireo, dia teo amboniny mandritra ny andro ny rahon'ny Tompo. 35Nony niainga ny fiara, dia hoy Moizy: Mitsangàna, ry Iaveh, ka aoka hihahaka ny fahavalonao, aoka handositra ny tavanao izay mankahala anao. 36Nony nijanona kosa indray izy dia hoy izy: Avia, ry Iaveh, miverena amin'ny isan'arivon'Israely tsy omby alinalina. >