Ny Fanisana
Fanisana toko 11
Ny fimonjomonjoan'ny vahoaka - Ny fanasazian'Iaveh azy - Ny papelika.
1Nanomboka nimonomonona zavatra tsy mety tamin'ny sofin'ny Tompo ny vahoaka. Nandre an'izany Iaveh ka nirehitra ny hatezerany ary nirehitra tamin'izy ireo ny afon'ny Tompo, ka may ny teny an-tsisin'ny toby. 2Dia nibabababa tamin'i Moizy ny vahoaka, ary Moizy nifona tamin'ny Tompo, ary maty ny afo. 3Noho ny afon'ny Tompo nirehitra tamin'izy ireo dia nomena anarana hoe: Tabeerà io fitoerana io.
4Nirehitry ny fahalianana ny benahoana tafaharo tamin'Israely; ary rafitra nitomany indray koa aza ny zanak'Israely nanao hoe: Iza re no mba hanome hena hohaninay? 5Tsaroanay izany hazandrano, nohaninay maimaim-poana tany Ejipta, ny voatango, ny voanketsihetsy, ny tongolobe, ny tongolo sy ny tongolon-kova. 6Izao kosa maina ny ainay; tsy misy na inona na inona intsony; tsy mahita afa-tsy ny mana ny masonay. 7Nitovy amin'ny voan-koriandra ny mana, toy ny bdelioma ny tarehiny. 8Nihahaka nanangona azy ny vahoaka, dia nanorotoro azy tamin'ny vato fitotoam-bary, na nitoto azy tamin'ny laona, dia nahandro azy tamin'ny vilany sy nanao mofo aminy. Sahala amin'ny mofomamy misy diloilo ny tsirony. 9Amin'ny alina filatsahan'ny ando amin'ny toby, no nilatsahan'ny mana ao koa.
10Ren'i Moizy ny vahoaka samy nitomany isam-pianakaviany avy eo am-baravaran-dainy. Nirehitra mafy ny fahatezeran'ny Tompo. 11Dia nalahelo i Moizy ka nilaza tamin'ny Tompo hoe: Nahoana no dia nasianao izao ratsy izao ny mpanomponao, ary nahoana no dia tsy nahita fitia taminao aho, ka novesaranao ny fitondrana an'ity vahoaka ity? 12Izaho va no torontoronina an'ity vahoaka rehetra ity, ary izaho va no niteraka azy, no dia izaho no ilazanao hoe: Trotroinao izy, toy ny itondran'ny ray mpitaiza ny zaza minono, ho any amin'ny tany izay nianiananao tamin'ny razany homena azy? 13Aiza no hangalako hena homena an'izao vahoaka rehetra izao? Fa mitomany manodidina ahy izy, manao hoe: Omeo hena izahay hohaninay. 14Tsy zakako izaho irery izao vahoaka rehetra izao, fa mavesatra amiko loatra. 15Koa raha izao no ataonao amiko mihanta aminao aho, raha mahita fitia eo imasonao, vonoy aho mba tsy hahita ny fahoriako.
16Hoy Iaveh tamin'i Moizy: Anangony fitopolo lahy amin'ny loholon'Israely aho, dia izay fantatrao ho loholona amin'ny vahoaka sy mpitondra azy; ka ento ho ao amin'ny trano lay fihaonana izy, ary aoka hijanona ao miaraka aminao. 17Fa hidina aho, ka hiteny aminao ao; ary haka amin'ny fanahy izay ao aminao aho, ka hametraka izany ao amin'izy ireo, mba hiarahany miadidy aminao ny fitondrana ny vahoaka, dia tsy ho anao irery intsony no hitondra azy. 18Izao no lazao amin'ny vahoaka: Mankamasìna ny tenanareo ho amin'ny rahampitso, dia hahazo hena hohanina hianareo, fa nitomany ka ren'ny sofin'ny Tompo hianareo nanao hoe: Iza no mba hanome hena hohaninay? Fa finaritra izahay tany Ejipta! koa homen'ny Tompo hena hianareo, dia hihinananareo izany. 19Tsy andro iray, na roa, na dimy, na folo, na roapolo no hihinananareo izany, 20fa hatramin'ny iray volana maninjitra, dia mandra-pivoakany amin'ny vavoronareo, sy hampaharikoriko anareo; satria hianareo efa nitsipaka an'ny Tompo izay eo afovoanareo, sy nitomany teo anatrehany nanao hoe: Naninona re no nivoaka tany Ejipta foana izahay?
21Hoy Moizy: Ny vahoaka manodidina ahy, dia enina hetsy ny lehilahy mandeha tongotra, ka lazainao hoe: Homeko hena izy ireo, sady hihinana izany iray volana maninjitra. 22Ny omby aman'ondry va no hovonoina ho azy ireo, mba ho ampy ho azy? sa ny hazandrano rehetra any an-dranomasina no hangonina, mba ho ampy ho azy. 23Dia hoy ny navalin'ny Tompo an'i Moizy: Fohy loatra va ny tànan'ny Tompo? Ho hitanao izao na ho tanteraka aminao na tsia izay voalazako.
24Dia nivoaka Moizy, ka nilaza ny tenin'ny Tompo tamin'ny vahoaka, ary nanangona fitopolo lahy tamin'ny loholon'ny vahoaka izy, sy nandahatra azy manodidina ny trano lay. 25Nidina teo amin'ny rahona Iaveh dia niteny tamin'i Moizy; nangalany ny fanahy izay tao amin'i Moizy, ka nataony tao amin'ny loholona fitopolo lahy, naminany izy ireo raha vao tonga tao aminy ny fanahy, nefa tsy notohizany izany.
26Nisy olona roa lahy, atao hoe Eldada ny anankiray, ary Medada ny anankiray, nijanona teo an-toby; ary tonga tao amin'izy ireo ny fanahy; anisan'ny voasoratra izy ireo nefa tsy nankany amin'ny trano lay, ary naminany teo an-toby izy. 27Dia nihazakazaka nilaza izany tamin'i Moizy ny zazalahy anankiray, nanao hoe: Maminany atsy an-toby i Eldada sy Medada. 28Niteny niaraka tamin'izay Josoe, zanak'i Nona, mpanompon'i Moizy hatry ny fony tanora, ka nanao hoe: Ry Moizy tompoko ô, rarao izy roa lahy. 29Fa hoy ny navalin'i Moizy azy: Noho ny amiko va no ialonanao? Enga anie ka ho mpaminany avokoa ny vahoakan'ny Tompo, ary hataon'ny Tompo ao aminy ny ny fanahiny. 30Dia nihataka nankeo an-toby Moizy sy ny loholon'Israely.
31Ary nisy rivotra nifofofofo avy amin'ny Tompo ka nitondra papelika avy any amin'ny ranomasina, sy nandatsaka azy teny amin'ny toby, ka tokony ho làlana indray andro amin'ny lafiny iray manodidina ny toby no nisy azy, ary sahabo ho roa hakiho ambonin'ny tany izy. 32Dia nitsangana ny vahoaka ary nandritra izany andro izany, sy nandritra ny alina, ary ny ampitso tontolo andro, dia nanangona ny papelika; izay kely fanangona no nahazo folo gomaora, ary nahahiny izany manodidina ny toby mba ho azy ireo. 33Kanjo raha mbola tao am-bavany ny hena, fa mbola tsy lany akory, dia nirehitra tamin'ny vahoaka ny fahatezeran'ny Tompo, ka nasian'ny Tompo tamin'ny loza mafy indrindra ny vahoaka. 34Nomena anarana hoe Kibrota-Hataavà izany fitoerana izany, fa tao no nandevenana ny vahoaka izay nirehitry ny fahalianan-kanina.
35Niainga avy tao Kibrota-Hataavà ny vahoaka ho any Hazerota, dia nijanona tao Hazerota. >