Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Fanisana

Fanisana toko 12
Fimonomononan'i Maria sy Aarona tamin'i Moizy - Maria voan'ny habokàna.

       1Ary Maria mbamin'i Aarona nanome tsiny an'i Moizy noho ny amin'ny vehivavy Kosita izay efa nalainy ho vady, fa nanambady vehivavy kosita izy. 2Hoy izy ireo: Moa dia amin'ny alàlan'i Moizy ihany va no efa nitenenan'ny Tompo? Moa tsy efa niteny tamin'ny alàlanay va izy? 3Ren'ny Tompo izany. Moizy anefa dia lehilahy malemy fanahy indrindra, mihoatra noho ny olona rehetra ety ambonin'ny tany.
       4Niteny tampoka tamin'i Moizy sy Aarona ary Maria Iaveh nanao hoe: Mivoaha hianareo telo mianadahy ho any an-trano lay fihaonana. Dia nivoaka daholo izy telo mianadahy. 5Ary Iaveh nidina tamin'ny andry rahona, ka nitoetra teo am-baravaran'ny trano lay. Niantso an'i Aarona sy Maria izy, dia nandroso izy mianadahy ireo; 6ary hoy izy hoe: Henoy tsara izao teniko izao: Raha misy mpaminanin'ny Tompo eo aminareo, dia fahitàna no isehoako aminy, ary nofy no itenenako aminy. 7Tsy mba toy izany Moizy mpanompoko; ekena ho olo-mahatoky amin'ny tranoko rehetra izy. 8Miteny aminy mifanatrika ka miseho miharihary aminy aho, fa tsy aman'ohatra, dia mijery ny endrik'Iaveh izy. Ka nahoana àry hianareo no dia tsy natahotra ny hanome tsiny ny mpanompoko, dia Moizy? 9Ary nirehitra tamin'izy mianadahy ny fahatezeran'ny Tompo, ka lasa izy. 10Ny rahona niala teo ambonin'ny trano lay. Ary indro Maria tonga boka, mova tsy ny oram-panala. Nitodika an'i Maria Aarona, dia indro fa boka izy. 11Ary hoy Aarona tamin'i Moizy: Aoka re, tompoko, mba tsy hatsindrinao anay izany fahotana nataonay tamin-kadalana sy mahameloka anay izany. 12Aoka re tsy ho toy ny zaza maty hatrany am-bohoka izy; ka raha vao teraka dia efa lany sasaka ny nofony. 13Dia nitaraina tamin'ny Tompo Moizy, ka nanao hoe: ry Andriamanitra, mihanta aminao aho, sitrano izy. 14Ary hoy Iaveh tamin'i Moizy: Raha nororan-drainy ny tavany, moa tsy ho menatra hafitoana va izy? Mitokàna any ivelan'ny toby izy hafitoana, fa rahefa afaka izany vao horaisina ao indray. 15Natokana hafitoana tany ivelan'ny toby Maria, ary tsy niainga ny vahoaka raha tsy efa voaray indray Maria.
       16Nony afaka izany, dia niainga niala tao Hazerota ny vahoaka ka nitoby tao amin'ny efitra Faràna. >