Ny Fanisana
Fanisana toko 14
Fiodinan'ny vahoaka - Sazy nafitsoka azy.
1Dia nanandra-peo nikiakiaka ny fiangonana rehetra, ka nitomany ny vahoaka nandritra iny alina iny. 2Nimonomonona tamin'i Moizy sy Aarona ny zanak'Israely rehetra, ka hoy ny fiangonana rehetra tamin'izy ireo: Inay anie izahay maty tany an-tany Ejipta, na inay anie izahay maty aty amin'ity efitra ity. 3Nahoana no dia nentin'ny Tompo amin'ity tany ity isika, ka ho lavon-tsabatra? Ary ny vady aman-janatsika holasan-ko babo. Tsy aleontsika va miverina ho any Ejipta? 4Dia nifampilaza hoe izy: Andeha hifidy mpitarika isika, ka hiverina any Ejipta.
5Nidaboka niankohoka teo anatrehan'ny fiangonan'ny zanak'Israely rehetra tafavory Moizy sy Aarona. 6Nandritra ny fitafiany Josoe, zanak'i Nòna, sy Kaleba, zanak'i Jefone, anisan'ireo nisafo ny tany, 7ary niteny toy izao tamin'ny fiangonan'ny zanak'Israely rehetra izy ireo: Tany tsara indrindra ny tany notetezinay nosafoina. 8Raha ankasitrahan'ny Tompo isika, dia hampiditra antsika amin'izany tany izany izany izy sy hanome azy antsika; tany tondra-dronono aman-tantely izany. 9Fa aza miodina amin'ny Tompo kosa hianareo, ary aza matahotra ny olona amin'izany tany izany, fa ho fihinana ho antsika izy ireo; ny fialofan'izy ireo efa niala taminy, ary isika omban'ny Tompo, ka aza matahotra azy ireo. 10Raha ilay niteniteny ny hitora-bato an'ireo iny ny fiangonana rehetra dia indro ny voninahitry ny Tompo niseho teo amin'ny trano lay fihaonana, teo imason'ny zanak'Israely rehetra.
11Ary hoy Iaveh tamin'i Moizy: Mandra-pahoviana no haniratsiran'ity vahoaka ity ahy? Ary mandra-pahoviana no tsy hinoany ahy, na dia eo aza ny fahagagana rehetra nataoko teo afovoany? 12Hasiako amin'ny pesta sy hofongorako izy, ary hianao, dia hataoko firenena lehibe sy mahery lavitra noho izy.
13Fa hoy Moizy tamin'ny Tompo: Efa ren'ny Ejipsianina, fa ny herinao no nitondranao ity vahoaka ity niakatra avy tany afovoany; ary efa nolazainy tamin'ny mponina amin'ity tany ity izany. 14Efa ren'izy ireo, fa hianao Iaveh no eo afovoan'ity vahoaka ity, hianao Iaveh no miseho mifanatrika ao; ary ny rahonao no mijanona eo amboniny. Hianao no mandeha eo alohany, amin'ny andry rahona, ny antoandro, ary amin'ny andry afo, ny alina. 15Koa raha vonoinao toy ny singan'olona ity vahoaka ity, ny firenena izay nandre filazana momba anao dia hanao hoe: 16Tsy zakan'ny Tompo ny nampiditra iny vahoaka iny amin'ny tany efa nianianany homena azy, ka izany no namonoany azy tany an'efitra. 17Koa ankehitriny, aoka hiseho ho lehibe ny fahefan'ny Tompo, araka ilay voalazanao hoe: 18Ela vao mitezitra Iaveh, ary sesehena ny hatsaram-pony: mamela ny heloka sy ny fahotana izy, nefa tsy ataony ho tsy manan-tsiny ny meloka, fa mamaly ny heloky ny ray amin'ny zanaka, hatramin'ny taranaka fahatelo sy fahefatra. 19Avelao ny helok'ity vahoaka ity, araka ny halehiben'ny famindramponao toy ny efa namelanao an'ity vahoaka ity, hatrany Ejipta ka hatr'eto!
20Ary hoy Iaveh: Mamela araka ny hatakao aho; 21kanefa velona aho, ary ho feno ny voninahitry ny Tompo ny tany rehetra! 22Ka ireo olona rehetra nahita ny voninahitro amam-pahagagana nataoko tany Ejipta sy tany an'efitra; ireo izay efa naka fanahy ahy impolo sahady, sady tsy nihaino ny feoko, 23dia tsy hahita mihitsy ny tany nampanantenaiko ny razany tamim-pianianana. Tsy misy hahita izany ireo naniratsira ahy ireo. 24Fa i Kaleba mpanompoko kosa, izay nanana hevitra hafa, ary niraikitra tsy nivadika tamiko, dia hampidiriko any amin'ny tany efa nalehany, ary hanana izany ny taranany. 25Ny Amalesita sy ny Kananeana no monina amin'ny lohasaha; koa rahampitso mihodìna hianareo ary miaingà ho any an'efitra amin'ny làlan'ny ranomasina Mena.
26Niteny tamin'i Moizy sy Aarona Iaveh ka nanao hoe: 27Mandra-pahoviana no handeferako ity fiangonana ratsy mimonomonona amiko ity? Reko ny fimonomononana ataon'ny zanak'Israely amiko. 28Lazao amin'izy ireo hoe: Velona aho, hoy Iaveh; hataoko aminareo izay noteneninareo tamin'ny sofiko. 29Hiampatrampatra amin'ity efitra ity ny fatinareo. Hianareo rehetra izay efa nanaovana fanisana ka voaisa, ny efa roapolo taona no ho miakatra, izay efa nimonomonona tamiko, 30dia tsy hisy hiditra amin'ny tany izay nianianako fa hamponenana anareo, afa-tsy Kaleba, zanak'i Jefone, sy Josoe zanak'i Nòna. 31Fa ny zanakareo, izay nolazainareo hoe ho lasan-ko babo, no hampidiriko any; dia izy ireo no hahalala ny tany izay nataonareo tsinontsinona. 32Ny anareo kosa, dia ny fatinareo no hiampatrampatra any an'efitra, 33ary ny zanakareo hiroaka ny biby fiompy any an'efitra, mandritra ny efapolo taona, fa hivesatra ny valin'ny fivadihanareo izy mandra-pahalevona ny fatinareo rehetra aty an'efitra. 34Araka ny efapolo andro nisafoanareo ny tany - fa soloana taona iray ny andro iray, - no hivesaranareo efapolo taona ny hadisoanareo, ka dia ho hitanareo izany hoe fihatahako aminareo. 35Izany no teniko, izaho Iaveh. Izany no ataoko amin'ity fiangonana ratsy izay niodina tamiko. Ho levona aty an'efitra aty izy, ho faty aty.
36Ireo lehilahy nirahin'i Moizy hisafo ny tany, ka nampimonomonona ny fiangonana rehetra taminy nony tafaverina, fa nanao laza ratsy ny tany, 37ireo lehilahy ireo izay nanao laza ratsy ny tany dia maty voan'ny loza teo anatrehan'ny Tompo. 38Josoe zanak'i Nòna sy Kaleba zanak'i Jefone ihany no velona tamin'ireo lehilahy nisafo ny tany.
39Dia nolazain'i Moizy tamin'ny zanak'Israely rehetra izany teny izany, ka safotr'alahelo mafy ny vahoaka. 40Nifoha maraina koa izy ireo, ka niakatra tany an-tampon'ny tendrombohitra, ka nanao hoe: Indreto izahay hiakatra any amin'ny fitoerana voalazan'ny Tompo, fa efa nanota izahay. 41Hoy Moizy: Nahoana hianareo no mandika ny didin'ny Tompo? Tsy hahomby hianareo amin'izany. 42Aza miakatra, fa tsy eo afovoanareo Iaveh, ka aza mitolo-batana ho resin'ny fahavalonareo. 43Eo anoloanareo eo ny Amalesita sy ny Kananeana, ka ho lavon'ny sabatra hianareo, satria nivily tsy hanaraka an'ny Tompo hianareo, ka tsy homba anareo Iaveh. 44Nanao ditra niakatra teo an-tampon'ny tendrombohitra ihany izy ireo, nefa ny fiaran'ny faneken'ny Tompo ary Moizy tsy niala teo afovoan'ny toby; 45ka nirotsahan'ny Amalesita sy ny Kananeana izay nonina tamin'izany tendrombohitra izany izy, dia nasiany sy nataony lambam-bary hatrany Hormà. >