Ny Fanisana
Fanisana toko 15
Didy momba ny sorona - Fanonerana ny ota sasany - Sazin'ilay nandika ny Sabata - Ny sahondran-damba.
1Niteny tamin'i Moizy Iaveh nanao hoe: 2Mitenena amin'ny zanak'Israely, ka lazao azy hoe: Rahefa tonga any amin'ny tany honenanareo sy omeko anareo hianareo, 3ka hanatitra sorona atao amin'ny afo ho an'ny Tompo, na sorona dorana, na sorona fanalam-boady, na fanatitra an-tsitra-po, na amin'ny fetinareo, mba hisy hanitra mahafinaritra ho an'ny Tompo avy amin'ny omby na ny ondrinareo; 4izay hanao ny fanatitra ho an'ny Tompo, dia hanolotra lafarina tsara indrindra ampahafolony, voadity tamin'ny diloilo ampahefatry ny hina, hatao fanatitra; 5hanao fanatitra araraka, divay ampahefatry ny hina, miaraka amin'ny sorona dorana, na ny sorom-pihavanana, isan-janak'ondry. 6Raha ondrilahy no atao sorona dia lafarina tsara indrindra roa ampahafolony, voadity tamin'ny diloilo ampahatelon'ny hina no hatolotrao ho fanatitra; 7ary divay ampahatelon'ny hina no hatolotrao ho fanatitra araraka, mba ho fanolorona misy hanitra mahafinaritra ho an'ny Tompo. 8Raha ombalahy no hatolotrao ho sorona dorana, na ho sorona fanalam-boady na ho sorom-pihavanana, amin'ny Tompo, 9dia lafarina tsara indrindra, telo ampahafolony, voadity tamin'ny diloilo antsasaky ny hina no hatolotrao miaraka amin'ny ombalahy ho fanatitra. 10ary divay antsasaky ny hina, no atolotrao ho fanatitra araraka: Sorona atao amin'ny afo, ho hanitra mahafinaritra ho an'ny Tompo izany. 11Izany no hatao amin'ny isan'omby iray, sy isan'ondrahalahy iray, ary isan-janak'ondry na zanak'osy iray. 12Araka ny isan'ny zavatra hatolotrareo hatao sorona, dia hanaovanareo toy izany tsirairay avy, araka ny isany.
13Hataon'ny tompon-tany rehetra toy izany ireo zavatra ireo raha manatitra sorona atao amin'ny afo izy, ho hanitra mahafinaritra ho an'ny Tompo. 14Raha misy vahiny mitoetra eo aminareo, olona miara-monina aminareo, amin'ny taranaka mifandimby, na iza na iza, ka manatitra sorona atao amin'ny afo ho hanitra mahafinaritra ho an'ny Tompo, dia toy ny hataonareo ihany no hataony. 15Lalàna iray ihany no ho an'ny fiangonana, na ho anareo na ho an'ny vahiny monina eo aminareo; lalàna mandrakizay ho an'ny taranakareo izany: tsy hisy hafa na ny aminareo na ny amin'ny vahiny eo anatrehan'ny Tompo. 16Lalàna iray sy fitsipika iray no ho anareo sy ho an'ny vahiny mitoetra eo aminareo.
17Niteny tamin'i Moizy Iaveh, nanao hoe: 18Mitenena amin'ny zanak'Israely ka lazao aminy hoe: Rahefa tonga any amin'ny tany ampidirako anareo hianareo, 19ka hihinana mofo avy amin'izany tany izany, dia avaho aloha izay ho fanatitra ho an'ny Tompo. 20Ho santatry ny kobanareo, dia havahanareo aloha ny mofo mamy iray hatao fanatitra; havahanareo izany toy ny fanavahana ny fanatitra avy eo am-pamoloana. 21Ho santatry ny kobanareo, dia hanavaka izay ho fanatitra ho an'ny Tompo aloha hianareo, dia hianareo sy ny taranakareo.
22Raha manota tsy nahy hianareo, fa tsy mitandrina ireo didy rehetra nolazain'ny Tompo tamin'i Moizy ireo, 23dia izay rehetra nandidian'ny Tompo anareo tamin'ny alàlan'i Moizy, hatramin'ny andro namoahan'ny Tompo ny didy ka hatrany amin'ny taranaka mandimby anareo, 24raha misy nanota tsy nahy fa tsy fantatry ny fiangonana izany, dia hanatitra vantotr'ombalahy iray ny fiangonana rehetra, ho sorona dorana, ho fanatitra mahafinaritra ho an'ny Tompo, mbamin'ny fanatitra sy ny fanatitra araraka momba azy, araka ny fomba voadidy, ary osilahy iray ho sorona noho ny ota. 25Dia hanao ny fanonerana ho an'ny fiangonan'ny zanak'Israely rehetra ny mpisorona, ka havela ny helony, satria ota vita tsy nahy izany sady efa nanolotra ny fanatiny izy, dia ny sorona atao amin'ny afo ho an'ny Tompo sy ny sorona noho ny ota, eo anatrehan'ny Tompo, noho ny ota nataony tsy nahy. 26Havela heloka ny fiangonan'ny zanak'Israely rehetra, mbamin'ny vahiny mitoetra eo afovoany, satria tsy nahy no nanotan'ny vahoaka rehetra.
27Raha olona iray kosa no nanota tsy nahy, dia osivavy iray, efa iray taona, no hateriny ho sorona noho ny ota. 28Ny mpisorona hanao ny fanonerana, eo anatrehan'ny Tompo, ho an'ilay olona izay diso fa nanota tsy nahy, ka rahefa vita ny fanonerana natao ho azy, dia havela ny helony. 29Amin'ny tompon-tany isan'ny zanak'Israely sy amin'ny vahiny mitoetra eo aminareo dia lalàna iray ihany no ho anareo, raha misy manota tsy nahy. 30Fa na tompon-tany na vahiny, ka sahy manao fanahy iniana kosa, dia olona maniratsira an'ny Tompo izany, ka hesorina eo amin'ny fireneny. 31Satria nanamavo ny tenin'ny Tompo izy sy nandika ny didiny, ka dia hoesorina izany olona izany, hivesatra ny fahotany.
32Raha mbola tany an'efitra ny zanak'Israely, dia nahita lehilahy anankiray nanangona kitay hazo tamin'ny andro sabata. 33Nentin'ireo nahita azy nanangona kitay hazo teo amin'i Moizy sy Aarona ary ny fiangonana rehetra izy. 34Dia nambenana ralehilahy, fa mbola tsy tapaka izay hanaovana azy. 35Hoy Iaveh tamin'i Moizy: Hovonoin-ko faty izany lehilahy izany, ka ny fiangonana rehetra no hitora-bato azy any ivelan'ny toby. 36Dia navoaky ny fiangonana rehetra tany ivelan'ny toby izy; ka notoraham-bato, dia maty, araka ny nandidian'ny Tompo an'i Moizy.
37Hoy Iaveh tamin'i Moizy: 38Mitenena amin'ny zanak'Israely ary ilazao izy mba hanisy sahondra amin'ny zoron-dambany hatramin'ny taranaka mifandimby; ary hanisy kofehy jaky volomparasy amin'ny sahondra isan-jorony avy. 39Ho sahondra ho anareo izany, ary ny fijerena izany dia hahatsiarovanareo ny didin'ny Tompo rehetra mba hanarahanareo azy rehetra, fa tsy hanarahanareo ny fonareo sy ny masonareo, izay mitarika anareo ho amin'ny fivadihana. 40Hahatsiaro ny didiko rehetra hianareo amin'izany, ary hanaraka azy, ka ho masina ho an'Andriamanitrareo izay namoaka anareo tany amin'ny tany Ejipta mba ho Andriamanitrareo. Izaho no Iaveh Andriamanitrareo. >