Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Fanisana

Fanisana toko 16
Ny niodinan'i Kore sy Datàna ary Abirona.

       1Kore, zanak'i Isaara, zanak'i Kaata, zanak'i Levì, dia nitarika olona hiandany aminy, miaraka amin'i Datàna sy Abirona, zanak'i Eliaba, ary Hona, zanak'i Feleta, izay zana-dRobena, 2ary nikomy teo anatrehan'i Moizy izy ireo, dia lehilahy dimam-polo sy roan-jato amin'ny zanak'Israely, filohan'ny fiangonana, sy voafidy hanatrika ny fivorian'ny mpanolo-tsaina ary olona manan-daza.
       3Nivory hiodina amin'i Moizy sy Aarona izy ireo, ka nanao taminy hoe: Aoka izay, fa masina avokoa ny fiangonana rehetra, ny olon-drehetra, ary eo afovoan'izy ireo Iaveh. Nahoana hianareo no manandra-tena ho ambonin'ny fiangonan'ny Tompo?
       4Nony nandre izany Moizy dia nidaboka niankohoka, 5ka niteny tamin'i Kore sy ny tariny rehetra nanao hoe: Rahampitso dia hasehon'ny Tompo izay azy sy izay masina, ka hampanakekezany azy; dia izay nofidiny no hampanakekezany azy. 6Izao no ataovy: Makà fanembohana hianareo, ry Kore sy ny tariny rehetra. 7Rahampitso dia hasianareo afo ireo, ary zava-manitra no hataonareo eo amboniny, eo anatrehan'ny Tompo: izay hofidin'ny Tompo dia izay no masina. Ka aoka izay, ry zanak'i Levì.
       8Ary hoy Moizy tamin'i Kore: Henoy àry, ry zanak'i Levì: 9Ataonareo ho zavatra kely va ny nanavahan'ny Andriamanitr'Israely anareo tamin'ny fiangonan'Israely, ka nampandrosoany anareo ho akaiky azy, mba hanao ny fanompoana momba ny Fonenan'ny Tompo sy hitoetra eo anatrehan'ny fiangonana hanao ny fanompoany. 10Nampandrosoiny ho akaiky azy hianao, mbamin'ny rahalahinao rehetra, ny zanak'i Levì miaraka aminao, ka dia mbola mitsiriritra ny ho mpisorona koa ve? 11Izany no hiraisanareo tetika hiodina amin'ny Tompo hianao sy ny tarikao rehetra? Ary Aarona moa no inona no izy no imonomononanareo?
       12Dia nampiantso an'i Datàna sy Abirona i Moizy, fa hoy ireo: Izahay tsy hiakatra. 13Tsy ampy va ny namoahanao anay tany amin'ny tany tondra-dronono sy tantely mba hahafaty anay aty an'efitra, no dia manangan-tena ho lehibenay koa hianareo? 14Eh, tsy tany tondra-dronono sy tantely no nitondranao anay; tsy saha aman-tanim-boaloboka no natolotrao ho fanananay! Heverinao hopotsirina angaha ny mason'ireto olona ireto? Izahay tsy hiakatra. 15Tezitra indrindra Moizy, ka hoy izy tamin'ny Tompo: Aza asianao raharaha akory izay fanatitr'ireo, fa tsy mba naka tamin'ireo aho, na dia ampondra iray aza, ary tsy nisy nasiako ratsy ireo na dia iray aza.
       16Hoy Moizy tamin'i Kore: Rahampitso hianao sy ny tarikao rehetra mitoetra eo anatrehan'ny Tompo, dia izy ireo sy hianao mbamin'i Aarona. 17Samia maka ny fanembohanareo hianareo; ka asio zava-manitra, ary samia mitrondra ny fanembohanareo ho eo anatrehan'ny Tompo dia ho fanembohana dimampolo sy roan-jato izany; ary hianao sy Aarona koa dia samy hitondra ny fanembohanareo.
       18Dia samy naka ny fanembohany avy izy rehetra, ka nasiany afo tao anatiny, sy norarahany zava-manitra koa; dia nijanona teo am-baravaran'ny trano lay fihaonana izy, mbamin'i Moizy sy Aarona. 19Nantsoin'i Kore ho eo am-baravaran'ny trano lay fihaonana ny fiangonana rehetra, hanohitra an'i Moizy sy Aarona. Dia niseho tamin'ny fiangonana rehetra ny voninahitry ny Tompo. 20Ary niteny tamin'i Moizy sy Aarona Iaveh ka nanao hoe: 21Mialà eo afovoan'ity fiangonana ity hianareo, handringanako azy indray mihelina monja. 22Ary niankohoka tamin'ny tany izy ireo ka nanao hoe: Andriamanitra ô, ry Andriamanitry ny fanahin'ny nofo rehetra, olona iray no nanota, ka no dia tezitra amin'ny fiangonana rehetra hianao? 23Niteny tamin'i Moizy Iaveh ka nanao hoe: 24Mitenena amin'ny fiangonana, lazao hoe: Mihataha hianareo rehetra, mialà amin'ny manodidina ny lain'i Kore sy Datàna ary Abirona.
       25nitsangana nankeo amin'i Datàna sy Abirona i Moizy ary nisy nanaraka azy ny loholon'Israely. 26Ary niteny tamin'ny fiangonana izy, nanao hoe: Manalavira hianareo ny lain'ireto olon-dratsy ireto, ary aza mikasika izay azy, na inona na inona, fandrao dia ringana koa hianareo, azon'ny fahotany rehetra. 27Nihatahan'ny olona ny manodidina ny fonenan'i Kore sy Datàna ary Abirona. Dia nivoaka Datàna sy Abirona, ary nitoetra teo am-baravaran'ny lainy, miaraka amin'ny vady aman-janany, ary ny zafiny. 28Hoy Moizy: Izao no hahafantaranareo fa Iaveh no naniraka ahy mba hanao ireny zavatra rehetra ireny, fa tsy avy amiko izany. 29Raha toy ny fahafatin'ny olona rehetra ihany no ahafaty an'ireo olona ireo, ary raha sahala amin'ny an'ny olona rehetra ihany no hanjo azy, dia tsy Iaveh no naniraka ahy. 30Fa raha manao zavatra tsy fandre kosa Iaveh, raha ny tany no manoka-bava sy mitelina an'ireo mbamin'izay azy rehetra, ka midina velona any amin'ny fonenan'ny maty ireo, dia ho fantatrareo fa naniratsira an'ny Tompo ireo olona ireo.
       31Raha vantany vao tapitra voalazany izany teny izany dia nivava teo ambanin'izy ireo ny tany, 32nanoka-bava ny tany, ka nitelina azy ireo, dia izy mbamin'ny finakaviany ary ny ankohonan'i Kore rehetra sy ny fananany rehetra. 33Latsaka velona teny amin'ny fonenan'ny maty ny tenan'izy ireo mbamin'izay azy rehetra, dia nikatona taminy ny tany, ka fongotra teo amin'ny fiangonana izy. 34Nandositra Israely rehetra nanodidina azy ireo, noho ny fidradradradrany; fa hoy izy: Ndrao dia hatelin'ny tany koa isika. 35Ary nisy afo nivoaka avy ao akaikin'ny Tompo nandevona ireo dimampolo sy roan-jato lahy nanatitra zava-manitra. >