Ny Fanisana
Fanisana toko 17
Fimenomenonan'ny vahoaka - Ny tehin'i Aarona.
1Niteny tamin'i Moizy Iaveh nanao hoe: 2Ilazao Eleazara, zanak'i Aarona mpisorona, hanala ny fanembohana eny amin'ny may sy hanely ny afo any lavitra any, fa zava-masina ireny. 3Aoka ny fanembohan'ireo olona nanota nihatra amin'ny ainy ireo hofisahina ho takelaka manify mba handrakofana ny otely, fa efa naterina teo anatrehan'ny Tompo ireny, ka tonga zava-masina; dia ho famantarana ho an'ny zanak'Israely izany. 4Dia nalain'i Eleazara mpisorona ny fanembohana varahina naterin'ireo olona levon'ny afo, ka nofisahiny ho takelaka handrakofana ny otely. 5Fahatsiarovana ho an'ny zanak'Israely izany, mba tsy hisy olon-kafa, tsy anisan'ny taranak'i Aarona handroso hanatitra zava-manitra eo anatrehan'ny Tompo, ka dia ho tahaka an'i Kore sy ny tariny, araka izay nolazain'ny Tompo taminy, tamin'ny alalan'i Moizy.
6Nony ampitso dia nimonomonona tamin'i Moizy sy Aarona ny fiangonan'ny zanak'Israely rehetra nanao hoe: Hianareo efa nahafaty ny vahoakan'ny Tompo. 7Fa raha ilay nivory hanohitra an'i Moizy sy Aarona iny ny fiangonana, dia nitodika ny trano lay fihaonana Moizy sy Aarona, ka indro fa nanarona an'io ny rahona ary ny voninahitry ny Tompo niseho. 8Nandroso teo anoloan'ny trano lay fihaonana Moizy sy Aarona, 9ka niteny tamin'i Moizy Iaveh nanao hoe: 10Mialà hianareo eo afovoan'ity fiangonana ity, handringanako azy indray mihelina. Dia niankohoka tamin'ny tany izy. 11Ary hoy Moizy tamin'i Aarona: Alao ny fanembohana ary asio afo avy eo ambonin'ny otely, asio zava-manitra, ka mandehana faingana ho eo amin'ny fiangonana, dia manaova ny fanonerana ho azy ireo, fa efa nivoaka avy eo anatrehan'ny Tompo ny fahatezerana, ary efa manomboka ny loza. 12Nalain'i Aarona araka ny voalazan'i Moizy ny fanembohana, ka nihazakazaka nankeo afovoan'ny fiangonana izy; ary indro, efa nanomboka ny loza eo amin'ny vahoaka. Dia nasiany zava-manitra ny fanembohana, ka nataony ny fanonerana ho an'ny vahoaka. 13Nijanona teo anelanelan'ny maty sy ny velona izy, dia nitsahatra ny loza. 14Fiton-jato sy efatra arivo sy iray alina, no matin'io loza io, afa-tsy ireo maty noho ny amin'i Kore. 15Dia niverina nankeo amin'i Moizy teo anoloan'ny trano lay fihaonana Aarona ary efa nitsahatra ny loza.
16Niteny tamin'i Moizy Iaveh nanao hoe: 17Mitenena amin'ny zanak'Israely, ary angalao tehina izy ireo, dia tehina iray avy isam-pokom-pianakaviany, dia tehina roa ambin'ny folo. Samy soraty amin'ny tehina ny anarany tsirairay avy. 18Ny anaran'i Aarona no soraty amin'ny tehin'i Levì, fa ho iray ny tehina isam-pilohan'ny fokom-pianakaviany avy. 19Dia hapetrakao ao an-trano lay fihaonana ireo, eo anoloan'ny vavolombelona, izay ihaonako aminareo. 20Izay lehilahy tompon'ny tehina hamony, dia izy no hofidiko, ka dia hampanginiko ny fimonomononan'ny zanak'Israely aminareo eo anatrehako.
21Niteny tamin'ny zanak'Israely Moizy, ka nanatitra tehina iray taminy ny filohany rehetra, tehina iray isam-pilohany, araka ny fokom-pianakaviany avy, dia tehina roa ambin'ny folo izany, ary ny tehin'i Aarona dia teo afovoan'ny tehin'izy ireo. 22Napetrak'i Moizy teo anatrehan'ny Tompo ny tehina, tao an-trano lay fihaonana. 23Nony ampitso, niverina tao an-trano lain'ny vavolombelona Moizy, ka indro fa ny tehin'i Aarona, dia naniry vony ho an'ny fokon'i Levì, naniriam-bokony sy nivelaram-bony ary namoazana amandy. 24Nentin'i Moizy avy teo anatrehan'ny Tompo ny tehina rehetra ho eo amin'ny zanak'Israely rehetra, dia nahita izany izy ireo, ka samy naka ny tehiny avy.
25Hoy Iaveh tamin'i Moizy: Avereno ho eo anoloan'ny vavolombelona ny tehin'i Aarona, hotehirizina ho famantarana ho an'ny zanaky ny fikomiana, mba hampitsaharanao ny fimonomononan'izy ireo eo anatrehako, mba tsy ho faty izy. 26Dia nataon'i Moizy izany, nataony araka ny nandidian'ny Tompo azy. 27Hoy ny zanak'Israely tamin'i Moizy: Indro fa maty izahay, ringana izahay, ringana avokoa izahay rehetra. 28Fa maty izay rehetra manakaiky ny Fonenan'ny Tompo, ka dia ho faty avokoa izany izahay? >