Ny Fanisana
Fanisana toko 18
Ny raharaha sy ny anjara fiveloman'ny mpisorona sy ny Levita.
1Hoy Iaveh tamin'i Aarona: Hianao sy ny zanakao ary ny fianakavian-drainao miaraka aminao no hitondra ny heloka momba ny fitoerana masina; hianao sy ny zanakao miaraka aminao no hitondra ny heloka momba ny fisoronanareo. 2Ento manatona miaraka aminao koa ny rahalahinao, ny fokon'i Levì, ny fokon-drainao, ho mpanampy anao, hanompoany anao, rahefa mby anoloan'ny trano lain'ny vavolombelona hianao sy ny zanakao miaraka aminao. 3Hanatanteraka ny fanompoanao sy ny fanompoana momba ny trano lay rehetra izy, nefa tsy hanakaiky ny fanaky ny fitoerana masina na ny an'ny otely, fandrao maty hianareo, dia izy sy hianareo. 4Ho mpanampy anao izy ireo, ary hanatanteraka ny fanompoana momba ny trano lay fihaonana amin'ny asa rehetra ao an-trano lay. Fa ny olon-kafa tsy hanakaiky anareo. 5Dia hotanterahinareo ny fanompoana momba ny fitoerana masina sy ny fanompoana momba ny otely, mba tsy hisy fahatezerana amin'ny zanak'Israely intsony. 6Indro efa nalaiko teo afovoan'ny zanak'Israely ny Levita rahalahinareo. Efa natolotra an'ny Tompo izy ka atolotra aminareo ho fanomezana mba hanao ny raharahan'ny trano lay fihaonana. 7Hianao sy ny zanakao miaraka aminao hanatanteraka ny raharaham-pisoronanareo amin'ny zavatra rehetra momba ny otely, mbamin'izay rehetra ao anatin'ny efitra lamba. Izany no raharaha hataonareo. Raharaha azo maimaim-poana no anomezako anareo ny fisoronanareo. Izay olon-kafa manakaiky hatao maty.
8Ary hoy Iaveh tamin'i Aarona: Indro omeko anao ny fizakàna ny zavatra rehetra voavaka ho ahy, dia ny zava-drehetra voatokana avy amin'ny zanak'Israely. Ny fanosorana anao no antony anomezako izany ho anao sy ny zanakao ho lalàna mandrakizay. 9Izao no ho anjaranao amin'ny zava-masina indrindra, ialan'izay holevonin'ny afo: ny zavatra hatolony rehetra, izany hoe ny fanatiny rehetra, ny sorona rehetra noho ny ota, ny sorom-panonerana rehetra hatolony ho ahy; izany rehetra izany izay zava-masina indrindra, dia ho anao sy ny zanakao. 10Amin'ny toerana masina indrindra no hihinananareo azy, ny lehilahy rehetra no mihinana azy; masina ho anao izany. 11Izao koa no ho anao: ny zavatra rehetra voavaka amin'ny fanomezany, dia amin'ny fanatitra ahevaheva rehetra avy amin'ny zanak'Israely, omeko anao sy ny zanakao lahy ary ny zanakao vavy miaraka aminao ho lalàna mandrakizay; na iza na iza madio ao an-tranonao, dia hihinana amin'izany avokoa. 12Omeko anao avokoa ny tsara indrindra amin'ny diloilo, sy ny tsara indrindra amin'ny divay vaovao sy amin'ny vary, dia ny voaloham-bokatra hateriny ho an'ny Tompo. 13Ho anao ny voaloham-bokatry ny taniny haterin'izy ireo ho an'ny Tompo. Hihinana amin'izany izay rehetra madio ao an-tranonao. 14Ho anao ny zavatra rehetra nivoadiana ho anatema ao amin'Israely. 15Ny voalohan-teraky ny nofo rehetra ateriny ho an'ny Tompo, na olona na biby, dia ho anao avokoa. Kanefa asaovy havotana ny voalohan-teraky ny olona, sy ny voalohan-teraky ny biby maloto. 16Ny amin'ny fanavotana azy dia asaovy havotana rahefa teraka iray volana izy, araka izay nanombanana azy, dia dimy sikla volafotsy araka ny sikla masina izay roapolo gera avy. 17Fa ny voalohan-teraky ny omby kosa, na ny voalohan-teraky ny ondry, na ny voalohan-teraky ny osy, dia aza asaina havotana, fa masina ireny; ka hararakao eo ambonin'ny otely ny rany, hodoranao hanetona ny saborany, sorona atao amin'ny afo izany, ho hanitra mahafinaritra ho an'ny Tompo; 18ary ny henany dia ho anao, tahaka ny tratrany ahevaheva, sy ny feny havanana. 19Izay rehetra voavaka avy amin'ny zavatra masina, izay avahan'ny zanak'Israely ho an'ny Tompo, dia omeko anao sy ny zanakao lahy ary ny zanakao vavy miaraka aminao, ho lalàna mandrakizay, fanekena voasira mandrakizay eo anatrehan'ny Tompo izany, ho aminao sy ny taranakao miaraka aminao.
20Ary hoy Iaveh tamin'i Aarona: Tsy mba hanan-dova eo amin'ny taniny hianao, ary tsy mba hisy izay ho anjaranao eo afovoan'izy ireo; fa izaho no anjaranao sy lovanao eo afovoan'ny zanak'Israely. 21Indro omeko ho lovan'ny taranak'i Levì ny fahafolon-karena rehetra amin'Israely noho ny raharaha ataony, dia ny raharahan'ny trano lay fihaonana. 22Tsy hanakaiky ny trano lay fihaonana intsony ny zanak'Israely, fandrao dia hitondra ny helony izy ka maty. 23Ny Levita ihany no hanao ny raharahan'ny trano lay fihaonana, dia izy no hitondra ny helony. Ho lalàna mandrakizay amin'ny taranakareo, no tsy hananany lova eo afovoan'ny zanak'Israely. 24Fa ny fahafolon-karena hatokan'ny zanak'Israely ho an'ny Tompo no omeko ho lovan'ny Levita; izany no ilazako aminy hoe: Tsy hanan-dova eo afovoan'ny zanak'Israely izy.
25Niteny tamin'i Moizy Iaveh, nanao hoe: 26Mitenena amin'ny Levita hianao, ka lazao amin'izy ireo hoe: Rahefa mandray ny fahafolon-karena avy amin'ny zanak'Israely hianareo, izay omeko ho lovanareo avy amin'ny fananan'izy ireo, dia hanokananareo izay ho fanatitra ho an'ny Tompo, ampahafolon'ny ampahafolon-karena. 27Ary izany fanokanana hataonareo izany dia horaisina ho solon'ny vary atokana avy eo ampamoloana, ho solon'ny divay vaovao avy amin'ny barika. 28Dia mba toy izany koa no hanokananareo fanatitra ho an'ny Tompo, avy amin'ny fahafolon-karena horaisinareo amin'ny zanak'Israely; ary izany fanatitra voatokana ho an'ny Tompo izany, dia homenareo an'i Aarona mpisorona. 29Amin'ny fanomezana rehetra horaisinareo, dia hanokananareo ny fanatitra rehetra izay an'ny Tompo: amin'ny tsara indrindra rehetra, dia hanokananareo ny anjara masina avahana aminy. 30Lazao aminy hoe: Raha manokana ny tsara indrindra amin'izany hianareo, dia hisaina ho an'ny Levita ny am-pahafolony, ho solon'ny vokatra avy eo am-pamoloana, sy ho solon'ny vokatra avy eo amin'ny famiazana. 31Hihinana izany amin'ny toerana rehetra hianareo sy ny finakavianareo, fa karamanareo izany, noho ny raharaha ataonareo ao amin'ny trano lay fihaonana. 32Rahefa ny tsara indrindra aminy no natokanareo, dia tsy hahazo heloka ny amin'izany hianareo; tsy handoto ny fanatitra masina avy amin'ny zanak'Israely, ka tsy ho faty hianareo. >