Ny Fanisana

Toko faha-19

1 Niteny tamin'i Moizy sy Aarona Iaveh nanao hoe:

2 Izao no didin'ny lalàna nandidian'ny Tompo, nataony hoe: Ilazao ny zanak'Israely hitondra ombivavy manja mena iray, tsy misy takaitra na kilemam-batana sady mbola tsy nitondra jioga. 3 Hatolotrareo an'i Eleazara mpisorona izany, dia hasainy havoaka ny toby, ary hovonoina eo anatrehany. 4 Ary hangalan'i Eleazara mpisorona amin'ny rantsan-tànany ny ran'ny ombivavy ka hafafiny impito mankamin'ny varavaran'ny trano lay fihaonana. 5 Dia hodorana eo imasony ilay omby, hodorana ny hodiny, ny nofony, ny rany, mbamin'ny tain-drorohany. 6 Ary ny mpisorona haka hazo sedera sy hisopa ary lamba mena antitra, ka hanipy izany ao afovoan'ny afo mandoro ny ombivavy. 7 Dia hosasan'ny mpisorona ny fitafiany ary hampandroiny amin'ny rano ny tenany; manaraka izany, dia hiditra eo an-toby izy, ka haloto mandra-paharivan'ny andro. 8 Izay nandoro ny omby dia hanasa ny fitafiany amin'ny rano, ary hampandro ny tenany amin'ny rano, ary haloto mandra-paharivan'ny andro. 9 Hisy lehilahy madio anankiray hanangona ny lavenon'ilay ombivavy, sy hametraka azy amin'ny toerana madio anankiray any ivelan'ny toby, hotehirizina ho an'ny fiangonan'ny zanak'Israely izany hatao amin'ny rano manafaka ny loto; sorona noho ny ota izany. 10 Izay nanangona ny lavenon'ny ombivavy dia hanasa ny lambany, ary haloto mandra-paharivan'ny andro. Lalàna mandrakizay izany ho an'ny zanak'Israely sy ho an'ny vahiny mitoetra eo aminy. 11 Izay mikasika faty, rahefa mety ho fatin'olona, dia haloto hafitoana.

12 Hanadio tena amin'izany rano izany izy, amin'ny andro fahatelo sy fahafito, dia hadio, fa raha tsy manadio tena amin'ny andro fahatelo sy fahafito izy, dia tsy hadio. 13 Izay hikasika faty, dia ny vatan'olona efa maty, nefa tsy hanadio tena, dia mandoto ny Fonenan'ny Tompo, ka hoesorina amin'Israely izany olona izany. Satria tsy nofafazana ny rano manafaka ny loto izy, dia maloto ary ny fahalotoany dia mbola eo aminy ihany. 14 Izao no lalàna: Raha misy olona maty ao amin'ny trano lay anankiray, dia haloto hafitoana avokoa ny olona rehetra miditra ao an-day, sy ny zavatra rehetra ao anaty lay.

15 Ny fitoeran-javatra rehetra misokatra fa tsy misy sarona mipetaka aminy, dia haloto. 16 Na iza na iza any an-tsaha, mikasika olona novonoin-tsabatra, na fatin'olona, na taolam-paty, na fasana, dia haloto hafitoana. 17 Dia hangalana ho an'izay maloto ny lavenon'ny sorona izay nodorana, natao sorom-panonerana, ka hametrahana rano velona eo an-dovia eo amboniny. 18 Ary haka hisopa ny lehilahy madio anankiray ka handroboka azy eo amin'ny rano, dia hamafy izany amin'ny lay sy amin'ny fanaka rehetra, ary amin'ny olona rehetra tao, amin'izay nikasika taolana, na olona novonoina, na faty, na fasana. 19 Ny olona madio no hamafy amin'izay maloto, amin'ny andro fahatelo sy amin'ny andro fahafito, ka hanala ny otany amin'ny andro fahafito. Dia hanasa ny fitafiany sy handro amin'ny rano ilay maloto, ka hadio rahefa hariva. 20 Fa ny olona izay tonga maloto, nefa tsy manadio tena, dia hoesorina amin'ny fiangonana, satria mandoto ny Fitoerana masin'ny Tompo. Satria tsy nofafazana ny rano manafaka ny loto izy, dia maloto. 21 Lalàna mandrakizay ho azy ireo izany. Izay mamafy ny rano manafaka ny loto, dia hanasa ny fitafiany; ary izay mikasika ny rano manafaka ny loto, dia haloto mandra-paharivan'ny andro. 22 Ny zavatra rehetra kasihin'izay maloto, dia haloto, ary ny olona mikasika azy, dia haloto mandra-paharivan'ny andro.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2058