Ny Fanisana
Fanisana toko 2
Filaharana eo an-dasy sy eny an-dàlana.
1Ary niteny tamin'i Moizy Iaveh nanao hoe: 2Ny zanak'Israely dia samy hitoby eo akaikin'ny fanevany, sy ho eo ampototry ny sainan'ny fokom-pianakaviany avy. Manandrify sy manodidina ny trano lay fihaonana no hitobian'izy ireo.
3Ny fanevan'ny tobin'i Jodà no hiorin-dasy eo anoloany eo amin'ny lafiny atsinanana mbamin'ny antokony avy. Ny filohan'ny taranak'i Jodà dia Nahasona zanak'i Aminadaba 4ary enin-jato amby efatra arivo sy fito alina ny antoko-miaramilany araka ny lehilahy voaisa. 5Ny fokon'Isakara no hitoby eo anilany. Ny filohan'ny taranak'Isakara dia Natanaela zanak'i Soara, 6ary efa-jato amby efatra arivo sy dimy alina ny antoko-miaramilany, araka ny lehilahy voaisa. 7Manaraka nizany dia ny fokon'i Zabolona. Ny filohan'ny taranak'i Zabolona dia Eliaba zanak'i Helona, 8ary efa-jato amby fito arivo sy dimy alina ny antoko-miaramilany araka ny lehilahy voaisa. 9Araka ny lehilahy voaisa dia efa-jato amby enina arivo sy valo alina sy iray hetsy no totalin'ny eo amin'ny tobin'i Jodà, araka ny antokony avy. Ireo no ho lohalàlana rahefa hiainga.
10Ny fanevan'ny tobin-dRobena no ho eo amin'ny lafiny atsimo; mbamin'ny antokony avy. Ny filohan'ny tarana-dRobena dia Elizora zanak'i Sedeora. 11Ary diman-jato amby enina arivo sy efatra alina ny antoko-miaramilany, araka ny lehilahy voaisa. 12Ny fokon'i Simeona no hitoby eo anilany. Ny filohan'ny taranak'i Simeona, dia Salamiela zanak'i Sorisadaia; 13ary telon-jato amby sivy arivo sy dimy alina ny antoko-miaramilany, araka ny lehilahy voaisa. 14Manaraka izany dia ny fokon'i Gada. Ny filohan'ny taranak'i Gada dia Eliazafa zanak'i Doela, 15ary dimam-polo amby enin-jato sy dimy arivo sy efatra alina ny antoko-miaramilany, araka ny lehilahy voaisa. 16Ka dia dimam-polo amby efa-jato sy arivo sy dimy alina sy iray hetsy no totalin'ny eo amin'ny tobin-dRobena, araka ny lehilahy voaisa manaraka ny antokony avy. Ireo no ho laharana faharoa eny an-dàlana.
17Izay vao handroso ny trano lay fihaonana, ny antokon'ny Levita eo afovoan'ny toby rehetra. Ary araka ny filaharany eo an-dasy ihany no ho fandehany eny an-dàlana koa, samy eo an-daharany manaraka ny fanevany avy.
18Ny fanevan'i Efraima no ho eo andrefana, mbamin'ny antokony. Ny filohan'ny taranak'i Efraima, dia Elisamà zanak'i Amioda; 19ary diman-jato amby efatra alina ny antoko-miaramilany, araka ny lehilahy voaisa. 20Ny fokon'i Manase no hitoby eo anilany. Ny filohan'ny taranak'i Manase dia Gamaliela zanak'i Fadasora, 21ary roan-jato amby roa arivo sy telo alina ny antoko-miaramilany, araka ny lehilahy voaisa. 22Manaraka izany, dia ny fokon'i Benjamina. Ny filohan'ny taranak'i Benjamina dia Abidàna zanak'i Jedeona, 23ary efa-jato amby dimy arivo sy telo alina ny antoko-miaramilany, araka ny lehilahy voaisa. 24Ka dia zato amby valo arivo sy iray hetsy no totalin'ny eo amin'ny tobin'i Efraima, araka ny lehilahy voaisa, manaraka ny antokony avy. Ireo no laharana fahatelo eny an-dàlana.
25Ny fanevan'ny tobin'i Dana no ho eo avaratra, mbamin'ny antokony. Ny filohan'ny taranak'i Dana dia Ahiesera zanak'i Amisadaìa; 26ary fiton-jato amby roa arivo sy enina alina ny antoko-miaramilany, araka ny lehilahy voaisa. 27Ny fokon'i Asera no hitoby eo anilany. Ny filohan'ny taranak'i Asera dia Fegiela zanak'i Okrana, 28ary diman-jato amby arivo sy efatra alina ny antoko-miaramilany, araka ny lehilahy voaisa. 29Manaraka izany dia ny fokon'i Neftalì. Ny filohan'ny taranak'i Neftalì dia Ahira zanak'i Enàna, 30ary efa-jato amby telo arivo sy dimy alina ny antoko-miaramilany, araka ny lehilahy voaisa. 31Ka dia enin-jato amby fito arivo sy dimy alina sy iray hetsy no tontalin'ny eo amin'ny tobin'i Dana, araka ny lehilahy voaisa. Ireo kosa no ho vody làlana manaraka ny fanevany avy.
32Ireo no isan'ny zanak'Israely voasoratra tamin'ny fanisana azy, araka ny fokom-pianakaviany avy. Dimam-polo amby diman-jato sy telo arivo sy enina hetsy no tontalin'ny lehilahy voaisa, voatokotoko isan-tobiny araka ny antoko-miaramilany avy. 33Tsy anisan'ny voaisa niaraka tamin'ny zanak'Israely ny levita, araka ny nandidian'ny Tompo an'i Moizy.
34Notanterahin'ny zanak'Israely avokoa izay rehetra nandidian'ny Tompo an'i Moizy. Toy izany no nitobiany samy araka ny fanevany avy. Toy izany no nilaharany teo am-pandehanana araka ny fianakaviany avy sy ny fokom-pianakaviany avy. >