Ny Fanisana

Toko faha-21

1 Ren'ilay Kananeana, mpanjakan'i Arada, nonina tao Negeba, fa hoe tamy Israely, mihazo ny làlana mankany Atarina, ka rafitra niady taminy, sy nahazo sambo-belona tamin'Israely izy.

2 Dia nivoady tamin'ny Tompo Israely, nanao hoe: Raha atolotrao eo an-tànako ity firenena ity, dia hovoadiko hatao anatema ny tanànany. 3 Nohenoin'ny Tompo ny feon'Israely, ka natolony ny Kananeana, dia natao anatema izy ireo, mbamin'ny tanànany. Ary ny anaran'izany fitoerana izany, dia natao hoe Hormà. 4 Niala tany an-tendrombohitra Hora izy ireo, dia nihazo ny làlan'ny ranomasina Mena, hanodidina ny tanin'i Edoma. Namoifo tsy niaritra ny vahoaka tamin'io làlana io,

5 ka niteny nanome tsiny an'Andriamanitra sy Moizy hoe: Nahoana no dia nentinao niakatra avy tany Ejipta izahay ho faty aty an'efitra? Ny mofo tsy misy, ny rano tsy misy, ary ny fanahinay efa monainan'itony hanina tsinontsinona itony. 6 Ary Iaveh tamin'izay nandefa bibilava mahamay hamely ny vahoaka: nokekerin'ireny ny vahoaka ary nahafatesana betsaka ny olona tamin'Israely. 7 Nankeo amin'i Moizy ny vahoaka ka nanao hoe: Efa nanota izahay fa niteny nanome tsiny an'ny Tompo sy hianao. Mivavaha amin'ny Tompo mba hoesoriny lavitra anay ireo bibilava ireo. Dia nivavaka ho an'ny vahoaka Moizy, 8 ka hoy Iaveh tamin'i Moizy: Manaova hianao bibilava mahamay ka apetraho amin'ny tsato-kazo, fa ho velona aina izay rehetra voakaikitra ka mijery izany. 9 Dia nanao bibilava varahina Moizy, ka napetrany teo amin'ny tsato-kazo lava, dia nijery ny bibilava varahina izy dia velona. 10 Niainga ny zanak'Israely, ka nitoby tao Obota;

11 Niala tao Obota izy, dia nitoby tao Jeabarima ao amin'ny efitra mifanandrify amin'i Moaba, ao amin'ny fiposahan'ny masoandro. 12 Niala tao izy, dia nitoby tao amin'ny lohasahan'i Zareda. 13 Niala tao izy, dia nitoby tao an-dafin'i Arnòna, izay mivalana amin'ny efitra, rahefa mivoaka ny faritanin'ny Amoreana; fa Arnòna no faritr'i Moaba, eo anelanelan'i Moaba sy ny Amoreana. 14 Ka izany no ilazana ao amin'ny bokin'ny Adin'ny Tompo hoe: Lasan'ny Tompo Vaheba mirimorimo fandeha, sy ny ranon-driakan'i Arnòna, 15 ary ny kisolosolon'ny ranon-driaka izay mitsontsorika mankany amin'ny fitoerana Ara, sy mipaka amin'ny Amoreana. 16 Avy ao, dia nankany Beera izy. Io ilay fantsakana nilazan'ny Tompo tamin'i Moizy hoe: Angony ny vahoaka ka homeko rano izy ireo.

17 Tamin'izay no nihira izao tononkira izao Israely: 18 Misondrota, ry fantsakana! Hobionareo izy. Fantsakana nolavahin'ny andriandahy, nabanabanan'ny lehiben'ny vahoaka, tamin'ny tehina fanapahana, dia ny tehin'izy ireo.

19 Avy tany an'efitra izy ireo, dia nankany Matanà; avy any Matanà dia nankany Nahaliela; avy any Nahaliela, dia nankany Bamota;

20 avy any Bamota, dia nankany amin'ny lohasaha izay ao amin'ny sahan'i Moaba, eo an-tampon'i Fasgà, izay manerinerina amin'ny efitra. 21 Ary Israely nandefa iraka ho any amin'i Sehona, mpanjakan'ny Amoreana, hanao aminy hoe:

22 Avelao aho mba handalo ny taninao: fa tsy hivily ho amin'ny saha izahay, na ho amin'ny tanim-boaloboka; ary tsy hisotro ny rano amin'ny fantsakana; fa hizotra amin'ny làlan'andriana izahay, mandra-pahafakay ny faritaninao. 23 Tsy navelan'i Sehona handalo ny faritaniny Israely, fa nanangona ny vahoakany rehetra izy, ka nivoaka hitsena an'Israely, tany an'efitra; dia tonga tany Jasà ary rafitra ady tamin'Israely. 24 Israely namely azy tamin'ny lelan-tsabatra, ka nahazo ny taniny hatrany Arnòna ka hatrany Jabaoka, hatreo amin'ny zanak'i Amona, fa mafy ny faritry ny tanin'ny zanak'i Amona. 25 Nalain'Israely avokoa izany tanàna rehetra izany, ka nonenan'Israely ny tanànan'ny Amoreana rehetra, dia Hesebona sy ny zana-bohiny rehetra. 26 Hesebona no tanànan'i Sehona, mpanjakan'ny Amoreana, izay efa nanafika ny mpanjakan'i Moaba taloha sy naka ny taniny rehetra hatrany Arnòna. 27 Izany no nanaovan'ny mpanao tononkira hoe: Midira ao Hesebona hianareo. Aoreno indray ka hamafiso ny tanànan'i Sehona. 28 Fa nisy afo nivoaka avy tao Hesebona, Ary lelafo avy tao an-tanànan'i Sehona, Ka nandevona an'i Ara-Moaba, Dia ny tompon'ny havoan'i Arnòna.

29 Loza ho anao, ry Moaba! Levona hianao, ry vahoakan'i Kamosy; Nafoiny ny zanany lahy nandositra, Ary ny zanany vavy lasan-ko babo Ho an'i Sehona, mpanjakan'ny Amoreana.

30 Nolefasantsika zana-tsipìka izy ireo; Rava Hesebona hatrany Dibona, Ary nofoanantsika hatrany Nofe, Sy norehetantsika hatrany Medabà.

31 Dia nitoetra teo amin'ny tanin'ny Amoreana Israely. 32 Naniraka olona hisafo an'i Jazera Moizy; dia afak'izy ireo ny zana-bohiny, ka noroahiny ny Amoreana tamin'ireny. 33 Izay izy, dia niova làlana ka niakatra ny làlana mankany Basàna; Nivoaka Oga, mpanjakan'i Basàna, mbamin'ny vahoakany rehetra nitsena azy ireo, mba hiady aminy ao Edraìa.

34 Ary hoy Iaveh tamin'i Moizy: Aza matahotra azy, fa atolotro eo an-tànanao izy mbamin'ny vahoakany rehetra, ary ny taniny, ka ataovy toy ny nanaovanao an'i Sehona, mpanjakan'ny Amoreana izay nonina tao Hesebona. 35 Dia nandresy azy mbamin'ny zanany lahy sy ny vahoakany rehetra izy ireo; tsy nasiany niangana na dia iray aza, ka azony ny taniny.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.099