Ny Fanisana
Fanisana toko 21, 4-9,
<4Niala tany an-tendrombohitra Hora izy ireo, dia nihazo ny làlan'ny ranomasina Mena, hanodidina ny tanin'i Edoma. Namoifo tsy niaritra ny vahoaka tamin'io làlana io, 5ka niteny nanome tsiny an'Andriamanitra sy Moizy hoe: Nahoana no dia nentinao niakatra avy tany Ejipta izahay ho faty aty an'efitra? Ny mofo tsy misy, ny rano tsy misy, ary ny fanahinay efa monainan'itony hanina tsinontsinona itony. 6Ary Iaveh tamin'izay nandefa bibilava mahamay hamely ny vahoaka: nokekerin'ireny ny vahoaka ary nahafatesana betsaka ny olona tamin'Israely. 7Nankeo amin'i Moizy ny vahoaka ka nanao hoe: Efa nanota izahay fa niteny nanome tsiny an'ny Tompo sy hianao. Mivavaha amin'ny Tompo mba hoesoriny lavitra anay ireo bibilava ireo. Dia nivavaka ho an'ny vahoaka Moizy, 8ka hoy Iaveh tamin'i Moizy: Manaova hianao bibilava mahamay ka apetraho amin'ny tsato-kazo, fa ho velona aina izay rehetra voakaikitra ka mijery izany. 9Dia nanao bibilava varahina Moizy, ka napetrany teo amin'ny tsato-kazo lava, dia nijery ny bibilava varahina izy dia velona. >