Ny Fanisana

Toko faha-22

1 Dia nandroso ny zanak'Israely ka nitoby teo amin'ny lohasahan'i Moaba, tandrifin'i Jerikao.

2 Hitan'i Balàka zanak'i Sefora, izay rehetra nataon'Israely tamin'ny Amoreana,

3 ary tsiravina indrindra Moaba teo anatrehan'ity vahoaka ity, fa maro be; nangorohoro fatratra izy teo anatrehan'ny zanak'Israely. 4 Hoy Moaba tamin'ny loholon'i Madiana: Holevonin'ity vahoaka be ity, toy ny fandevon'ny omby ny zava-maitso any an-tsaha izay rehetra manodidina antsika. Balàka, zanak'i Sefora no mpanjakan'i Moaba tamin'izay. 5 Ka naniraka olona izy ho any amin'i Balaama, zanak'i Beora, any Petora, izay eo amoron'ny ony, eo amin'ny tanin'ny zanaky ny vahoakany, mba hiantso azy sy hanao aminy hoe: Indro misy vahoaka nivoaka avy any Ejipta, rakotra azy ny tany, ary tandrify ahy no itobiany. 6 Koa mihanta aminao aho, tongàva aty amiko hianao, hanozona io vahoaka io fa mahery noho izaho izy; angamba izany no hahazoako mandresy azy sy mandroaka azy hiala amin'ny tany; satria fantatro fa izay tsofinao rano dia voatso-drano ary izay ozoninao dia voaozona. 7 Niainga ny loholon'i Moaba sy ny loholon'i Madiana, nataony an-tànana ny tambin'ilay mpanandro. Nony tonga tany amin'i Balaama izy ireo, dia nambarany azy ny tenin'i Balàka,

8 ary hoy Balaama taminy: Mandria aty anio alina, fa homeko valiny, araka izay hambaran'ny Tompo amiko hianareo. Dia tafajanona tao amin'i Balaama ireo andriandahin'i Moaba. 9 Ary tonga tamin'i Balaama Andriamanitra ka nanao hoe: Iza moa ireo olona ato aminao ireto?

10 Dia hoy ny navalin'i Balaama an'Andriamanitra: Balàka, zanak'i Sefora mpanjakan'i Moaba no naniraka an'ireo hilaza amiko hoe: 11 Indro ilay firenena nivoaka avy tany Ejipta fa mandrakotra ny tany, tongàva aty amiko àry ka hanozona azy hianao; izany angamba no hahazoako mandresy azy sy mandroaka azy. 12 Fa hoy Andriamanitra tamin'i Balaama: Aza mandeha miaraka amin'ireo, ary aza manozona izany vahoaka izany, fa nohasoavina izy. 13 Nony nifoha Balaama, ny maraina, dia nilaza tamin'ireo andriandahin'i Balàka hoe: Mandehana any amin'ny taninareo, fa lavin'ny Tompo ka tsy avelany handeha miaraka aminareo aho. 14 Dia nitsangana tamin'izay ireto andriandahin'i Moaba, ka lasa niverina tany amin'i Balàka, sy nilaza taminy hoe: Nandà Balaama ka tsy nety nandeha niaraka taminay. 15 Fa naniraka andriandhy sady maro no ambony noho ny teo indray Balàka.

16 Ka nony tonga tany amin'i Balaama ireo, dia nanao taminy hoe: Izao no tenin'i Balàka zanak'i Sefora: Mihanta aminao re aho, mba tsy hisy hahasakana anao tsy hankaty amiko, 17 fa homeko voninahitra lehibe indrindra hianao, ary hotanterahiko avokoa izay rehetra holazainao amiko. Koa mihanta aminao re aho, tongàva aty amiko, ozony io vahoaka io. 18 Dia namaly Balaama, ka nanao tamin'ny mpanompon'i Balàka hoe: Na homen'i Balàka volafotsy sy volamena eran'ny tranony aza aho, dia tsy mahazo mandika ny tenin'ny Tompo Andriamanitro aho, ka hanao zavatra na kely na lehibe. 19 Ary ankehitriny, mihanta aminareo aho mba hijanona aty indray koa hianareo anio alina, hahafantarako izay holazain'ny Tompo amiko indray. 20 Nony alina dia tonga tamin'i Balaama Andriamanitra ka nanao taminy hoe: Raha tonga hiantso anao ireo olona ireo, dia mitsangàna, ka mandehana miaraka aminy, nefa izay holazaiko aminao ihany no hataonao. 21 Dia nifoha Balaama nony maraina, nanisy lasely ny ampondravaviny ka nandeha niaraka tamin'ny andriandahin'i Moaba. 22 Nirehitra anefa ny fahatezeran'Andriamanitra raha nandeha izy ka nankeo amin'ny làlana ny anjelin'ny Tompo hisakana azy. Nitaingina ny ampondrany Balaama ary narahin'ny mpanompony roa lahy. 23 Hitan'ity ampondra ilay anjelin'ny Tompo nijanona teo an-dàlana sy nitana sabatra voatsoaka teny an-tànany, ka nivily làlana nankany anaty saha izy. Nokapohin'i Balaama ny ampondrany, hampiverenany azy amin'ny làlany indray. 24 Tamin'izay ilay anjelin'ny Tompo, dia nibahana teo an-dàlana an-kandemponana anankiray, tanelanelan'ny tanim-boaloboka, voafefy eo an-daniny roa. 25 Nony nahita ilay anjelin'ny Tompo ilay ampondra dia nitampisaka manaraka ny rindrina, ka voatery tamin'ny rindrina ny tongotr'i Balaama, dia nikapoka azy indray izy. 26 Nandroso lavidavitra kokoa ny anjelin'ny Tompo nijanona tamin'ny toerana ety anankiray, izay tsy misy hidifiana akory, na ho amin'ny an-kavanana na ho amin'ny an-kavia. 27 Nony nahita ilay anjelin'ny Tompo ity ampondra, dia nandry teo ambanin'i Balaama; ary nirehitra ny fahatezeran'i Balaama, ka nokapohiny tamin'ny tehina ny ampondra. 28 Nosokafan'ny Tompo ny vavan'ity ampondra ka nilaza tamin'i Balaama hoe: Naninona anao aho no dia nokapohinao intelo izao? 29 Dia hoy ny navalin'i Balaama tamin'ny ampondra: Satria namazivazy ahy hianao, ka raha nisy sabatra tety an-tànako dia matiko ankehitriny izao ihany hianao. 30 Hoy ny ampondra tamin'i Balaama: Moa tsy ampondranao va aho, ka efa notaingenanao mandrakariva hatramin'izao? Moa mba fanaoko va ny manao toy izao aminao? Dia hoy ny navaliny: Tsia. 31 Nosokafan'ny Tompo ny mason'i Balaama, dia hitan'i Balaama ilay anjelin'ny Tompo izay teo an-dàlana teo sady nitana sabatra voatsoaka teny an-tànany, ka niondrika sy niankohoka tamin'ny tany izy.

32 Dia hoy ilay anjelin'ny Tompo taminy: Ahoana no nikapohanao ny ampondranao intelo izao? Indro nivoaka hisakana anao aho, satria araka ny hitako, làlana mamarina anao amin'ny loza no ombanao. 33 Nahita ahy ny ampondra, ka nitanila teo anatrehako intelo izao; raha tsy nitanila teo anatrahako izy, dia hianao no nataoko maty, fa izy navelako ho velona aina. 34 Ary hoy Balaama tamin'ny anjelin'ny Tompo: Efa nanota aho, fa tsy fantatro hoe teo anoloako hianao, ary ankehitriny raha tsy sitrakao izao, dia hody aho. 35 Hoy ny anjelin'ny Tompo tamin'i Balaama: Mandehana ihany miaraka amin'ireo lehilahy ireo, nefa aza milaza zavatra hafa afa-tsy izay holazaiko aminao. Dia nandeha Balaama, niaraka tamin'ny andriandahin'i Balàka. 36 Nony ren'i Balàka fa tamy Balaama, dia nivoaka izy hitsena azy hatrany amin'ny tanàna Moaba eo amin'ny faritr'i Arnòna, any amin'ny sisin-tany indrindra. Hoy Balàka tamin'i Balaama:

37 Moa tsy efa naniraka tany aminao va aho, nampaka anao? Nahoana no dia tsy nankaty amiko hianao? Sa dia tsy hahay manome voninahitra anao marina tokoa aho? 38 Hoy Balaama tamin'i Balàka: Indro aho mankaty aminao; fa ankehitriny moa ho afa-milaza na inona na inona va aho? Ny teny hataon'Andriamanitra ao am-bavako no holazaiko. 39 Niainga niaraka tamin'i Balàka Balaama ka tonga tany Kiriata-Kotsota izy ireo.

40 Namono omby aman'ondry hatao sorona Balàka, ka nampanateriny ho an'i Balaama sy ireo andriandahy teo aminy izany. 41 Nony maraina, nalain'i Balàka i Balaama, ka nentiny niakatra ho ao Bamota-Baala, izay nahatazanan'i Balaama ny vody làlan'ny vahoaka.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0373