Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Fanisana

Fanisana toko 23
Ny teny faminaniana efatra nataon'i Balaama.

       1Hoy Balaama tamin'i Balàka: Anangano otely fito eto aho, ary manomàna vantotr'ombalahy fito sy ondralahy fito eo koa. 2Nataon'i Balàka izay nolazain'i Balaama, ary samy nanateran'i Balàka sy Balaama vantotr'ombalahy iray sy ondralahy iray avy teo ambonin'ny otely. 3Hoy Balaama tamin'i Balàka: Mitoera hianao eo anilan'ny sorona dorana, fa izaho kosa hihataka; angamba ho avy hihaona amiko Iaveh, ary na inona na inona hasehony amiko, dia holazaiko anao. Dia lasa izy nankany amin'ny havoana anankiray mangadihady.
       4Tonga nihaona tamin'i Balaama tokoa Andriamanitra, ka hoy Balaama taminy: Efa nanangana ny otely fito aho, ary efa nanatitra vantotr'ombalahy iray sy ondralahy iray avy isan'otely. 5Dia nanisy teny tao am-bavan'i Balaama Iaveh sy nanao taminy hoe: Miverena any amin'i Balàka, ka izao sy izao no lazaina aminy. 6Niverina nankany aminy izy, ka inty Balàka sy ireo andriandahin'i Moaba nitoetra teo anilan'ny sorona dorany;
       7ka nilaza ny lahateniny Balaama nanao hoe: Balàka nampaka ahy avy tany Arama; Ny mpanjakan'i Moaba nampaka ahy, avy tany an-tendrombohitry ny Atsinanana; Avia, ozony Jakoba!
       8Hataoko ahoana no fanozona raha tsy manozona Andriamanitra? Hataoko ahoana no fahatezitra raha tsy mitezitra Iaveh?
       9Fa eto am-tampon'ny vatolampy aho mahita azy, Ary eto ambony havoana aho mahatazana azy; Ka firenena manana fitoerana manokana izy, Fa tsy mba hampidirina amin'ny fanisana ny firenena.
       10Iza no mahisa ny vovok'i Jakoba, Na mahisa ny ampahefatr'Israely? Enga anie ka ho toy ny fahafatin'ny olo-marina ny fahafatiko, Ary hanahaka ny fiafaràny ny fiafaràko!
       11Dia hoy Balàka tamin'i Balaama: Fa inona ity nataonao tamiko, no hanozona ny fahalavoko no nangalako anao, kanjo vao mainka mitso-drano ihany no ataonao? 12Fa hoy ny navaliny nanao hoe: Moa tsy tokony hotandremako va ny hilaza izay ataon'ny Tompo ato am-bavako? 13Dia hoy Balàka taminy: Andeha hiaraka amiko hianao ho any amin'ny toeran-kafa izay hahitanao azy nefa ny sisiny ihany no ho hitanao, fa tsy ho izy manontolo, ary any dia ozòny izy. 14Dia nentiny nankany an-tsahan'ny Tily, an-tampon'i Fasgà izy, ka nony efa nanangana otely fito, dia nanatitra vantotr'ombalahy iray sy ondrilahy iray avy isan'otely izy. 15Ary hoy Balaama tamin'i Balàka: Mitoera hianao eto anilan'ny sorona doranao; fa izaho handeha ary hihaona amin'ny Tompo. 16Dia tonga nihoana tamin'i Balaama Iaveh ka nanisy teny tao am-bavany, ary nilaza hoe: Miverena any amin'i Balàka, ka izao sy izao no holazainao.
       17Niverina tany amin'i Balàka izy, ary indro nitoetra teo anilan'ny sorona dorany izy mbamin'ny andriandahin'i Moaba. Dia hoy Balàka taminy: Inona no nolazain'ny Tompo?
       18Ary Balaama nilaza ny laha-teniny ka nanao hoe: Mitsangàna, ry Balàka, ka mihainoa, Mampandria sofina, ry zanak'i Sefora:
       19Tsy olombelona Andriamanitra ka handainga, Na zanak'olombelona ka hanenina. Moa mba milaza fotsiny va izy fa tsy manatanteraka, Na miteny ihany fa tsy manefa?
       20Indro efa nahazo teny hitso-drano aho; Izy efa nitso-drano, ka tsy hanova izany aho.
       21Tsy mahita faharatsiana amin'i Jakoba izy, Tsy mahita tsy fahamarinana amin'Israely. Iaveh Andriamaniny no momba azy; Fihobiana mpanjaka no manakoako ao aminy;
       22Andriamanitra no mamoaka azy avy tany Ejipta, Ary manan-kery toy ny ombimanga izy.
       23Noho ny tsy fisian'ny fanandroana eo amin'i Jakoba, Sy ny tsy fisian'ny sikidy eo amin'Israely, Dia holazaina amin'i Jakoba sy Israely amin'ny fotoana mety Izay tian'Andriamanitra hotanterahina.
       24Indro firenena miarina toy ny liom-bavy, Sy mitsangana mova tsy ny liona! Tsy mandry izy raha tsy nihinana ny hazany, Sy efa nisotro ny ran'ny voaratra.
       25Dia hoy Balàka tamin'i Balaama: Aza manozona azy, ary aza mitso-drano azy. 26Fa hoy ny navalin'i Balaama an'i Balàka nanao hoe: Moa tsy efa niteny taminao va aho nanao hoe: izay holazain'ny Tompo hataoko avokoa? 27Hoy Balàka tamin'i Balaama: Andeha àry hianao hoentiko any amin'ny toeran-kafa, fa angamba ho sitrak'Andriamanitra ny hanozonanao azy any. 28Dia nentin'i Balàka Balaama ho any an-tampon'i Fogora izay manerinerina amin'ny efitra. 29Ary hoy Balaama tamin'i Balàka: Anangano otely fito eto aho, ary manomàna eto ombalahy fito sy ondralahy fito koa. 30Nataon'i Balàka izay nolazain'i Balaama; ary nanatitra ombalahy sy ondralahy iray avy isan'otely izy. >