Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Fanisana

Fanisana toko 24
Fandrosoana sy fandresen'Israely - Teny faminanian'i Balaama: Hisy kintana hivoaka avy amin'i Jakoba.

       1Hitan'i Balaama fa ny hitso-drano an'Israely no sitra'Iaveh ka tsy nandeha hizaha famantarana avy amin'ny fanandroana toy ny teo intsony izy, fa natodiny ny tavany hanatrika ny efitra. 2Ary nony natopiny ny masony, dia nahita an'Israely nitoby isam-pokony izy, ary notsindrian'ny Fanahin'Andriamanitra izy, 3ka nilaza ny lahateniny nanao hoe:
Faminanian'i Balaama zanak'i Beora; Faminanian'ny lehilahy voakimpy ny masony;
       4Faminanian'ilay mandre ny tenin'Andriamanitra, Izay mibanjina ny fahitana avy amin'ny Tsitoha, Izay lavo ka misokatra ny masony:
       5Endrey ity hatsaran'ny lainao, ry Jakoba! Ary izato fonenanao, ry Israely!
       6Midadasika toa lohasaha, Tahaka ny zaridaina amoron'ny ony, Tahaka ny aloesy nambolen'ny Tompo, Tahaka ny sedera amoron-drano!
       7Mitobaka ny rano amin'ny sininy roa, Ny taranany mitombo eo amoron'ny rano be dia be; Ny mpanjakany misandratra ambonin'i Agaga, Ary ny fanjakany mandroso voninahitra.
       8Nentin'Andriamanitra nivoaka avy tany Ejipta izy, Ary nomeny azy ny herin'ny ombimanga. Mandevona ny firenena miady aminy izy, Manapaka ny taolany Sy mandripaka azy amin'ny zana-tsipìkany.
       9Manongalika izy ary mandry toy ny liona, Toy ny liom-bavy, ka zovy no hampifoha azy? Hohasoavina anie izay hitso-drano anao! Hovoaozona anie izay hanozona anao!
       10Dia nirehitra tamin'i Balaama ny fahatezeran'i Balàka, ka niteha-tànana izy; ary hoy Balàka tamin'i Balaama hoe: Ny hanozona ny fahavaloko no niantsoako anao, kanjo ny mitso-drano azy ihany kosa no nataonao efa intelo izao. 11Koa ankehitriny mandosira any aminao. Efa nilaza hanome voninahitra anao be dia be aho, fa indro kosa ampanalavirin'ny Tompo anao ny voninahitra. 12Hoy ny navalin'i Balaama an'i Balàka: Tsy efa voalazako tamin'ny iraka nalefanao tany amiko va, fa hoe: 13Na dia homen'i Balàka volafotsy sy volamena eran'ny tranony aza aho, dia tsy hahazo mandika ny tenin'ny Tompo, ka hanao na inona na inona, na soa na ratsy amin'ny nahim-poko, fa izay holazain'ny Tompo ihany no holazaiko. 14Ary indro handeha ho any amin'ny fireneko aho izao; koa etsy hianao, hilazako rahateo izay hataon'ity vahoaka ity amin'ny vahoakanao, any aoriana any. 15Dia nilaza ny lahateniny Balaama ka nanao hoe:
Faminanian'i Balaama zanak'i Beora, Faminanian'ny lehilahy voakimpy ny masony,
       16Faminanian'ilay mandre ny tenin'Andriamanitra, Izay mahalala ny fahaizan'ny Avo indrindra, Izay mibanjina ny fahitan'ny Tsitoha, Izay lavo ka misokatra ny masony:
       17Hitako izy, fa tsy toy ny ankehitriny, Tazako izy fa tsy mba akaiky. Misy kintana iray miposaka avy amin'i Jakoba, Tehim-panjakana iray mitsangana avy amin'Israely. Mandrava an'i Moaba eo an-daniny roa izy, Ary mandringana ny zanaky ny fitabatabana rehetra.
       18Edoma dia lasan-ko fananany: Fa Israely manampatra ny herim-pony.
       19Misy mpanapaka avy amin'i Jakoba, Ka haringany eny an-tanàna ny sisa tavela.
       20Dia nahita an'i Amaleka Balaama ka nilaza lahateniny nanao hoe: Amaleka no voalohany amin'ny firenena, Fa ho lany ringana no hiafarany.
       21Nahita ny Kineana Balaama, ka nilaza ny lahateniny nanao hoe: Mafy orina ny fonenanao, Voapetraka ambonin'ny vatolampy ny akaninao;
       22Nefa handroso hihalevona ny Kineana; Ambara-pahoviana? Hoentin'i Asora babo izy. 23Dia nilaza ny lahateniny Balaama nanao hoe:
Indrisy! zovy no ho velona rahefa hanao izany Andriamanitra? Misy sambo avy any Sitima, 24Mampahory an'i Asora, mampahory an'i Hebera, Fa efa raikitra fa ho ringana koa izy. 25Dia niainga Balaama ary nandeha ka niverina ho any aminy. Ary Balàka koa dia mba lasa nandeha. >