Ny Fanisana

Toko faha-25

1 Nandritra ny nipetrahan'Israely tao Setima, dia rafitra nijangajanga tamin'ny zanakavavin'i Moaba ny vahoaka,

2 ary ireo nanasa ny vahoaka ho amin'ny fisoronana nataony tamin'ny andriamaniny, ka nihinana sy niankohoka tamin'ny andriamaniny ny vahoaka. 3 Niray tamin'i Beelfegora Israely, ka nirehitra tamin'Israely ny fahatezeran'ny Tompo. 4 Hoy Iaveh tamin'i Moizy: Vorio daholo ny filohan'ny vahoaka rehetra, ka ahantony tandrifin'ny masoandro, eo anatrehan'ny Tompo, ireo ratsy, mba hitsaharan'ny firehetan'ny fahatezeran'ny Tompo amin'Israely. 5 Dia hoy Moizy tamin'ny mpitsaran'Israely: Samia hianareo mamono ny olom-peheziny izay niray tamin'i Beelfegora. 6 Ary inty nisy lehilahy anankiray amin'ny zanak'Israely tamy mitari-behivavy Madianita anankiray nankeo amin'ny rahalahiny, teo imason'i Moizy sy ny fiangonana'ny zanak'Israely rehetra, izay nitomany teo amin'ny varavaran'ny trano lay fihaonana.

7 Vao nahita izany Finea, zanak'i Eleazara, zanak'i Aarona mpisorona, dia nitsangana avy teo afovoan'ny fiangonana; nitondra lefona teny an-tànany, 8 nanaraka ilay lehilahy Israelita tao anatin'ny lay ka nandefona azy roroa, dia ralehilahy Israelita sy ilay vehivavy, tamin'ny kibony. Nitsahatra tamin'izay ny loza teo amin'ny zanak'Israely. 9 Nisy efatra arivo sy roa alina no matin'ny loza. 10 Niteny tamin'i Moizy Iaveh ka nanao hoe:

11 Finea, zanak'i Eleazara, zanak'i Aarona, mpisorona, no nampiala ny hatezerako tamin'ny zanak'Israely, satria noho izy nazoto nitandro ny voninahitro teo afovoan'izy ireo, dia tsy nandringana ny zanak'Israely aho tamin'ny fahazotoako hitandro ny voninahitro. 12 Koa noho izany dia ilazao izy fa omeko ny fanekem-pihavanako; 13 dia ho faneken'ny fisoronana mandrakizay, ho azy sy ny taranany mandimby azy, noho izy saro-piaro ho an'Andriamaniny, sy nanao ny fanonerana ho an'ny zanak'Israely. 14 Zamarì no anaran'ilay lehilahy Israelita, niara-novonoina tamin-dravehivavy Madianita; zanak'i Salò izy, sady filoham-pianakaviana tamin'ny Simeonita.

15 Ary Kozbì no anaran'ilay vehivavy Madianita novonoina, zanak'i Sora, filoham-poko, amin'ny fokom-pianakaviana, any Madiana izy. 16 Niteny tamin'i Moizy Iaveh nanao hoe:

17 Ataovy fahavalonareo ny Madianita, ka vonoy ireny, 18 fa niseho ho fahavalonareo tamin'ny nataony anareo, raha nanangoly anareo tamin'ny hafetseny izy; ary Fogora no nentiny hanao izany, sy Kozbì koa, zanakavavin'ny lehibe anankiray any Madiana anabaviny, izay novonoina tamin'ny andron'ny loza nitranga noho ny amin'ny Fogora.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0802