Ny Fanisana
Fanisana toko 27
Lalàna momba ny zaratany - Josoe voatendry ho dimbin'i Moizy.
1Tamin'izay tonga ny zanakavavin'i Salfaada, zanak'i Hefera, zanak'i Galaada, zanak'i Makira, zanak'i Manase, avy amin'ny fokon'i Manase, zanak'i Josefa; ny anaran'izy ireo dia izao: Maalà, Noà, Heglà, ary Tersà. 2Teo anatrehan'i Moizy sy Eleazara mpisorona, ary ny lohan'ny fiangonana rehetra izy ireo; teo am-baravaran'ny trano lay fihaonana, ka nanao hoe: 3Maty tany an'efitra ny rainay; izy tsy mba anatin'ilay antokony, izay niray tetika hiodina amin'ny Tompo, dia ny antokon'i Kore, fa maty noho ny fahotany izy, ary tsy mba nanan-janaka lahy izy. 4Ka raha saingy tsy nanan-janaka lahy izy, nahoana no dia hovonoina tsy ho eo amin'ny fokony ny anaran'ny rainay? Mba omeo zaratany eo amin'ny rahalahin-drainy izahay.
5Dia nentin'i Moizy teo anatrehan'ny Tompo ny fitarainan'izy ireo, 6ka hoy Iaveh tamin'i Moizy: 7Zavatra araka ny rariny tsara ny nolazain'ny zanakavavin'i Salfaada, ka omeo zaratany ho lovany eo amin'ny rahalahin-drainy izy, dia ny anjaran-drainy no atolory ho lovany. 8Mitenena amin'ny zanak'Israely ka lazao hoe: Raha misy lehilahy maty tsy nanan-janakalahy, dia ny zanany vavy no hamindranareo ny lovany. 9Ary raha tsy manan-janakavavy izy, dia ny rahalahiny no homenareo ny lovany. 10Raha tsy manan-drahalahy izy, dia ny rahalahin-drainy no homenareo ny lovany. 11Ary raha tsy manan-drahalahin-dray izy, dia izay havany akaiky indrindra ao amin'ny fokony no homenareo ny lovany, ka dia izay no tompony. Ho lalàna mametra ny rariny ho an'ny zanak'Israely izany, araka ny nandidian'ny Tompo an'i Moizy.
12Hoy Iaveh tamin'i Moizy: Miakara amin'io tendrombohitra Abarima io, ka tazano ny tany omeko ny zanak'Israely. 13Hahita izany hianao, dia hangonina any amin'ny razanao tahaka ny nanangonana an'i Aarona rahalahinao koa, 14satria hianareo tany amin'ny efitra Sina, ilay nilan'ny fiangonana ady iny, dia nanohitra ny teny nomeko hanamasinana ahy teo imasony, ny amin'ny momba ny rano, dia ny ranon'i Meribà, any Kadesy, any an'efitra Sina.
15Dia niteny tamin'ny Tompo Moizy, nanao hoe: 16Aoka Iaveh, ilay Andriamanitry ny fanahin'ny nofo rehetra, hanendry lehilahy anankiray hitondra ny fiangonana. 17Ka hivoaka sy hiditra eo alohany ary hitarika azy hivoaka sy hiditra, mba tsy ho tahaka ny ondry tsy misy mpiandry ny fiangonan'ny Tompo. 18Ary hoy Iaveh tamin'i Moizy: Alao Josoe zanak'i Nòna, lehilahy itoeran'ny Fanahy ka ametraho tànana izy. 19Dia apetraho eo anatrehan'i Eleazara mpisorona sy ny fiangonana rehetra izy, ka atokano eo imason'izy ireo. 20Ametraho anjara amin'ny fahefanao izy, mba haneken'ny fiangonan'ny zanak'Israely rehetra azy. 21Izy hankeo anatrehan'i Eleazara mpisorona izay hanadina amin'ny fitsaran'ny Orima ho azy, eo anatrehan'ny Tompo, ka araka ny teniny no hivoahan'i Josoe, araka ny teniny no hidirany, dia Josoe, ny zanak'Israely rehetra miaraka aminy, ary ny fiangonana rehetra.
22Dia nataon'i Moizy izay nandidian'ny Tompo azy: Naka an'i Josoe izy, nametraka azy teo anatrehan'i Eleazara mpisorona sy ny fiangonana rehetra, 23ka nony efa nametra-tànana taminy izy, dia nanokana azy, araka ny voalazan'ny Tompo tamin'ny alàlan'i Moizy. >